1 Izao no loham-pianakaviana sy filazana ny firazanany, dia ireo niara-niakatra tamiko avy any Babilôna, tamin’ny andro nanjakan’i Artakserksesa mpanjaka.
2 Tamin’ny taranak’i Finea, i Gersôma; tamin’ny taranak’i Itamara, i Daniela; tamin’ny taranak’i Davida, i Hatosa,
3 izay avy amin’ny taranak’i Sekeniasa; tamin’ny taranak’i Farosa, i Zakaria, mbamin’ireo 150 lahy, voasoratra ao amin’ny bokim-pianakaviana izay niaraka taminy.
4 Tamin’ny taranak’i Falata-Moaba, i Eliôenaì, zanak’i Zarehiasa mbamin’ireo roan-jato lahy izay niaraka taminy;
5 tamin’ny taranak’i Sekeniasa, taranak’i Ezekiela, mbamin’ireo 300 lahy izay niaraka taminy;
6 tamin’ny taranak’i Adàna, i Abeda zanak’i Jonatàna, mbamin’ireo 50 lahy izay niaraka taminy;
7 tamin’ny taranak’i Alama, i Izaia zanak’i Ataliasa, mbamin’ireo 60 lahy izay niaraka taminy;
8 tamin’ny taranak’i Satafiasa, i Zebediasa zanak’i Mikaela, mbamin’ireo valopolo lahy izay niaraka taminy;
9 tamin’ny taranak’i Jôaba, i Abediasa zanak’i Jehiela mbamin’ireo valo ambin’ny folo amby zato lahy izay niaraka taminy;
10 tamin’ny taranak’i Bany i Selômita zanak’i Jôsefiasa, mbamin’ireo 160 lahy izay niaraka taminy;
11 tamin’ny taranak’i Bebay, i Zakaria zanak’i Bebay mbamin’ireo 28 lahy niaraka taminy;
12 tamin’ny taranak’i Azgada, i Johanàna zanak’i Eksetana mbamin’ireo 110 lahy niaraka taminy;
13 tamin’ny taranak’i Adônikama, dia farany ireo, ka izao no anarany: Elifeleta, Jehiela ary Semaiasa, mbamin’ireo 60 lahy niaraka taminy;
14 tamin’ny taranak’i Begoai, i Otaì sy i Zakora, mbamin’ireo 70 lahy niaraka taminy.
15 Novoriko teo amoron’ny ony mankany Ahavà izy ireo, dia nilasy teo hateloana izahay. Nony nandinika ity vahoaka mbamin’ireo mpisorona aho, dia tsy nahita ny taranak’i Levì teo na dia iray aza.
16 Dia nasaiko nantsoina ny loholona, i Eleazara, i Ariela, i Semeiàsa, i Elnatàna, i Jariba; i Elnatàna anankiray, i Natàna, i Zakaria ary i Mosolama, mbamin’ireo mpampianatra: i Joiariba sy i Elnatàna.
17 Nirahiko ho any amin’i Edô loholona, ao amin’ny fitoerana atao hoe Kasfià izy ireo; dia nofahanako teny hambara amin’i Edô, mbamin’ireo Natineanina rahalahiny any amin’ny fitoerana atao hoe Kasfià izy, mba hitondrany mankatỳ aminay izay ho mpandraharaha ao amin’ny tranon’ny Andriamanitray.
18 Ary satria nomba anay ny tanana manambin’ny Andriamanitray, dia nentin’izy ireo nankatỳ aminay, ity lehilahy manan-tsaina anankiray avy amin’ny taranak’i Moholỳ zanak’i Levỳ zanak’i Israely, dia i Sarabiasa mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny 18 lahy;
19 i Hasabiasa ary i Izaia koa miaraka aminy, avy amin’ny taranak’i Merarỳ, mbamin’ireo rahalahiny sy ny zanany 20 lahy;
20 ary ny avy amin’ny Natineanina izay nomen’i Davida sy ny loholona hanompo ny Levita, Natineanina220 samy voatendry amin’ny anarany.
21 Niantso andro fifadian-kanina aho, teo amoron’ny ony Ahavà teo, hampijalianay tena eo anatrehan’ny Andriamanitray, hangatahanay aminy mba ho tsara mandroso avokoa, na ny tenanay, na ny zanakay, na ny anananay rehetra.
22 Fa nahamenatra ahy ny hangataka miaramila manatitra ama-mpitaingin-tsoavaly, tamin’ny mpanjaka, hiaro anay amin’ny fahavalo eny an-dalana, noho izahay efa niteny tamin’ny mpanjaka nanao hoe: «Momba an’izay rehetra mitady azy ny tanan’Andriamanitra, hahasoa azy ireo, fa mahatratra an’izay rehetra mahafoy Azy kosa ny heriny sy ny fahatezerany.»
23 Noho izany nifady hanina izahay sy nangataka tamin’Andriamanitray, ary nihaino anay Izy.
24 Dia nifidy lohan’ny mpisorona 12 lahy aho; dia i Sarabiasa sy i Hasabiasa, mbamin’ny folo lahy tamin’ireo rahalahiny;
25 ka nolanjaiko teo anatrehan’izy ireo ny volafotsy, ny volamena sy ny fanaka, zavatra naterin’ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina aman-dehibe ary ny olon-drehetra amin’i Israely vory teo, natokany ho an’ny tranon’Andriamanitra,
26 dia nolanjaiko sady nataoko eo an-tanany, talenta volafotsy 650, fanaka volafotsy lanjan-talenta zato, talenta volamena zato;
27 kôpy volamena roapolo, lanjan-darìka arivo; ary kapoaka varahina manganohano roa, sarobidy toy ny volamena.
28 Ary izao no nolazaiko tamin’izy ireo: «Masina eo anatrehan’i Iaveh ianareo, ary ireo fanaka ireo dia zavatra masina; izany volafotsy amana volamena izany, dia fanatitra an-tsitrapo ho an’i Iaveh, Andriamanitry ny razanareo.
29 Koa ambeno amim-pitandremana ireo, mandra-pandanjanareo azy eo anatrehan’ny lohan’ny mpisorona sy ny levita, sy eo anatrehan’ny loham-pianakavian’i Israely, any Jerosalema, amin’ny efitrano eo an-tranon’i Iaveh.»
30 Dia noraisin’ireo mpisorona sy Levita ny volafotsy amana volamena sy fanaka araka ny lanjany, hoentina ho any Jerosalema, ao an-tranon’ny Andriamanitsika.
31 Niala teo amin’ny ony Ahavà, tamin’ny andro faha-12n’ny volana voalohany izahay, ho any Jerosalema. Nomba anay ny tanan’ny Andriamanitray, ka namonjy anay tamin’ny tanan’ny fahavalo sy ny mpanotrika teny an-dalana.
32 Nony tonga tany Jerosalema izahay, dia niala sasatra hateloana.
33 Tamin’ny andro fahefatra dia nolanjaina tao an-tranon’ny Andriamanitray ny volafotsy sy ny volamena mbamin’ny fanaka, ho eo an-tanan’i Merimota zanak’i Oria, mpisorona; teo aminy koa i Eleazara zanak’i Finea; ary teo amin’izy ireo koa, i Jôzabada zanak’i Josoe, sy i Nôadiasa zanak’i Benoì.
34 Dia araka ny isany aman-danjany avokoa izy, ka nalatsaka an-tsoratra tamin’izany andro izany ny totalin’ny lanjany.
35 Ary nanatitra sorona dorana ho an’ny Andriamanitr’i Israely ny olona avy any amin’ny tany nahavoasesitany azy, dia ny zanaky ny fahababoana, ombalahy 12 ho an’i Israely rehetra, ondralahy 96, zanak’ondry 77, osy lahy 12, noho ny ota: natao sorona dorana ho an’i Iaveh izany rehetra izany.
36 Dia natolotr’izy ireo ny governora lehiben’nympanjaka mbamin’ny governora any an-dafin’ny ony, ny didin’ny mpanjaka, ka dia niaro ny vahoaka sy ny tranon’Andriamanitra ireo.