Famporisihan’i Mardokea an’i Estera
1 Nampitondra teny tamin’i Estera izy mba hidirany ao amin’ny mpanjaka, hanao fangatahana aminy, ho an’ny fireneny sy ny tanindrazany.
2 Tsarovy ny andron’ny fahambanianao, sy ny nameloman’ny tanako anao, fa i Amàna, ilay voalohany manarakaraka ny mpanjaka, efa niteny hamely antsika mba handringanana antsika.
3 Fa ianao kosa miantsoa ny Tompo, ary mitenena amin’ny mpanjaka ho anay, vonjeo amin’ny fahafatesana izahay.
Vakina amin’ny fiandohan’ny toko 5.
4 Tamin’ny andro fahatelo, nony tapitra ny fivavahan’i Estera, dia napetrany ny akanjo fivalozany, fa ny fihaingoam-piandrianany no niakanjoany.
5 Tao anatin’ny famirapiratan’ny haingony fatratra, nony efa niantso an’Andriamanitra ilay Tompo tokana sy Mpamonjy ny olon-drehetra izy aloha, dia nitondra azy roa vavy mpanaraka azy hiaraka aminy araky ny fomba.
6 Niankina tamin’ny anankiray izy hoatra ny ila tsy ho zakany ny tenany malemy;
7 ny iray kosa nanaraka avy ato aoriana, nanainga ny akanjo lavan’ity tompovaviny.
8 Voazavan’ny hatsaran-tarehiny mamirapiratra fatratra izy, ka miramirana ny tarehiny, maha-te ho tia ny endriny, fa ny fony kosa voagejan’ny tahotra.
9 Nony tafahoatra ny vavahady rehetra izy, dia niseho teo anatrehan’ny mpanjaka. I Asoerosy izany nipetraka teo amin’ny seza fiandrianam-panjakana, nitafy ny mari-piandrianany rehetra sy rakotra volamena amam-batosoa; nahatahotra ny toetr’endriny.
10 Nony nitraka ny lohany mandefa tsirim-boninahitra, dia fijery nirehi-pahatezerana no natopiny, ka torana ny mpanjakavavy, nivaloarika izy, sady nirona nankany amin’ny sorok’ilay ankizivavy nandeha teo alohany.
11 Fa novan’Andriamanitra ho halemem-panahy ny hatezeran’ny mpanjaka; velona ahiahy izy dia niantoraka avy amin’ny seza fiandrianany, nanohana an’i Estera tamin’ny sandriny, mandra-pahatsiarovany tena, ary nanony ny fivadiham-pony tamin’ny teny maneho fitiavana.
12 «Fa maninona ianao, ry Estera? hoy izy taminy; anadahinao aho, matokia,
13 tsy ho faty ianao, fa ho an’ny be sy ny maro ny didiko.
14 Avia!» Dia naingainy ny tehim-bolamena,
15 natehiny teo amin’ny vozony, sady norohany izy, sy nataony hoe: «Mitenena amiko.»
16 Ary hoy ny navaliny: «Toy ny Anjelin’Andriamanitra no nahitako anao, tompokolahy, nitebiteby ny foko azon’ny tahotra ny fiandriananao,
17 fa mendrika ny higagàna ianao, tompokolahy, ary mahatehotia ny tarehinao.»
18 Mbola miteny eo izy, dia nitambotsotra ndeha ho torana indray,
19 ka efa kivy ratsy ny mpanjaka, ary nifamonjy namelombelona ny mpanjakavavy ireo mpanompony rehetra.
Famonjen’i Asoerosy ny vahoaka Jody
Vakina manarakaraka ny toko 8,12
Vakina manarakaraka ny toko 8,12.
Izay manaraka eto no kôpian’izany taratasy izany.