Categories
Fitomanian’i Jeremia

Fitomanian’i Jeremia 3

FITOMANIANA FAHATELO

1 Izaho no ilayolona nahita ny fahoriana

tamin’ny tsora-kazon’ny fahatezerany.

2 Nentiny sy nampandehaniny aho

tamin’ny haizina fa tsy tamin’ny mazava.

3 Izaho irery no asiany

dia asian’ny tanany mandritra ny andro.

4 Ny nofo aman-koditro, nataony korotika;

ny taolako notapatapahiny.

5 Nanorina izay hamelezany ahy izy;

notemerany ny mangerokeroka sy mahasorisorena aho.

6 Nampitoeriny amin’ny maizina,

toy ny efa maty fahagola aho.

7 Nohodidininy tamboho aho, tsy ho afa-mivoaka;

novesarany gadra vy.

8 Na mitaraina sy miangavy aza aho,

tampenany avokoa ny fidiran’ny fivavahako.

9 Notampenany vato voapaika ny lalako;

nakorokorony ny sakeli-dalako.

10 Mova izy amiko tsy ny orsa manotrika

sy ny liona manotrika iny.

11 Naviliny ny lalako, dia noviravirainy aho,

ka nataony fandao!

12 Nanenjika ny tsipìkany izy; dia izaho no napetrany

hokendreny amin’ny zana-tsipìkany.

13 Natanterany ny valahako

ny zanaky ny tranon-jana-tsipìkany;

14 efa fihomehezan’ny vahoakako rehetra aho,

ataony an-kira mandritra ny andro.

15 Novokisany zava-mangidy aho,

nobobòhany absinta.

16 Nampikosohiny fasika ny nifiko;

nasitriny tao anaty lavenona aho.

17 Ny fanahiko voasintona mafy lavitra ny fahatokiana,

ny fifaliana efa hadinoko,

18 ka hoy aho: «Very ny heriko,

mbamin’ny fanantenako an’i Iaveh.»

19 Tsarovinao ny fahoriako amam-pijaliako,

ny absinta aman’afero!

20 Mahatsiaro izany mandrakariva ny fanahiko,

ka reraka ato anatiko izy.

21 Izao no hotsarovako ato anatin’ny foko,

ka dia izany no mba hanantenako.

22 Famindram-pon’i Iaveh no tsy nahalany ritra antsika,

fa tsy lany ny famindram-pony.

23 Mihavao isa-maraina izany;

lehibe ny fahamarinanao!

24 I Iaveh no anjarako, hoy ny fanahiko,

koa Izy no hanantenako.

25 Tsara fo i Iaveh amin’izay manantena Azy,

amin’ny fanahy mitady Azy.

26 Tsara ny miandry amim-panginana,

ny famonjen’i Iaveh.

27 Tsara ho an’ny olona ny mitondra

ny jioga hatramin’ny fahatanorany.

28 Aoka hitoetra irery amim-panginana izy,

raha ampitondrain’Andriamanitra an’izany.

29 Aoka hanohoka ny vavany amin’ny vovoka izy;

angamba misy hantenaina!

30 Aoka hanolotra ny takolanyamin’izay mamely azy izy;

aoka hivoky latsa izy!

31 Satria ny Tompo tsy manary mandrakizay;

32 fa raha mampahory Izy, dia mangoraka,

araka ny famindram-pony lehibe;

33 Ary tsy satriny ny manetry,

na mampahory ny zanak’olombelona.

34 Raha hitsakitsahin’ny olona amin’ny tongony,

ny babo rehetra amin’ny tany;

35 raha manana ny rariny no ampandeferin’ny olona,

eo anatrehan’ny Avo indrindra;

36 raha misy mampidi-doza ny olona amin’ny adiny,

moa tsy ho hitan’ny Tompo va izany?

37 Iza moa no niteny, dia tanteraka izany,

raha tsy efa voadidin’ny Tompo?

38 Tsy avy amin’ny vavan’ny Avo Indrindra va no mivoaka

ny soa sy ny loza?

39 Ka ahoana no itarainan’ny olombelona raha mbola velona izy?

Aoka ny fahotany avy no sampy hitarainany!

40 Aoka isika samy handinika ny lalany sy hamantatra azy,

ka hiverina amin’i Iaveh,

41 amin’Andriamanitra any an-danitra:

Asondroty ny fontsika mbamin’ny tanantsika.

42 Izahay dia efa nanota, efa niodina;

Ianao tsy namela heloka.

43 Nisarona ny fahatezeranao Ianao, dia nejehinao izahay,

novonoinao tsy nanananao antra:

44 Nisarona rahona Ianao,

tsy hisy hidiran’ny fivavahana.

45 Nataonao fakofako amam-paikan-javatra

eo afovoan’ny firenena izahay.

46 Misanasana vava aminay avokoa

ny fahavalonay rehetra;

47 ny tahotra aman-davaka no anjaranay,

sy ny fandravana amam-pandringanana.

48 Ranomaso mandriaka no mijononòka amin’ny masoko,

noho ny fandravana ny zanaka vavin’ny vahoakako.

49 Mitomany tsy mijanona ny masoko,

satria tsy misy hiainana,

50 mandra-pitsinjony sy ijeren’i Iaveh

any an-tampon’ny lanitra.

51 Mampidi-pahoriana amin’ny fanahiko ny masoko,

noho ny amin’ireto zanaka vavin’ny tananako rehetra.

52 Manenjika ahy, hoatra ny fanenjika fody,

ireo mpankahala ahy tsy ahoana tsy ahoana.

53 Nitady hamono ny aiko tao anatin’ny lavaka izy ireo,

dia efa nandatsaka vato hanindry ahy.

54 Nisondrotra mihoatra ny lohako ny rano,

ka hoy aho: «Maty aho!»

55 Iaveh ô, niantso ny Anaranao

tany anaty lavaka lalina aho.

56 Renao ny feoko: «Aza manentsin-tadìny,

amin’ny fisentoako, amin’ny fitarainako!»

57 Tamin’ny andro niantsoako anao, nanatona Ianao,

dia nanao hoe: «Aza matahotra!»

58 Tompo ô, niandraikitra ny adiko Ianao,

namonjy ny aiko.

59 Hitanao, ry Iaveh, ny anaovany an-keriny amiko,

omeo ny rariny aho!

60 Hitanao avokoa ny lolom-pony

sy ny fiokoan’izy rehetra hamely ahy.

61 Renao avokoa, ry Iaveh, ny latsa ataony,

ny fiokoan’izy rehetra hamely ahy,

62 ny resaky ny fahavaloko mbamin’ny fisainany

hamely ahy mandritra ny andro.

63 Jereo, fa na mipetraka izy ireo na mitsangana,

dia izaho no ataony an-kira.

64 Valio araka ny mendrika azy ireo izy, ry Iaveh ô!

araka ny asan’ny tanany.

65 ataovy jamba ny fony;

atokano ho azy ny ozonao.

66 Enjeho an-katezerana izy, ary fongory,

tsy ho etỳ ambanin’ny lanitr’i Iaveh!

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *