Asa nanirahana an’i Esdrasa sy ny maha-izy azy
1 Tatỳ aorian’ireo zava-niseho ireo, tamin’ny andro nanjakan’i Artakserksesa mpanjakan’i Persa kosa indray, i Esdrasa zanak’i Saraisa zanak’i Helkiasa
2 zanak’i Seloma zanak’i Sadaoka zanak’i Akitoba
3 zanak’i Amariasa zanak’i Azariasa zanak’i Maraiôta
4 zanak’i Zarahiasa zanak’i Ozỳ zanak’i Boksỳ zanak’i Abisoe
5 zanak’i Finea zanak’i Eleazara zanak’i Aarôna mpisorona lehibe;
6 niakatra avy any Babilôna io Esdrasa io. Ary satria nomba azy ny tanan’iIaveh Andriamaniny, dia nomen’ny mpanjaka azy avokoa izay rehetra nangatahiny.
7 Maromaro koa tamin’ny zanak’i Israely, mpisorona, Levita, mpihira, mpiandry varavarana, ary Natineanina, no niakatra ho any Jerosalema tamin’ny taona fahafito nanjakan’i Artakserksesa mpanjaka.
8 Tonga tany Jerosalema i Esdrasa, tamin’ny volana fahadimin’ny taona fahafito nanjakan’ny mpanjaka.
9 Tamin’ny andro voalohan’ny volana voalohany izy no niainga hiakatra niala tany Babilôna ary tamin’ny andro voalohan’ny volana fahadimy no nahatongavany tao Jerosalema, nomban’ny tanan’ny Andriamaniny manisy soa.
10 Nandraikitra ny fony amin’ny fianaran’ny lalàn’i Iaveh i Esdrasa, ary nanaraka azy, ary nampianatra an’i Israely ny lalàna amam-pitsipika.
Didy nomen’i Artakserksesa
11 Izao no kôpian’ny taratasy nomen’i Artakserksesa mpanjaka, an’i Esdrasa – izay mpisorona sy mpampiana-dalàna, mpampiana-dalàna mahay ny didy aman-dalàn’i Iaveh ny amin’ny momba an’i Israely.
12 I Artakserksesa mpanjakan’ny mpanjaka, ho an’i Esdrasa mpisorona sy mpampiana-dalàna, mahay ny lalàn’ny Andriamanitry ny lanitra, sns.
13 Efa nomena teny aho hoe: izay rehetra isan’ny vahoakan’i Israely, ny mpisorony sy ny Levitany, izay eto amin’ny fanjakako, ka te handeha ho any Jerosalema, dia mahazo miaraka aminao.
14 Fa irahin’ny mpanjaka sy izy fito lahy mpanolo-tsaina ianao, mba handinika ny toetr’i Jodà sy i Jerosalema araka ny lalàn’ny Andriamanitrao izay eo an-tananao;
15 sy hitondra ny volafotsy amana volamena nomen’ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsainy, an-tsitrapo, ho an’ny Andriamanitr’i Israely, izay manana ny fonenany ao Jerosalema;
16 mbamin’ny volamena amana volafotsy rehetra mety ho azonao eran’ny faritanin’i Babilôna ary koa ny fanomezana an-tsitrapo avy amin’ny vahoaka sy ny mpisorona, izay atolony an-tsitrapo ho an’ny tranon’Andriamaniny any Jerosalema.
17 Koa hoahianao ny hividianana amin’izany vola izany ny ombalahy, ondralahy, zanak’ondry, mbamin’izay hatao fanatitra amam-panatitra araraka momba azy, dia atero eo ambony ôtely ao an-tranon’ny Andriamanitrareo any Jerosalema izany.
18 Ary ny volafotsy amana volamena sisa dia ataovy amin’izay heverinao sy ireo rahalahinao ho mety, manaraka ny sitrapon’ny Andriamanitrareo.
19 Apetraho eo anatrehan’ny Andriamanitr’i Jerosalema ny fanaka natolotra anao, hanaovana ny fanompoana ao an-tranon’ny Andriamanitrao.
20 Izay fanampiny mbola ilaina koa, ao amin’ny tranon’ny Andriamanitrao, dia hovonoinao avy amin’ny trano firaketan’ny mpanjaka.
21 Izaho Artakserksesa mpanjaka manome didy ho an’ireo mpitahiry vola rehetra any an-dafin’ny ony, mba hanatanteraka tsy misy tomika izay rehetra hilain’i Esdrasa mpisorona sy mpanora-dalàna, mahay ny lalàn’ny Andriamanitry ny lanitra, aminareo,
22 hatramin’ny talenta volafotsy zato, varimbazaha zato kora, divay zato bata, diloilo zato bata, ary sira araka izay tiany.
23 Tanteraho an-tsakany sy an-davany izay rehetra andidian’ny Andriamanitry ny lanitra, ny amin’ny momba ny tranon’ny Andriamanitry ny lanitra, mba tsy hiharan’ny fahatezerany amin’ny fanjakan’ny mpanjaka sy ny zanany.
24 Ampahafantarinay anareo koa, fa tsy misy angalana hetra, na haba na sara, ny mpisorona, ny Levita, ny mpihira, ny mpiandry varavarana, ny Natineanina, mbamin’izay rehetra manompo amin’io tranon’Andriamanitra io.
25 Ary ianao, ry Esdrasa, araka ny fahendren’Andriamanitrao, izay eo an-tananao, dia manendre mpitsara sy andriambaventy hitsara ny vahoaka rehetra any an-dafin’ny ony, amin’izay rehetra mahalala ny lalàn’ny Andriamanitrao, ary ampianaro izay tsy mahalala.
26 Na zovy na zovy tsy mitandrina ny lalàn’ny Andriamanitrao, sy ny lalàn’ny mpanjaka, dia aoka izy hovaliana araka ny rariny, na hovonoina, na hasesitany, na hosazina vola, na hatao an-tranomaizina.
Dian’i Esdrasa avy ao Babilôna nankany Palestina
27 «Hisaorana anie i Iaveh Andriamanitry ny razantsika izay nanome hevitra ny fon’ny mpanjaka mba hanome voninahitra ny tranon’i Iaveh ao Jerosalema toy izany,
28 sy nampahita fitia ahyteo anatrehan’ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina ary ny manam-pahefana ambony rehetra ao amin’ny mpanjaka. Koa nahazo hery aho fa nomba ahy ny tanan’i Iaveh Andriamanitro, ka nanangona ny loholona amin’i Israely hiara-miainga amiko.»