4. VALY FATIN’NY JODY
Fahafaham-baràkan’i Amàna
1 Ny alin’izay, tsy nety nahita tory ny mpanjaka, ka nasainy nalaina ny bokin’ny tetiarana dia ny Tantara, dia novakina teo anatrehan’ny mpanjaka izany;
2 ka sendra ny filazana ny nanambaràn’i Mardokea ny momba an’i Bagatàna sy i Taresa, ireo roa lahy eonòkan’ny mpanjaka, mpiambina ny lapa, izay nitady hamono an’i Asoerosy mpanjaka.
3 Ka hoy ny mpanjaka: «Inona moa no mba mari-boninahitra amam-pisandratana efa nomena an’i Mardokea noho izany?» – «Tsy mbola misy nomena azy na kely akory aza,» hoy ny mpanompon’ny mpanjaka izay nanana anjara raharaha teo aminy.
4 Dia hoy ny mpanjaka: «Iza no ao an-kianja?» – «I Amàna izany, efa tonga tao an-kianja ivelan’nytranon’ny mpanjaka, hangataka amin’ny mpanjaka ny hanantonana an’i Mardokea eo amin’ilay hazo efa namboarina ho azy.»
5 Ka hoy ireto mpanompon’ny mpanjaka namaly azy: «I Amàna io mitoetra ao an-kianja io.» Dia hoy ny mpanjaka: «Aoka hiditra izy.»
6 Nony niditra i Amàna, dia hoy ny mpanjaka taminy: «Inona no tokony hatao amin’izay olona tian’ny mpanjaka homem-boninahitra?» Ary hoy i Amàna anakampo: «Iza indray moa no ho tian’ny mpanjaka homem-boninahitra eo, afa-tsy izaho.»
7 Ka dia hoy i Amàna tamin’ny mpanjaka: «Ny hatao amin’ny olona tian’ny mpanjaka homem-boninahitra,
8 dia tokony halaina ny akanjo fiandrianana efa niakanjoan’ny mpanjaka, sy ny soavaly efa nitaingenan’ny mpanjaka, ary asiana satroboninahitra fiandrianana ny lohany,
9 dia atolotra ny iray amin’ireo lehiben’ny mpanjaka ambony izany fitafiana sy soavaly izany, dia hampiakanjoina an’izay olona tian’ny mpanjaka homem-boninahitra, sy hitondrana azy mitaingin-tsoavaly mamaky ny kianjan’ny tanàna, ary hiantsoany eo alohany hoe: Toy izao no atao amin’izay olona tian’ny mpanjaka homem-boninahitra!»
10 Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Amàna: «Alaonao faingana àry ny fitafiana sy ny soavaly araka ny voalazanao, ka ataovy izany amin’i Markôdea ilay Jody, mipetraka ao am-bavahadin’ny mpanjaka, aza asiana latsaka izay rehetra voalazanao.»
11 Koa nalain’i Amàna ny akanjo sy ny soavaly dia nampiakanjo an’i Mardokea izy, sy nitondra azy mitaingin-tsoavaly mamaky ny kianjan’ny tanàna, ary niantso teo alohany hoe: «Toy izao no atao amin’ny olona tian’ny mpanjaka homem-boninahitra.»
12 Dia niverina nankeo am-bavahadin’ny mpanjaka i Mardokea, ary i Amàna dia nody faingana nankany aminy, niferin’aina, nisaron-doha,
13 nitantara izay rehetra nanjò azy tamin’i Zaresa vadiny sy ireo sakaizany rehetra. Ary hoy ny olon-kendriny sy i Zaresa vadiny taminy: «Raha avy amin’ny taranaky ny Jody i Mardokea, izay efa niantomboka nahalavo anao teo anatrehany sahady, dia tsy ho azonao asiana na inona na inona, fa ianao mihitsy no ho lavo eo anatrehany.»
I Amàna eo amin’ny fanasan’i Estera
14 Mbola miteny aminy eo izy ireo dia indreo tonga ny eonòkan’ny mpanjaka, ka nitondra faingana an’i Amàna ho any amin’ny fanasana namboarin’i Estera.