Categories
Ezekiela

Ezekiela 28

Teny mamely ny mpanjakan’i Tira

1 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

2 Ry zanak’olona, lazao ny mpanjakan’i Tira hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

Noho ny fonao nanandra-tena,

sady ianao nanao hoe: Andriamanitra aho,

no ipetrahako eo anivon’ny ranomasina,

seza fiandrianan’Andriamanitra;

nefa olombelona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsy akory,

na dia ataonao ho toy ny fon’Andriamanitra aza ny fonao!

3 – Indro ianao fa hendry noho i Daniela,

tsy misy zava-takona miafina aminao;

4 tamin’ny fahendrenao amam-pahalalanao,

nahazo harena ho anao ianao;

ka nahangona volamena sy volafotsy miavosa,

ho ao amin’ny rakitrao;

5 tamin’ny halehiben’ny fahendrenao, tamin’ny varotrao,

hampitombo ny harenao,

ka dia nanandra-tena ny fonao azon’ny harenao. –

6 Noho izany, izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

Satria nanao ny fonao

ho toy ny fon’Andriamanitra ianao;

7 noho izany dia indro, hitondra firenen-kafa hamely anao Aho,

dia firenena masiaka indrindra amin’ny firenena;

hotsoahiny ny sabany, hamelezana ny filohan’asan’ny fahendrenao,

ary hohamavoiny ny famirapiratanao.

8 Havarina any an-davaka ianao,

ka ho faty amin’ny fahafatesan’izay voavono

ao anatin’ny ranomasina.

9 Ianao va mbola hilaza hoe: «Andriamanitra aho,»

eo anatrehan’ny mpamono anao;

nefa olombelona ihany ianao,

fa tsy Andriamanitra tsinona,

eo an-tanan’izay mamono anao?

10 Toy ny fahafatin’ny tsy voafora no hahafaty anao,

amin’ny tanan’ny hafa firenena;

fa Izaho niteny, – teny marin’ny Tompo Iaveh. –

Ny nianjeran’ny mpanjakan’i Tira

11 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe: Ry zanak’olona, manaova falahelovana ny mpanjakan’i Tira;

12 ka lazao aminy hoe:

Izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

Ianao no tampon-dohan’nyfahalavorariana,

feno fahendrena, tapitra ohatra amin’ny hatsaran-tarehy,

13 tany Edena, sahan’Andriamanitra, ianao,

rakotry ny vatosoa:

dia sardoana, tôpazy, diamondra, krisôlita, ôniksa, jaspa,

safira, eskarbokla, emeraoda, ary volamena

nanana amponga tapaka aman-tsodina ho fanompoana anao

efa voaomana tamin’ny andro nahariana anao.

14 Ianao no Kerobima voahosotra hiaro,

napetrako tao amin’ny tendrombohitra masin’Andriamanitra;

tao ianao nandeha teo afovoan’ny vato mirehitra.

15 Lavorary ianao tamin’ny lalanao

hatramin’ny andro nahariana anao

ka hatramin’ny nisian-keloka teo aminao.

16 Tamin’ny fampitomboana ny varotrao,

dia tonga feno fanaovana an-keriny ao anatinao;

nanota ianao ka nariako

hiala teo amin’ny tendrombohitr’Andriamanitra,

ary nataoko levona ianao, ry Kerobima mpiaro,

teo afovoan’ny vato mirehitra.

17 Nanandra-tena noho ny hatsaran-tarehinao ny fonao;

nosimbanao ny fahendrenao azon’ny famirapiratanao,

ka nazerako amin’ny tany ianao,

sady natolotro ho fizahan’ny mpanjaka.

18 Noho ny fitomboan’ny helokao,

tamin’ny tsy fahamarinan’ny varotrao,

dia novetavetainao ny fitoeranao masina,

ka namoaka afo teo afovoanao Aho,

ka izy no nandevona anao;

dia nampanjarîko lavenona eny ambonin’ny tany ianao,

eo imason’izay rehetra nahita anao.

19 Izay rehetra nahalala anao, teo amin’ny firenena,

gaga foana noho ny aminao;

zary zava-mahatsiravina ianao;

ka tsy misy intsony ianao mandrakizay!

Teny mamely an’i Sidona

20 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

21 Ry zanak’olona, atodiho mankany Sidona ny tavanao, ka maminania ny aminy,

22 ataovy hoe:

Izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

Indro ho avy aminao Aho, ry Sidona;

hanome voninahitra ny Tenako eo aminao Aho.

Ho fantatry ny olona, fa Iaveh Aho,

rehefa manatanteraka fitsarana momba azy Aho,

sy manamasina ny Tenako eo aminy.

23 Hahatonga pesta hamely azy Aho;

ary hisy ra eny an-dalambeny;

hiampatrampatra eo aminy ireo voavono,

matin’ny sabatra izay hamely azy hatraiza hatraiza.

Dia ho fantatry ny olona fa Iaveh Aho.

Afaka amin’ny hafa firenena i Israely

24 Amin’izay tsy hisy intsony, ho an’ny taranak’i Israely,

izay tsilo mandoza, na roy mampangirifiry

eo amin’izay rehetra mifanila aminy

ka manao azy ho tsinontsinona;

dia ho fantatry ny olona fa Tompo Iaveh Aho.

25 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

Rehefa manangona ny taranak’i Israely,

avy any amin’ny firenena nampielezako azy Aho,

dia hanamasina ny Tenako eo amin’izy ireo,

eo imason’ny firenena;

ka honina eo amin’ny taniny,

izay nomeko an’i Jakôba, mpanompoko, izy ireo.

26 Honina ao izy tsy amin’ahiahy;

hanorin-trano sy hamboly voaloboka,

honina ao tsy amin’ahiahy izy ireo,

rehefa vitako ny fitsarana

an’izay rehetra mpifanila aminy sy maneso azy.

Dia ho fantatry ny olona fa Iaveh Andriamanitr’izy ireo Aho.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *