Tetik’i Mardokea sy i Estera hisorohana ny loza
1 Nony nandre izany zavatra nitranga izany i Mardokea dia nandriatra ny fitafiany, nitafy lamba malailay, nihosin-davenona, nankany afovoan’ny tanàna, nanezaka nidradradradra mafy tamin’alahelo.
2 Ary tonga hatrany anoloan’ny vavahadin’ny mpanjaka, fa tsy azon’olona mitafy lamba malailay atao ny miditra ny varavaran’ny mpanjaka.
3 Tany any amin’ny faritany rehetra nahatongavan’ny teny aman-didin’ny mpanjaka koa, dia velom-pisaonana mafy ny Jody: nifady hanina izy ireo, nitomany, nidradradradra, ary maro aza no nandry tamin’ny lamba malailay aman-davenona.
4 Tonga nilaza izany zava-baovao izany tamin’i Estera ireo ankizy vaviny sy eonòkany, ka nivadi-po mafy ny mpanjakavavy. Nampanatitra lamba hitafian’i Mardokea izy, mba hanesorany ny lamba malailay teny aminy, kanefa tsy noraisiny izany.
5 Ka dia nantsoin’i Estera i Ataka, anankiray amin’ny eonòka napetraky ny mpanjaka eo aminy, nasainy nandeha hanontany an’i Mardokea izay anton’izany, sy izay nahatonga izany fisaonana izany.
6 Dia lasa i Ataka, nankeo amin’i Mardokea izay teo an-kianjan’ny tanàna anoloan’ny vavahadin’ny mpanjaka,
7 ary nambaran’i Mardokea taminy avokoa ny zava-nihatra taminy rehetra, sy ny tontalin’ny vola nampanantenain’i Amàna holanjaina hatao ao amin’ny rakitry ny mpanjaka, ho valin’ny famonoana ny Jody.
8 Nomeny azy koa ny kôpian’ny didynantsoina tao Sosa handringanana azy ireo, hasehony amin’i Estera sy hampahafantarany azy ny zavatra rehetra, ary nandidiany azy hankao amin’ny mpanjaka, hifona aminy sy hangataka famindram-po ho an’ny fireneny.
Jereo ny famporisihan’i Mardokea an’i Estera ao amin’ny toko 15,1-3.
9 Tonga i Ataka nanambara tamin’i Estera ny tenin’i Mardokea.
10 Fa nasain’i Estera nankany amin’i Mardokea indray i Ataka, hilaza hoe:
11 «Mahalala avokoa ny mpanompon’ny mpanjaka rehetra sy ny vahoaka amin’ny faritaniny, fa raha misy olona mankao amin’ny mpanjaka, ao amin’ny kianja anatiny, na lahy na vavy, nefa tsy nantsoina, dia lalàna tokana manameloka ho faty no hany ahatra aminy, afa-tsy raha toloran’ny mpanjaka ny tehim-bolamenany izy ka mahavelona azy amin’izany. Izaho anefa, telopolo andro izay no tsy nantsoina ho ao amin’ny mpanjaka.»
12 Nony efa nambara tamin’i Mardokea ny tenin’i Estera,
13 dia izao no nasainy navaly azy: «Aza mihevitra anakampo fa ho afaka irery amin’ny Jody rehetra ianao, satria ao an-tranon’ny mpanjaka.
14 Ary raha mangina ianao izao, dia hisy vonjy amam-panafahana ho an’ny Jody avy any an-kafa, fa ianao sy ny fianakavian-drainao kosa haringana! Ary iza moa no mahalala fa tsy ho amin’ny andro toy izany no nanandratana anao ho mpanjakavavy?»
15 Ka izao no nasain’i Estera navaly an’i Markôdea:
16 «Mandehana vorio àry ny Jody rehetra eto Sosa, ka manaova fifadian-kanina ho ahyianareo; aza mihinana na misotro mandritra ny hateloana, na andro na alina. Izaho koa hifady hanina miaraka amin’ireo ankizivaviko; raha efa izany dia hiditra ao amin’ny mpanjaka aho, na dia eo aza ny lalàna, ka raha tsy maintsy ho faty aho dia ho faty.»
17 Dia lasa i Mardokeananao izay rehetra nandidian’i Estera azy.
Jereo ao amin’ny toko 13,8–14,19, ny fivavahan’i Mardokea sy Estera