Fitomaniana ny faharavan’i Tira
1 Tamin’ny taona faha-11, andro voalohan’ny volana, tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:
2 Ry zanak’olona,
noho ny nitenenan’i Tira momba an’i Jerosalema
nataony hoe: «Hia! Hia!
vaky ilay vavahadin’ny firenena!
atỳ amiko indray no todihin’ny olona;
ka izaho ho feno; izy kosa efa zary efitra!»
3 noho izany, dia izao no lazain’ny Tompo Iaveh:
Indro, hiaviako ianao, ry Tira!
Hampiakatra firenena maro hamely anao Aho,
toy ny fampisondrotry ny ranomasina ny onjany.
4 Horavan’ireo ny mandan’i Tira,
sady harodany ny tilikambony;
haìliko lavitra azy no vovo-taniny;
ary hataoko toy ny vatolampy mangadihady izy;
5 dia ho fitoerana hanahazana harato,
ao afovoan’ny ranomasina izy,
fa efa niteny Aho – teny marin’ny Tompo Iaveh; –
ka ho babon’ny firenena izy.
6 Ny zanany vavyeny an-tanety
hovonoina amin’ny sabatra,
ka ho fantatra fa Iaveh Aho.
7 Fa izao lazain’ny Tompo Iaveh:
Indro, hoentiko avy any avaratra hamely an’i Tira,
i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna,
mpanjakan’ny mpanjaka,
mitondra soavaly aman-kalesy, mitaingin-tsoavaly,
omba-miaramila betsaka sy vahoaka maro.
8 Hovonoiny amin’ny sabatra ny zanakao vavy eny an-tanety,
hanorina manda hamelezana anao izy,
hanandratra tovon-tany hamelezana anao,
handahatra ny sokatra ampinga hanoherany anao.
9 Hanitsy ny fikapoky ny lohondry vy ho ao amin’ny mandanao,
ary handrava ny tilikambonao amin’ny faraingony.
10 Tsy erany ny habetsahan’ny soavaliny
ka ho tototry ny vovo-taniny ianao;
ary ho azon’ny firodorodon’ny mpitaingin-tsoavaly,
sy ny kodiarana aman-kalesy,
dia hihozongozona ny mandanao,
rehefa miditra amin’ny vavahadinao izy,
toy ny fiditry ny olona amin’ny tanàna voabanga.
11 Ny lalam-benao rehetra,
hohitsakitsahin’ny kitron-tsoavaliny;
ny olonao, hovonoiny amin’ny sabatra,
ary ny andrinao mafy, hazerany amin’ny tany.
12 Ny harenao, halainy; ny entam-barotrao, hobaboiny;
ny mandanao, harodany; ny lapa soanao, hazerany;
ary hariany eny amin’ny rano
ny vato aman-kazonao mbamin’ny vovokao.
13 Hataoko mitsahatra ny feon-kiranao,
ary tsy ho re intsony ny feon-dokanganao.
14 Hataoko vatolampy mangadihady ianao;
dia ho fitoerana fanahazana harato;
tsy haorina intsony ianao;
fa Izaho Iaveh, efa niteny,
– teny marin’ny Tompo Iaveh. –
15 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh amin’i Tira:
Ny fikotrokotroky ny fianjeranao,
rehefa hidridridridry ny maratra eo aminao,
rehefa handripaka, ny vonoana eo afovoanao,
moa va tsy hihorohoroan’ny nosy izany?
16 Hidina hiala amin’ny seza fiandrianany
ireo andrian’ny ranomasinarehetra;
hanesotra ny lambany,
hanala ny fitafiany misy amborodao;
hitafy fangorohoroana,
hitombina amin’ny tany,
hangovitra isan-tapak’andro,
ary ho talanjona noho ny aminao.
17 Hanao hira falahelovana anao izy,
ka hanao aminao hoe:
Endrey izao faharavanao izao,
ianao ilay nitsangana avy amin’ny ranomasina,
tanàna malaza, nahery teo amin’ny ranomasina,
ianao mbamin’ny mponina teo aminao,
nefa izy ireo izay nampahatahotra mafy teo iny
ny mponina rehetra ao amin’ny ranomasina.
18 Kanjo, ankehitriny, hangovitra ny nosy,
amin’ny andro hianjeranao,
ary ny nosy eo amin’ny ranomasina,
dia ho raiki-tahotra amin’ny iafaranao.
19 Fa izao no lazain’ny Tompo Iaveh:
Raha avy izay hanaovako anao ho tanàna haolo,
toy ireo tanàna tsy misy mponina;
rehefa hampiakarako ho eo amboninao ny rano lalina,
ka hanaforan’ny ranobe anao,
20 dia hampidiniko hiaraka amin’ireo nivarina any an-davaka, ianao,
ho any amin’ireo vahoaka fahagola;
ka hamponeniko any ambanin’ny tany,
any amin’ny fanginginana mandrakizay,
miaraka amin’ireo nivarina any an-davaka,
mba tsy honenana intsony ianao;
ary hanisy ravaka amin’ny tanin’ny velona Aho.
21 Hataoko zavatra mahatsiravina ianao;
ary tsy hisy intsony ianao;
hotadiavin’ny olona ianao, nefa tsy ho hitany intsony;
– teny marin’ny Tompo Iaveh. –