Categories
Fanisana

Fanisana 33

Ireo toerana nitobiana, tamin’ny Eksaody

1 Izao no nitobian’ny zanak’i Israely nony nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta, araka ny antokony avy, ambanin’ny fitondran’i Môizy sy i Aarôna.

2 Nalatsak’i Môizy an-tsoratra ny toerana niaingana araka ny nitobiany manaraka ny didin’i Iaveh, ka izao avy no nitobiany araka ny niaingany:

3 Niala tao Ramsesa tamin’ny volana voalohany izy, tamin’ny andro faha-15n’ny volana voalohany. Ny ampitson’ny Paka dia tamin’ny tanana voasandratra no nivoahan’ny zanak’i Israely teo imason’ny Ejiptianina rehetra.

4 Ary ny Ejiptianina nandevina izay novonoin’i Iaveh teo aminy, dia ny lahy matoany rehetra, ary nahatran’i Iaveh tamin’ny andriamaniny koa ny fitsarana.

5 Nony niala teo Ramsesa ny zanak’i Israely, dia nitoby tao Sokôta.

6 Niala tao Sokôta izy, dia nitoby tao Etama, izay eo an-tsisin’ny efitra.

7 Niala tao Etama izy, dia nivily tao Fihahirôta, izay mifanandrify amin’i Beelsefôna, ka nitoby teo anoloan’i Magdalôma.

8 Niala teo anoloan’i Fihahirôta izy, dia nita ny ranomasina ho any an’efitra. Nony nandeha lalan-kateloana tany an’efitra Etama izy dia nitoby tao Marà.

9 Niala tao Marà izy dia tonga teo Elima izay nisy loharano 12, ka nitoby tao.

10 Niala tao Elima izy, dia nitoby teo amoron’ny Ranomasina Mena.

11 Niala teo amin’ny Ranomasina Mena izy, dia nitoby tany an’efitra Sina.

12 Niala tany an’efitra Sina izy, dia nitoby tao Dafkà.

13 Niala tao Dafkà izy, dia nitoby tao Alosy.

14 Niala tao Alosy izy, dia nitoby tao Rafidima, ary tsy nisy rano tao hosotroin’ny vahoaka.

15 Niala tao Rafidima izy, dia nitoby tany an’efitra Sinaia.

16 Niala tany an’efitra Sinaia izy, dia nitoby tao Kibrôta-Hataavà.

17 Niala tao Kibrôta-Hataavà izy, dia nitoby tao Aserôta.

18 Niala tao Aserôta izy, dia nitoby tao Retmà.

19 Niala tao Retmà izy, dia nitoby tao Remônfaresa.

20 Niala tao Remônfaresa izy, dia nitoby tao Lebnà.

21 Niala tao Lebnà izy, dia nitoby tao Resà.

22 Niala tao Resà izy, dia nitoby tao Keelatà.

23 Niala tao Keelatà izy, dia nitoby tao an-tendrombohitra Sefera.

24 Niala tao an-tendrombohitra Sefera izy, dia nitoby tao Aradà.

25 Niala tao Aradà izy, dia nitoby tao Makelôta.

26 Niala tao Makelôta izy, dia nitoby tao Tahata.

27 Niala tao Tahata izy, dia nitoby tao Tare.

28 Niala tao Tare izy, dia nitoby tao Metkà.

29 Niala tao Metkà izy, dia nitoby tao Hesmônà.

30 Niala tao Hesmônà izy, dia nitoby tao Môserôta.

31 Niala tao Môserôta izy, dia nitoby tao Bene-Jaakàna.

32 Niala tao Bene-Jaakàna izy, dia nitoby tao Hôr-Gadgada.

33 Niala tao Hôr-Gadgada izy, dia nitoby tao Jetebata.

34 Niala tao Jetebata izy, dia nitoby tao Hebrôna.

35 Niala tao Hebrôna izy, dia nitoby tao Asiôngabera.

36 Niala tao Asiôngabera izy, dia nitoby tao Kadesy.

37 Niala tao Kadesy izy, dia nitoby tany an-tendrombohitra Hôra, tao an-tsisin’ny tany Edôma.

38 Niakatra tao an-tendrombohitra Hôra i Aarôna mpisorona araka ny didin’i Iaveh, dia maty tao izy tamin’ny taona fahefapolo taorian’ny nivoahan’ny zanak’i Israely tany amin’ny tany Ejipta, volana fahadimy, andro voalohan’ny volana.

39 Efa 123 taona i Aarôna, tamin’izy maty tao an-tendrombohitra Hôra.

40 Ary ren’ilay Kananeanina mpanjakan’i Arada izay nonina teo Negeba amin’ny tany Kanaana fa hoe tamy ny zanak’i Israely.

41 Niala tao an-tendrombohitra Hôra izy, dia nitoby tao Salmonà.

42 Niala tao Salmonà izy, dia nitoby tao Fonôna.

43 Niala tao Fonôna izy, dia nitoby tao Obôta.

44 Niala tao Obôta izy, dia nitoby tao Ije-Abarima, amin’ny sisin-tanin’i Moaba.

45 Niala tao Ije-Abarima izy, dia nitoby tao Dibôn-Gada.

46 Niala tao Dibôn-Gada izy, dia nitoby tao Helmôn- Delbataïma.

47 Niala tao Helmon-Delbataïma izy, dia nitoby tao an-tendrombohitra Abarima tandrifin’i Nebao.

48 Niala tao an-tendrombohitra Abirama izy, dia nitoby tao amin’ny tany lemak’i Moaba, amoron’i Jordany, tandrifin’i Jerikô.

49 Ny moron’i Jordany nitobiany, dia hatreo Betsimôta, ka hatrany Abela-Setima amin’ny tany lemak’i Moaba.

Fizarana amin’i Kanaana. Didy avy amin’Andriamanitra

50 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh, tao amin’ny tany lemak’i Moaba amoron’i Jordany tandrifin’i Jerikô nanao hoe:

51 Mitenena amin’ny zanak’i Israely hoe: Rehefa tafita an’i Jordany ianareo, ka efa any amin’ny tany Kanaana,

52 dia roahy eo alohanareo ny mponina rehetra amin’ny tany, fongory avokoa ny vato misy sarin-javatra voasikotra, mbamin’ny sary anidina rehetra, ary ravao daholo ny fitoerana avony rehetra;

53 dia alao ho anareo ny tany, ka oneno, fa efa nomeko anareo ny tany hanananareo azy.

54 Filokana no hizarànareo ny tany araka ny fokonareo avy: ny maro isa homenareo anjara loka bebe kokoa, ny vitsy isa homenareo anjara lova kelikely kokoa; ka izay ho azony amin’ny filokana no ho anjarany avy; horaisinareo ho fanananareo araka ny fokom-pianakavianareo avy izany.

55 Fa raha tsy roahinareo eo alohanareo kosa ny mponina amin’ny tany dia ho tsilo amin’ny masonareo sy fitsindrona amin’ny lanivoanareo izay sisa tavela aminy. Ka ny fanao amin’ny fahavalo no hataony aminareo amin’ny tany honenanareo.

56 Ary Izaho hampihatra aminareo izay nokasaiko hatao aminy.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *