Categories
Estera Grika

Estera Grika 7

1 Dia nankao amin’ny fanasan’i Estera ny mpanjaka sy i Amàna.

2 Tamin’io andro faharoa io, dia hoy indray ny mpanjaka tamin’i Estera tamin’ny fanasan’ny divay: «Inona no angatahinao, ry Estera, mpanjakavavy? Fa homena anao izany. Inona no irinao? Fa na dia ny antsasaky ny fanjakana aza, dia ho azonao.»

3 Ka hoy ny navalin’ny mpanjakavavy Estera: «Raha nahita fitia eo imasonao aho, ry mpanjaka ô, ka sitraky ny mpanjaka izany, dia omeo ahy ny aiko, fa izany no angatahiko, sy ny ain’ny fireneko, fa izany no iriko.

4 Fa namidy izahay, dia izaho sy ny fireneko, mba haringana, hovonoina, hofoanana. Raha namidy ho andevo sy mpanompo fotsiny izahay dia hangina ihany, fa izao, tsy hahonitra izay faty antoky ny mpanjaka akory ilay mpampahory.»

5 Dia niteny i Asoerosy, mpanjaka, nanao tamin’i Estera mpanjakavavy heo: «Iza moa izany, ary aiza loatra no misy izay olona asesiky ny fony hanao izany?»

6 Ka hoy ny navalin’i Estera: «Ny mpampahory, ny rafilahy, dia i Amàna io ratsy fanahy io.» Raiki-tahotra teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny mpanjakavavy i Amàna.

7 Tezitra loatra ny mpanjaka, ka nitsangana niala teo amin’ny fanasan’ny divay ho ao amin’ny zaridain’ny lapa, fa i Amàna kosa nijanona hangataka ny ainy amin’i Estera mpanjakavavy, satria hitany marina fa raha ny amin’ny mpanjaka dia ny fahaverezana no raikitra.

8 Nony niverina avy any amin’ny zaridain’ny lapa, ho ao an-trano fanasan’ny divay ny mpanjaka, indro i Amàna niankohokateo am-parafara nisy an’i Estera, ka hoy ny mpanjaka: «Andray! dia sahy misavika ny mpanjakavavy eto an-tranoko, ato an-dapa ve, ilay ity e?» Vantany vao naloaky ny vavan’ny mpanjaka izany teny izany, dia nisy nanarona ny tavan’i Amàna.

9 Ary i Harbôna, anankiray amin’ny eonòka, nilaza teo anatrehan’ny mpanjaka hoe: «Ao an-tranon’i Amàna izao, dia efa mitsangana ilay hazo, dimampolo hakiho ny haavony, namboarin’i Amàna ho an’i Mardokea, ilay niteny nahasoa ny mpanjaka.» Dia hoy ny mpanjaka: «I Amàna no ahantòny amin’izany!»

10 Ka dia nahanton’ny olona tamin’ilay hazo namboariny ho an’i Mardokea i Amàna. Ary nionona ny hatezeran’ny mpanjaka.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *