Fahitana ny boky
1 Dia hoy Izy tamiko nanao hoe:
«Mitsangàna, ry zanak’olona, fa hiteny aminao Aho».
2 Ary raha niteny tamiko izy, dia niditra tato anatiko ny Fanahy, sady nampitsangana ahy, ka nandre an’Ilay niteny tamiko aho.
3 Hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, indro ianao irahiko, ho any amin’ny zanak’i Israely, ho any amin’ireo vahoaka mpiodina izay niodina tamiko; fa efa nanota tamiko, mandrak’androany aza, ireo sy ny razany.
4 Ireo zanaka manao tarehy tsy mahalala menatra sy mafy fo ireo no anirahiko anao. Izao no holazainao aminy: Izao no tenin’i Iaveh, Tompo.
5 Ka na hihaino izy ireo, na tsy hihaino, – fa taranaka mpiodina izy – dia hahalala fa efa nisy mpaminany teo aminy.
6 Ary ianao, aza matahotra azy, ry zanak’olona, na matahotra izay teniny; fa miaraka amin’ny hery aman-tsilo ianao, sy miara-mitoetra amin’ny maingoka. Aza matahotra izay teniny na mivadi-po noho ny tarehiny, fa taranaka mpiodina izy.
7 Lazao aminy ihany ny teniko, na hihaino izy na tsy hihaino; fa mpiodina izy ireo.
8 Ary ianao, ry zanak’olona, henoy izao lazaiko aminao izao: Aza miodina tahaka izany taranaka miodina izany. Sokafy ny vavanao, ka hano izay omeko anao.
9 Dia nojereko, ka indro nisy tanana natsotra nankatỳ amiko, ary indro fa nitana horonan-taratasy.
10 Novelariny teo anoloako io, ka voasoratra ny tao anatiny sy ny teo ivelany; ary hira fisaonana amam-pitomaniana sy fitarainana no voasoratra teo.