I Ejipta sy i Israely; ireo biby ratsy sy ny papelika.
1 Ka dia zava-boaary ihany koa no nanasaziana azy ireo an-drariny, sy nampijaliana azy tamin’ny biby sesehena.
2 Ary ho solon’izany loza izany kosa, dia soa no nomenao ny vahoakanao, dia nanafa-po ny fahalianany fatratra Ianao, ka nanamboatra sakafo mahagaga ho azy, nanome papelika hohaniny.
3 hany ka ireo sasany moa na dia lian-kihinana aza, raha nahita ny biby kely nalefa hamely azy fa ratsy endrika, dia naloiloy ity zavatra nahaliana azy andavanandro aza, fa ireto sasany kosa, avy niari-kanoanana kelikely foana, dia indro nankatelina hanim-baovao.
4 satria tsy maintsy nampijalian’ny mosary tsy azony andosirana ireo voalohany, ireo mpampahory; ireto an-daniny kosa, hanehoana fotsiny ihany ny fijaliana manjò ny fahavalony.
I Ejipta sy i Israely; valala sy bibilava varahina.
5 Ary tokoa izany, satria raha avy izay niaretan’ireto ny fisamontotry ny biby masiaka sy nahafatesany tamin’ny kaikitry ny menarana miolikolika, tsy naharitra hatramin’ny farany ny hatezeranao; fa kelikely foana ihany no nitebiteben’izy ireo, ho fananarana azy,
6 dia nahazo mari-pamonjenaizy, mba hampahatsiaro azy ny didin’ny lalànao,
7 satria izay nitodika tany amin’izany dia sitrana, tsy noho ny zavatra hitan’ny masony anefa, fa noho Ianao, Mpamonjy ny olona rehetra.
8 Sady naneho tamin’ny fahavalonay koa Ianao tamin’izany, fa Ianao no mahafaka amin’ny loza rehetra.
9 Satria, izy ireo moa, matin’ny kaiki-balala mbamin’ny moka, ka tsy hita izay azo natao hamonjena ny ainy, fa mendrika azy ny hosaziana toy izany.
10 Ny zanaka kosa, tsy resin’ny kaiki-menarana be poizina, fa tonga namonjy sy nanasitrana azy ny indrafonao.
11 Mba hahatsiarovan’izy ireo indray ny teninao, no naharatra azy sy nahasitrana azy faingana indray, fandrao tonga hadinony daholo izany, ka very anjara amin’ny soa ataonao izy.
12 Tsy ahitra na fanafody no nahasitrana azy, fa ny teninao, ry Tompo, izay mahasitrana ny zavatra rehetra;
13 satria manam-pahefana hamelona sy hamono Ianao; mitondra ho eo am-bavahadin’ny fonenan’ny maty Ianao, dia mamerina avy any indray.
14 Ny mamono no hain’ny olombelona noho ny haratsiam-panahiny; fa ny mamerina ny fanahy efa tafavoaka, na manafaka ny fanahy efa voarain’ny Seoly dia tsy hainy.
I Ejipta sy i Israely; rano, havandra, orana, afo.
15 Ny mandositra ny tananao anefa, dia tsy azo atao.
16 Ry zareo mpanohitra fivavahana izay mihambo ho tsy mahalala anao, dia nokapohin’ny herin’ny sandrinao: rano be tsy fahita sy havandra, aman’orana tsy miantra no nampijaly azy, ary afo no nandevona azy.
17 Ny mahagaga indrindra dia izao: teo anatin’ny rano mamono ny zavatra rehetra, dia vao mainka nidedadeda ny afo; fa miady manampy ny marina izao rehetra izao.
18 Mbetika mihamalefaka ny lelafo, mba tsy hahalevona ny biby nalefa hamely ny mpanohitra ny fivavahana, ka ho fantany amin’ny fahitana an’izany, fa tanahin’ny fitsaran’Andriamanitra izy ireo.
19 Mbetika nidedadeda ao afovoan’ny rano izy; ka filelalela mahery noho izay antonona ny afo ny azy amin’izany, mba handevona ny vokatra rehetry ny firenena tsy tia fivavahana.
20 Hafa lavitra amin’izany kosa ny amin’ny vahoakanao fa novokisanao hanin’Anjely fa tsy miasa akory dia nomenao mofo voavoatra avy any an-danitramisy izay fankafizana rehetra, anandramana ny tsiro rehetra.
21 izany zava-pihinana avy aminao izany dia maneho ny halemem-panahinao amin’ny zanakao, ary izany mofo izany izay nifanaraka amin’izay irin’ny olona mihinana azy, dia nanjary izay tian’izy io.
22 Maharitra tsy miempo amin’ny herin’ny afo, ny oram-panala aman-dranomandrymba hahafantaran’izy ireo fa ny afo izay mirehitra ao amin’ny havandra, sy manjelanjelatra anatin’ny orana, dia mandevona ny vokatry ny fahavalony;
23 fa tsy nahalala intsony ny heriny, nony avy eo, mba hamelomany ny marina kosa.
24 Satria ny zava-boaary izay manaiky Anao, Mpahary azy, dia manampatra ny heriny hampijaly ny ratsy fanahy; fa milefaka kosa hampahita soa an’izay matoky Anao.
25 Ka noho izany dia nety nilefitra hanaraka izany fiovana rehetra izany ny zava-boaary, ka nanaiky ny didin’ny fahasoavanao, mpamelona ny zavatra rehetra, araka ny sitrapon’izay nanam-pilana avy:
26 mba hahalalan’ny zanakao tianao, ry Tompo, fa tsy ny voankazo samihafa karazana no mamelona ny olona, fa ny teninao no mitahiry an’izay mino Anao.
27 Satria izay mahatoha ny herin’ny afomandevona, dia miempo moramora, nony vao notanîn’ny tanamasoandro kely foana:
28 hampianarana ny olona rehetra fa tokony hialoha ny masoandro, amin’ny fisaorana Anao, sy fitsaohana Anao, alohan’ny andro miposaka.
29 Fa ny amin’ny tsy mankasitraka kosa, dia hiempo toy ny ranomandry ririnina ny fanantenany sy handeha toy ny rano foana.