1. I ASOEROSY SY I VASTI
Fanasana nataon’i Asoerosy
1 Tamin’ny andron’i Asoerosy, ilay Asoerosy nanjaka hatrany India ka hatrany Etiôpia, tamin’ny faritany 127,
2 raha ilay nipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakany iny i Asoerosy mpanjaka, tao Sosa, renivohiny,
3 dia nanao fanasana ho an’ny andriandahy ama-mpandraharahany rehetra, tamin’ny taona fahatelo nanjakany. Tafavory teo anatrehany avokoa ny lehiben’ny foloalindahin’ny Persa sy ny Meda, ny lehibe sy governora isam-paritany:
4 ary tamin’izay no nanamparany teo anatrehany ny voninahitry ny fanjakany tapitra ohatra sy ny famirapiratry ny fahalehibeazany kanto loatra, nandritra ny andro maro be, dia 180 andro.
5 Nony tapitra ireo andro ireo, nanao fanasana naharitra hafitoana ny mpanjaka, tao an-kianjan’ny zaridainan’ny tranon’ny mpanjaka, ho an’ny vahoaka rehetra, izay tao Sosa renivohiny, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra.
6 Nisy lamba temitra fotsy sy maitso ary manga teo, nifehy teo amin’ny masom-bolafotsy amin’ny kofehy rongony fotsy sy jaky tamin’ny andry marbra; nisy farafara volamena sy volafotsy nalahatra teo amin’ny lampivato pôrfira, marbra fotsy, hara, ary marbra mainty.
7 Kapoaka volamena samihafa endrika, no nampisotroana ny olona, ary be ny divai-mpanjaka naroso, fa nalala-tanana ny mpanjaka.
8 Araka ny didy dia samy nisotro tsy nisy nanery ny olona, satria raha ny nandidian’ny mpanjaka ny mpitandrina ny tranony, dia izay sitrapon’ny olona nasaina tsirairay avy no hafahina.
Raharaha momba an’i Vastì
9 I Vastì, mpanjakavavy koa, nanao fanasana ho an’ny vehivavy, tao amin’ny tranom-panjakàn’i Asoerosy mpanjaka.
10 Tamin’ny andro fahafito, raha ilay faly azon’ny divay iny ny fon’ny mpanjaka, dia nomeny teny izy fito lahy oenòka, i Maomàna, i Bazatà, i Harbônà, i Bagatà, i Abgatà, i Zetara ary i Karkasa, izay nanompo teo anatrehan’i Asoerosy,
11 hitondra an’i Vastì, mpanjaka vavy voasatroka diadema, ho eo anatrehany mba haneho ny hatsarany amin’ny vahoaka sy ny lehibe, fa tsara tarehy izy.
12 Nolavin’i Vastì mpanjakavavy anefany manaiky ny tenin’ny mpanjaka nentin’ny eonòka, ka tezitra mafy sy nirehi-pahatezerana ny mpanjaka.
13 Dia niteny tamin’ireo olon-kendry izay manam-pahaizana ny andro ny mpanjaka, fa toy izany no fanaovana ny raharahan’ny mpanjaka teo anatrehan’izay rehetra mahalala ny lalàna sy ny rariny.
14 Ary ny nanakaiky azy indrindra, dia izy fito lahy andriandahin’i Persa sy i Media, i Kasena, i Setara, i Admatà, i Tarsisa, i Maresa, i Marsanà ary i Mamokàna, izay nahita ny tavan’ny mpanjaka, sy nitana ny laharana voalohany teo amin’ny fanjakana.
15 «Lalàna inona, hoy izy, no hahatra amin’i Vastì mpanjakavavy, noho ny tsy nanekeny ny didin’i Asoerosy mpanjaka izay nomeny azy tamin’ny alalan’ny eonòka?»
16 Dia izao no navalin’i Mamokàna teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny andriandahy: «Tsy tamin’ny mpanjaka ihany no nanao ratsy i Vastì mpanjakavavy, fa tamin’ny andriandahy rehetra, mbamin’ny vahoaka rehetra, izay eny amin’ny faritanin’Asoerosy mpanjaka rehetra koa.
17 Fa ho fantatry ny vehivavy rehetra izao nataon’ny mpanjakavavy izao, ka hahatonga azy haniratsira ny vadiny isany, hanao hoe: ‹I Asoerosy mpanjaka nandidy ny hitondra an’i Vastì mpanjakavavy ho eo anatrehany, nefa tsy nankeo izy.›
18 Ka hatramin’izao anio izao ihany, ny andriambavin’i Persa sy i Media handre izao nataon’ny mpanjakavavy izao, dia hilaza azy amin’ny andriandahin’ny mpanjaka rehetra, ka ho faniratsirana aman-katezerana be no hitranga.
19 Koa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hisy didim-panjakana, haely hatraiza hatraiza amin’ny anarany, sady hosoratana ao amin’ny lalàn’ny Persa sy ny Meda, tsy ho azo dikaina, milaza fa tsy hiseho eo anatrehan’i Asoerosy mpanjaka intsony i Vastì mpanjakavavy, ary ny voninahitra hoe mpanjakavavy dia homen’ny mpanjaka ny vehivavy hafa tsaratsara kokoa noho izy.
20 Fa rehefa tafaely eran’ny fanjakany ny didin’ny mpanjaka, dia samy hanaja ny vadiny avy ny vehivavy rehetra, hatramin’ny lehibe indrindra ka hatramin’ny kely indrindra.»
21 Sitraky ny mpanjaka sy ny andriandahy izany hevitra izany, ka dia nanao araka ny tenin’i Mamokàna ny mpanjaka.
22 Nandefa taratasy ho any amin’ny faritaniny rehetra amin’ny fanjakany, nataony araka ny soratry ny isam-paritany avy, sy araka ny fitenin’ny isam-poko avy, nilaza fa ny lehilahy rehetra no tsy maintsy lohany ao an-tranony avy, ary izay fitenin’ny fireneny avy no hitenenany.