Categories
Fahendrena

Fahendrena 6

Tokony hotadiavin’ny mpifehy rehetra ny fahendrena

1 Koa mihainoa, ry mpanjaka, ary mamantara; mihainoa ny fampianarana, ianareo mitsara hatramin’ny faran’ny tany.

2 Mampandria sofina, ianareo manapaka ny sarambabem-bahoaka, ianareo mirehareha amin’ny fifehezanareo vahoaka be.

3 Fantatro fa ny Tompo no nanome anareo ny hery, ary ny Avo Indrindra no nanome anareo ny fahefana, dia izy no handinika ny asanareo, sy hizaha toetra ny hevitrareo.

4 Noho ianareo izay mpanao raharaha amin’ny fanjakany tsy mbola nitsara ara-drariny, na nitandrina ny lalàna, na nandeha araka ny sitrapon’Andriamanitra;

5 dia hiantefa aminareo Izy mahatsiravina sy tampoka fa fitsarana mafy no hatao amin’izay mandidy.

6 Ny madinika, avela helokaamim-pamindram-po, fa ny manam-pahefana kosa faizana mafy.

7 Tsy misy olona hihemoran’Ilay Mpanjakan’ny olona rehetra, ary tsy misy olona ambony hiatoany amin-kenamaso; fa samy noarîny ny lehibe sy ny kely, ary samy ahîny na ireto na iretsy.

8 Nefa ny manam-pahefana hanaovana fitsapana mafy.

9 Koa dia ianareo no hitenenako, ry mpanjaka, mba hianaranareo ny fahendrena, ka tsy ho lavo ianareo.

10 Izay mitandrina ny lalàna masina, amim-pahamasinana, hohamarinina; ary izay mianatra azy hanan-kavaly.

11 Koa aoka hankamaminareo ny teniko; aoka haniry azy ianareo dia hahazo fampianarana.

Manaiky ho hita ny fahendrena

12 Ny fahendrena dia mamirapiratra, tsy mety matroka hatsarana; mora mahita azy ny olona raha tia azy izy, ary mora mahazo azy raha mitady.

13 Mitsena an’izay mitady azy izy, ary miseho aminy voalohany.

14 Izay mifoha maraina koa hitady azy, tsy mananosarotra, fa mahita azy mipetraka eo am-baravarany.

15 Satria ny mihevitra azy dia efa fahamalinana lavorary, ary ny miari-tory noho ny aminy, dia ho afaka ahiahy vetivety;

16 mandeha mivezivezy atsy amin’arỳ izy, mitady an’izay mendrika azy, miseho amin’ireny eny an-dalan’izy ireo izy amim-pihavanana, ary manampy azy amin’ny hevitra kasainy rehetra.

17 Fa ny fiandohan’ny fahendrena mahatoky dia ny faniriana ny fampianarana.

18 Ary ny miahy ny fianarana kosa mitarika ho amin’ny fitiavana, ny fitiavana mampitandrina ny lalàny, ny fitandremana ny lalàny ahazoana antoka ny tsy fahafatesana mandrakizay,

19 ary ny tsy fahafatesana mandrakizay ahazoan-toerana eo akaikin’Andriamanitra.

20 Noho izany, ny faniriana ny fahendrena, mampahazo fanjakana,

21 koa raha maminareo, ry mpanjakan’ny vahoaka, ny seza fiandrianana aman-tehim-panjakana; hajao ny fahendrena mba hanjaka mandrakizay.

Hohazavain’i Salômôna ny fahendrena

22 Fa ny hoe inona no fahendrena, ary inona no fiaviany, dia hasehoko izao, ary tsy hafeniko aminareo ny misterin’Andriamanitra. Hatomboko hatrany amin’ny fiandohan’ny nahariana ny zavatra, hasehoko mazava izay rehetra momba azy, ary tsy hivily hiala amin’ny marina aho.

23 Lavitra ahy ny hiara-dalana amin’ny fialonana mandevona! fa tsy mba manana anjara amin’ny fahendrena io, na dia kely aza.

24 Ny habetsahan’ny hendry dia famonjena ny tany; ary ny mpanjaka hendry dia fanambinana ny vahoakany.

25 Koa raiso àry ny fampianarana amin’ny teniko, dia hahita soa amin’izany ianareo.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *