Mamely an’i Amônita
1 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:
2 Ry zanak’olona, atodiho mankany amin’ny taranak’i Amôna ny tavanao, ka maminania ny hanjò azy ireo.
3 Lazao amin’ny taranak’i Amôna hoe: Mihainoa ny tenin’ny Tompo Iaveh! Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ianao nanakora hoe: «Hia! Hia!» ny amin’ny fitoerako masina satria efa voavetaveta, sy ny amin’ny tanin’i Israely, satria efa voarava, sy ny amin’ny taranak’i Jodà, satria lasan-ko babo izy ireo;
4 noho izany dia indro hatolotro hozakain’ny zanaky ny Atsinananakosa ianao; ka hanorina ny tobiny eo aminao izy ireo, sy hiorim-ponenana ao aminao; izy no hihinana ny voankazonao, sy hisotro ny ronononao.
5 Ary i Rabatahataoko tany fihinanan-drameva; ary ny tanin’ny taranak’i Amôna ho valan’ondry, dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho.
6 Fa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ianao niteha-tanana sy ningadon-tongotra, ary nifaly tao am-ponao tamin’ny fanesoanao rehetra, ny amin’ny momba ny tanin’i Israely;
7 noho izany dia indro Aho haninji-tanana aminao: hanolotra anao ho babon’ny firenena, hamongotra anao, eo amin’ny vahoaka, hanesotra anao tsy ho isan’ny tany; handringana anao Aho, ka ho fantatrao fa Iaveh Aho.
Mamely an’i Moaba
8 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho i Moaba sy i Seira manao hoe: «Indro ny taranak’i Jodà fa sahala amin’izao firenena rehetra izao ihany.»
9 noho izany dia indro hotatahako ny lanivoan’i Moaba, hatrany amin’ny tanàna, hatrany amin’ny tanànany, hatrany amin’ny faritry ny taniny, tabihan’ny tany, i Betjesimôta, i Beelmeôna, i Kariataìna.
10 Hotatahako hidiran’ny zanaky ny Atsinanana izy, toraky ny tanin’ny taranak’i Amôma, hatolotro hozakainy izy, mba tsy ho tsaroana intsony eny amin’ny firenena ny taranak’i Amôna.
11 Hanao fitsarana any amin’i Moaba Aho, ka ho fantany fa Iaveh Aho.
Mamely an’i Edôma
12 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho i Edôma namaly an-kalozana ny taranak’i Jodà, ka nanao heloka makadiry tamin’ny namaliany azy ireo;
13 noho izany dia izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Haninji-tanana amin’i Edôma Aho; ka haringako ny olona sy ny biby eo aminy; hataoko zary efitra, hatrany Temàna izy; ary ho lavon-tsabatra hatrany Dedana.
14 Ny hanaovako famalianaan’i Edôma, dia ny tanan’i Israely, vahoakako; hasiany araka ny hatezerako amam-pahavinirako i Edôma, ka ho fantany ny famaliako, – teny marin’ny Tompo Iaveh. –
Mamely an’i Tira
15 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ny Filistinina nanampatra ny famaliana, sady namaly an-kalozana, tamin’ny fanesoana ao am-po, mba handringana izao rehetra izao noho ny fankahalany tsy misy farany,
16 noho izany dia izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro Aho haninji-tanana amin’ny Filistinina, handringana ny Kretoà, ary handrava izay sisa monina eny amoron-dranomasina.
17 Hanao famaliana lehibe azy ireo Aho, hanasazy azy amin-katezerana mafy, ka ho fantany fa Iaveh Aho, rehefa mampihatra aminy ny famaliako Aho.