1 Fa ao amin’ny zavatra rehetra ny fanahinao tsy azo angolena,
2 ka izany no amaizanao izay lavo amin’ny sazy antonony, ary raha manota izy, anarinao sy tsininao mba hialany amin’ny haratsiany, sy hinoany anao, ry Tompo.
Tsy nivatravatra tamin’i Kanaana Andriamanitra
3 Efa halanao ny mponina talohateo amin’ny taninao masina,
4 satria nifototra tamin’ny asan’ny fankatoavana maharikoriko,
5 sy tamin’ny fomba manohitra ny fivavahana, ary namono zaza tamin-kalozana, nihinana nofon’olona sy nisotro ra. Ireo nampianarina fomba vetaveta maizimaizina,
6 ireo ray aman-dreny mpamono olona tsy mana-mpiaro, dia nokasainao naringan’ny tanan’ny razanay,
7 mba handraisan’io tany nomenao haja noho ny hafa rehetra io, an’ireo zanak’Andriamanitra ho voanjo mendrika.
8 Noho ny maha-olombelona azy ireo anefa, nanao famindram-po Ianao, ka fanenitra no nalefanao, ho toy ny lohalalana amin’ny tafikao, hamono azy tsikelikely.
9 Tsy dia noho ny tsy fahazoanao mamono ireo tsy mpivavaka ireo, amin’ny ady milamina, amin’ny tanan’ny marina; na mandringana azy indray maka monja, amin’ny biby masiaka; na amin’ny didy mafy;
10 fa tamin’ny nanaovanao ny fitsarànao mandroso miandalandalana, dia nomenao fotoana hibebahany izy, na dia fantatrao aza fa taranaka ratsy izy ireo, ary hatramin’ny fahaterahany no efa ratsy ka tsy hiova hevitra na oviana na oviana,
11 satria taranaka voaozona hatramin’ny niandohany.
Antony tsy nampivatravatra Azy
Tsy noho ny tahotrao olona akory koa, no nanehoanao famindram-po amin’ny fahotan’izy ireo.
12 Satria zovy moa no ho afa-milaza aminao hoe: Inona ity nataonao? Zovy no ho afa-manohitra ny fitsarànao? Zovy no hitaraina hamely anao, hisolo vava ny olon-dratsy? Zovy no hanome tsiny Anao mamono ny firenena nataonao? Zovy no hitsangan-kandahatra hiaro aminao ny olona mpanohitra ny fivavahana?
13 Fa tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao ihany, izay mitandrina ny zavatra rehetra, mba hanehoana fa tsy manao fitsarà-mitanila Ianao.
14 Tsy misy mpanjaka mpanao jadona efa nitsangan-kanohitra Anao, mba hiaro izay nofaizinao.
15 Kanefa noho Ianao marina, dia alaminao amim-pahamarinana ny zavatra rehetra, ary heverinao ho zavatra mifanohitra amin’ny fahefanao, ny manameloka izay tsy mendrika famaizana.
16 Fa ny fahefanao dia fanorenan’ny fahamarinana; ary noho Ianao Tompon’ny olona rehetra, no itondranao azy rehetra amim-pamindram-po.
17 Izay tsy mino ny fahefanao tsitoha no anehoanao ny herinao; ary izay mahalala an’izany dia ataonao mangaihay amin’ny hasahiany.
18 Fehezin’ny sitraponao ny herinao, ka mitsara amin-kamoram-po Ianao, ary mitondra anay amim-pamindram-po lehibe; satria eo aminao ny fahefana rehefa tianao.
Fianarana halaina amin’ny moramora ataon’Andriamanitra
19 Ny nanaovanao izany no nampianaranao ny vahoakanao fa tokony ho antra olona ny marina; sy nampidiranao fanantenana mahafaly amin’ny zanakao fa raha manota izy, omenao andro hibebahany.
20 Satria notsimbininao sy namindranao fo no famay ny fahavalon’ny mpanomponao, nefa mendri-kovonoin-ko faty izy ireny, ka nomenao andro amam-potoana hibebahana amin’ny haratsiany.
21 Fitsimbinana manao ahoana koa no hitsaranao ny zanakao, fa ny razan’izy ireo no efa nandray taminao fianianana amam-panekena nomban’ny fampanantenana tsara indrindra!
22 Koa raha faizanao izahay, dia kapohinao inarivo mihoatra noho izany ny fahavalonay, mba hampianaranao anay hihevitra ny hamoram-ponao, raha mitsara izahay; ary hanantena ny indrafonao, raha tsaraina izahay.
Avy namindra fo Andriamanitra dia mihenjana
23 Koa ny zavatra ratsy vetaveta nataony no nampijalianao ny olon-tsy marina izay nandany ny androny tamin’ny fahadalana.
24 Satria izy ireo dia efa nandroso loatra tamin’ny lalan’ny hadisoana, ka nanao ho andriamanitra ny biby ratsy indrindra; fa nety ho voafitaka tahaka ny zaza tsy vory saina izy ireo.
25 Ka noho izany dia tahaka ny fanao amin’ny zaza tsy vory saina, no famaizana maivana foana nalefanao hamely azy ireo.
26 Fa izay tsy nety tamin’ny famaizana maivana foana, dia hiharan’ny sazy tandrifin’ny ho avy amin’Andriamanitra.
27 Ireo nataony ho Andriamanitra no namay azy ireo, ka nifoabaka erỳ tamin’izany fijaliany izany; izay vao fantany Ilay niniany tsy ho fantatra taloha, ary nekeny fa Andriamanitra marina Izy. Izany no niharan’ny fanamelohana faran’izay mafy tamin’izy ireo.