Ny andron’i Iaveh amelezany an’i Ejipta
1 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:
2 Ry zanak’olona, maminania ka ataovy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Midradradradrà ianareo! Endrey! izao andro izao!
3 Fa efa antomotra ny andro; antomotra ny andro ho an’i Iaveh! Andron-drahona! Io no fotoan’ny firenena!
4 Hisy sabatra ho tonga hamely an’i Ejipta; ary hisy fitebitebena mafy any Etiôpia, rehefa hiampatrampatra any Ejipta ny maratra ho faty, rehefa halaina ny hareny, sy horavana ny fanorenany.
5 Ny Etiôpianina, ny Libianina, ny Lidianina, ny hafa firenena isan-karazany, i Koba, sy ny zanaky ny tany vita fanekena, ho lavon-tsabatra miaraka aminy koa.
6 Izao no lazain’i Iaveh: Ho lavo ry zareo niankinan’i Ejipta, ary haetry ny fiavonavonan’ny heriny: Hatrany Migdôla ka hatrany Siena, dia ho lavon-tsabatra ny olona, – teny marin’ny Tompo Iaveh. –
7 Ho lao eo amin’ny tany lao izy; ary ho rava eo amin’ny tanàna rava ny tanànany.
8 Dia ho fantatry ny olona fa Iaveh Aho, raha avy izay handoroako an’i Ejipta sy hahatorotoro an’izay rehetra manampy azy.
9 Amin’izany andro izany, hisy iraka avy amin’ny Anarako handeha an-dakana hampitebiteby an’i Etiôpia izay mitoetra tsy amin’ahiahy, ka hisy fanahiana lehibe any aminy, toy ny tamin’ny andron’i Ejipta, fa indro tonga izy io.
10 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Hampitsahatra ny tabataba ben’i Ejipta Aho, amin’ny tanan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna.
11 Izy mbamin’ny vahoakany miaraka aminy, firenena masiaka noho ny hafa rehetra, no hoenti-mandrava an’i Ejipta; hanatsoaka sabatra hamelezana an’i Ejipta izy, ka hameno faty ny tany.
12 Ny ony hovako ho tany maina; ny tany hatolotro eo an-tanan’ny olona masiaka; ary ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy, horavako, amin’ny tanan’ny hafa firenena. Izaho Iaveh no niteny.
13 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Hofoanako ny sampim-betaveta, holevoniko ny andriamanitra tsy izy ao Nôfa, tsy hisy mpanapaka intsony, avy amin’ny tany Ejipta, ary hanidinako tahotra ny tany Ejipta.
14 I Patrôsa horavako; i Tsôana hodorako; i Nô, hanatanterahako fitsarana;
15 hampidina ny hatezerako amin’i Sina, trano mimandan’i Ejipta; ary hofongorako ny vahoaka be any Nô.
16 I Ejipta hodorako; i Sina, hiolanolana mijaly; i Nô halana an-keriny; ary i Nôfa, hanihim-pahavalo antoandrobe.
17 Ny zatovon’i Avena sy i Bobasta, ho lavon-tsabatra; ary ny tenan’izy ireo ho lasan-ko babo.
18 Ao Tafnesa ho maizina ny andro, raha avy izay hanapahako ao ny jiogan’i Ejipta, sy hitsaharan’ny fiavonavonan’ny heriny; ho voasaron-drahona izy, ary ho lasan-ko babo ny zanany vavy.
19 Hanao fitsarana an’i Ejipta Aho, ka ho fantatry ny olona fa Iaveh Aho.
20 Tamin’ny taona faha-11, volana voalohany, andro fahafiton’ny volana, tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:
21 Ry zanak’olona, ny sandrin’i Faraôna mpanjakan’i Ejipta,
dia notapahiko, ka indro tsy notsaboina,
tsy nasiam-panafody na nopetahana bandy,
hitsaboana azy mba hahatanjaka azy, hahatan-tsabatra.
22 Ka izao no lazain’ny Tompo Iaveh:
Indro Aho ho avy, amin’ny Faraôna mpanjakan’i Ejipta;
hotapahiko ny sandriny roa,
na ny mbola matanjaka na ilay efa tapaka,
ary hataoko latsaka ny sabatra eny an-tanany.
23 Haeliko any amin’ny firenena ny Ejiptianina,
ary hahahako any amin’ny tany.
24 Fa ny sandrin’ny mpanjakan’i Babilôna, hohatanjahiko,
ary ny sabatro, hataoko eo an-tanany;
hotapahiko kosa ny sandrin’i Faraôna
ka hitoloko eo anoloany izy, toy ny fitolokon’ny maratra ho faty.
25 Ny sandrin’ny mpanjakan’i Babilôna, hohatanjahiko;
ny sandrin’i Faraôna kosa hianjera;
ary ho fantatry ny olona fa Iaveh Aho,
rehefa ataoko eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna ny sabatro;
ka hoentiny mamely ny tany Ejipta.
26 Haeliko any amin’ny firenena ny Ejiptianina,
ary hahahako any amin’ny tany izy;
dia ho fantatry ny olona fa Iaveh Aho.