Categories
Fanisana

Fanisana 8

Ny jiro eo amin’ny fanaovan-jiro

1 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:

2 «Mitenena amin’i Aarôna, ka lazao aminy hoe: Rehefa mametraka ny lalampy eo amin’ny fanaovan-jiro ianao, dia ataovy manazava eo anoloan’ny fanaovan-jiro ny lalampy fito.»

3 Dia nataon’i Aarôna izany, napetrany eo amin’ny anoloan’ny fanaovan-jiro ny lalampy araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

4 Ny fanaovan-jiro, dia volamena tefy manta avokoa, hatramin’ny faladiany ka hatramin’ny voniny. Môdely nasehon’i Iaveh an’i Môizy no nanaovany azy

Atokana ho an’i Iaveh ny Levita

5 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:

6 «Avaho amin’ny zanak’i Israely ny Levita, ka diovy. Toy izao no hanadiovanao azy:

7 Fafazo rano fanonerana izy: aoka izy hanaratra ny tenany rehetra sy hanasa ny fitafiany, dia hidio izy.

8 Dia haka vantotr’ombalahy iray izy ireo mbamin’ny fanatitra momba azy, dia lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo, ary haka vantotr’ombalahy iray hafa ianao, ho sorona noho ny ota.

9 Hasainao mandroso eo anoloan’ny trano lay fihaonana ny Levita, ary hovorìnao ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra.

10 Ny Levita, hasainao manatona eo anatrehan’i Iaveh, ary ny zanak’i Israely hametraka ny tanany amin’ny Levita.

11 I Aarôna hanolotra ny Levita ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’i Iaveh, avy amin’ny zanak’i Israely, mba ho voatokana hanao ny fanompoan’i Iaveh izy ireo.

12 Ny Levita hametra-tanana amin’ny lohan’ny ombalahy, ka ny iray hatolotrao ho sorona noho ny ota, ary ny iray ho sorona dorana ho an’i Iaveh, mba hanaovana ny fanonerana ho an’ny Levita.

13 Dia asaovy mijoro eo anatrehan’i Aarôna sy ny zanany ny Levita, ka atolory ho fanatitra ahevaheva ho an’i Iaveh.

14 Havahanao amin’ny zanak’i Israely ny Levita, ka dia ho Ahy ny Levita;

15 ary raha efa izany, dia hiditra hanao fanompoana amin’ny trano lay fihaonana ny Levita. Toy izany no hanadiovanao azy sy hanoloranao azy ho fanatitra ahevaheva.

16 Fa efa nomena Ahy mihitsy izy eo afovoan’ny zanak’i Israely; nalaiko ho Ahy, ho solon’ny lahy rehetra voalohan-teraky ny reniny izy,

17 dia ny lahy matoan’ny zanak’i Israely rehetra, na amin’ny olona na amin’ny biby; tamin’ilay andro namelezako ny lahy voalohan-teraka rehetra tany amin’ny tany Ejipta, no nanokanako azy ho Ahy.

18 Ary ny Levita no nalaiko ho solon’ny lahy matoan’ny zanak’i Israely rehetra;

19 dia natolotro mba ho an’i Aarôna sy ny zanany mihitsy ny Levita eo amin’ny zanak’i Israely mba hanao ny fanompoan’ny zanak’i Israely ao amin’ny trano lay fihaonana, mba hanao ny fanonerana ho an’ny zanak’i Israely, mba tsy ho voan’ny loza na inona na inona ny zanak’i Israely, rehefa hanakaiky ny fitoerana masina.»

20 Dia nataon’i Môizy sy i Aarôna mbamin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra tamin’ny Levita, izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy momba ny Levita; izany no nataon’ny zanak’i Israely tamin’izy ireo.

21 Nandio tena sy nanasa ny fitafiany ny Levita, ary i Aarôna nanolotra azy ho fanatitra ahevaheva teo anatrehan’i Iaveh sy nanao ny fanonerana ho azy ireo, mba hanadio azy;

22 raha efa izany dia niditra ny Levita nanao ny fanompoany tao amin’ny trano lay fihaonana teo anatrehan’i Aarôna sy ny zanany. Araka izay nandidian’i Iaveh an’i Môizy ny amin’ny Levita, dia araka izany no natao tamin’izy ireo.

Taona hiasany

23 Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:

24 «Izao ny amin’ny Levita: Hatramin’ny 25 taonano ho miakatra, dia hilatsaka hanao ny fanompoana momba ny trano lay fihaonana izy ireo hanaovany raharaha ao.

25 Rehefa dimampolo taona izy, dia hiala amin’ny raharaha ka tsy hanao ny fanompoana intsony.

26 Hanampy ny rahalahiny ihany izy ao an-trano lay fihaonana, hitandrina izay rehetra tsy maintsy arahina, fa tsy hanao ny fanompoana intsony izy. Izany no hataonareo amin’ny Levita momba ny raharahany.»

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *