Categories
Fanisana

Fanisana 34

Faritr’i Kanaana

1 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

2 Mandidia ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Rehefa tafiditra any amin’ny tany Kanaana ianareo, izao no tany ho tonga zara taninareo: ny tany Kanaana araka ny mamaritra azy.

3 Ny lafiny atsimo amin’ny taninareo dia ny efitra Sina, hatrany Edôma, ka ny faritrareo atsimo dia hatramin’ny faran’ny Ranomasin-tSira any atsinanana,

4 dia miolaka mianatsimo amin’ny fiakarana Akrabima ny faritrareo, dia mandalo any Sina, mandroso hatrany atsimon’i Kadesy-Barne, mitohy amin’ny Hatsar-Adara, mihazo any Asemôna,

5 ary hatreo Asemôna, dia mipaka hatrany amin’ny riakan’i Ejipta, sy mihatra amin’ny ranomasina.

6 Ny faritra andrefana kosa, dia ny ranomasina Lehibe no ho faritrareo; io no hamaritra anareo amin’ny andrefana.

7 Izao no sisin-taninareo amin’ny avaratra. Avy ao amin’ny ranomasina Lehibe, dia hofaritanareo mihazo any an-tendrombohitra Hôra;

8 avy ao an-tendrombohitra Hôra, dia hofaritanareo mankao amin’ny vavahadin’i Hamata ka tonga hatrany Sedada io faritra io;

9 dia hitohy amin’ny Jefrôna sy ho tafapaka any Hatsar-Enàna: Izany no ho faritrareo amin’ny avaratra.

10 Ny sisin-taninareo any atsinanana dia hatreo Hatsar-Enàna ka hatrany Sefama;

11 ary ny faritra dia midina avy eo Sefama mankany Reblà, atsinanan’i Aïna; dia mbola midina mitohy manaraka ny havoana eo an-tsisin’ny ranomasina Kenereta any atsinanana,

12 ary midina ny faritra manaraka ny moron’i Jordany ka tafapaka hatramin’ny Ranomasin-tSira. Izany no ho taninareo araka ny faritra manodidina azy.

13 Izao no nandidian’i Môizy ny zanak’i Israely nataony hoe: Izany no tany hozarainareo amin’ny filokana sy nodidian’i Iaveh homena ny foko sivy sy ny antsasa-poko.

14 Fa ny fokon’ny zana-dRobena araka ny fokom-pianakaviany avy, sy ny fokon’ny zanak’i Gada, araka ny fokom-pianakaviany avy, dia efa samy nandray ny azy, ny antsasaky ny fokon’i Manase efa nandray ny lovany.

15 Samy efa naka ny anjara lovany atỳ an-dafin’i Jordany hitsin’i Jerikô amin’ny lafiny any atsinanana, amin’izay hiposahan’ny masoandro, ny foko roa sy ny antsasa-poko.

Ireo notendrena hizara ny tany

16 Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

17 Izao no anaran’ny lehilahy hizara ny tany aminareo: Eleazara, mpisorona, sy Jôsoe, zanak’i Nona.

18 Ary lehilahy iray isam-poko no halainareo hizara ny tany,

19 ka izao no anaran’ireo lehilahy ireo: Kaleba zanak’i Jefone, amin’ny fokon’i Jodà,

20 Samoela zanak’i Amioda amin’ny fokon’i Simeôna,

21 Elidada zanak’i Kaslôna amin’ny fokon’i Benjamina,

22 Boksỳ izay filohany, zanak’i Jôglỳ amin’ny fokon’ny zanak’i Dana.

23 Ny amin’ny zanak’i Josefa: Haniela izay filohany, zanak’i Efôda, amin’ny fokon’ny zanak’i Manase;

24 ary Kamoela izay filohany, zanak’i Seftàna amin’ny fokon’ny zanak’i Efraima;

25 Elisafàna, izay filohany, zanak’i Farnàka, amin’ny fokon’ny zanak’i Zabolôna

26 Faltiela izay filohany, zanak’i Ozana, amin’ny fokon’ny zanak’i Isakara;

27 Ahioda izay filohany, zanak’i Salômỳ, amin’ny fokon’ny zanak’i Asera;

28 Fedaela izay filohany, zanak’i Amioda, amin’ny fokon’ny zanak’i Neftalì.

29 Ireo no nodidian’i Iaveh hizara ny tany Kanaana amin’ny zanak’i Israely.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *