1 Loza ho an’izay mamoaka fitsarana tsy marina,
sy ho an’ny mpanoratra manoratra fanamelohana tsy ara-drariny.
2 Mampanalavitra ny tribonaly ny osa
sy manendaka ny rariny amin’izay ory eo amin’ny vahoakako;
ny mpitondratena ataony firemby;
ary ny kamboty fambabony!
3 Hanao ahoana re ianareo, amin’ny andro famangiana
sy amin’ny loza amin’antambo ho tonga avy lavitra?
Any amin’iza no handosiranareo, hamonjy anareo,
ary aiza no hanaovanareo ny harenareo?
4 Hany sisa hatao dia milefitra eo amin’ny babo,
na lavo eo amin’ny maty.
Na izany rehetra izany aza anefa, tsy nihodivitra ny hatezerany,
ary mbola mihinjitra ihany ny tanany.
Famelezana mpanjakan’i Asora
5 Loza ho an’i Asora, tsora-kazon’ny fahatezerako!
fiasàn’ny havinirako ny tehina eny an-tanany!
6 Irahiko izy hamely ny firenena mpankahala fivavahana,
omeko didy izy hamely ny vahoaka mahatezitra Ahy,
dia handroba sy hamabo,
ary hanosihosy azy, toy ny fotaka eny an-dalambe.
7 Kanjo tsy izany no heviny,
ary tsy izany no heverin’ny fony;
fa ny handringana no hany kendreny,
sy hamongotra firenena tsy an-kavitsiana.
8 Hoy izy: «Tsy mpanjaka avokoa va ny andriandahiko?
9 Tsy toa an’i Karkemisava no nahazo an’i Kalnô,
tsy toa an’i Arfada va no nahazo an’i Hamata?
ary tsy toa an’i Damasa va no nahazo an’i Samaria?
10 Toy ny nanakaran’ny tanako
an’ireo fanjakan’ny andriamanitra tsy mahomby,
izay mahery noho ny an’i Jerosalema sy i Samaria ny sampiny,
toy ny efa nataoko tamin’i Samaria sy ireo andriamaniny,
11 moa tsy toy izany koa va no hataoko amin’i Jerosalema
sy ny sary sampiny?»
12 Nefa izao no hitranga raha avy izay hahatanterahan’ny Tompo
ny asany manontolo, amin’ny tendrombohitra Siôna sy amin’i Jerosalema,
dia hosavako ny vokatry ny fo be anjonanjon’ny mpanjakan’i Asiria,
sy ny reharehan’ny masony miandranandrana.
13 Satria izy nanao hoe:
«Ny nahefàko izany dia noho ny herin’ny tanako,
sy noho ny fahendreko, satria mahira-tsaina aho!
Ny faritanin’ny firenena, nafindrako,
ny hareny nobaboiko,
ary ireo nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany
dia nanongana azy Aho toy ny lehilahy mahery fo.
14 Toy ny fisambotra akany no nisamboran’ny tanako
ny haren’ny firenena,
ary toy ny fanangona atody nilaozana
no namoriako ny tany rehetra,
ka tsy nisy nikopa elatra,
na nisoka-bava na mba nikiaka akory!»
15 Mirehareha amin’ny tanana mampandihy azy va ny famaky,
miavonavona amin’izay mampandeha azy va ny tsofa?
Sa hoe: ny tsora-kazo indray va no manetsika izay manainga azy;
sa hoe: ny tehina indray no manangana izay tsy hazo!
16 Noho izany, ny Tompo, Iavehn’ny tafika,
haniraka faharerahana hamely ny mpiadinymatanjaka;
ary eo ambanin’ny voninahiny, hisy afo mirehitra,
toy ny afo amin’ny hain-trano.
17 Ny fahazavan’i Israely no ho afo;
ary ny Masiny no ho lelafo,
handroso sy handevona,
indray andro monja, ny tsilo sy ny heriny.
18 Ka ny voninahitry ny ala amam-boly hazo mamoa
hofoanany hatramin’ny fanahy ka hatramin’ny vatana;
hanahaka ny marary matin’ny singotr’àty izany.
19 Ho azo isaina ny hazo sisa any an’alany;
zaza iray dia hahalatsaka an-tsoratra azy.
Ny anarana hoe Sear-Iasob
20 Ary izao no hiseho amin’izany andro izany:
Ny sisa amin’i Israely ary izay afaka tsy lany amin’ny taranak’i Jakôba,
dia hitsahatra tsy hiankina amin’izay namely azy intsony,
fa hiankina amin’i Iaveh izy ireo
amin’ny masin’i Israely, tsy hivadika aminy.
Filazana mialoha, ny faharavana
21 Misy sisa hiverina, dia sisa amin’i Jakôba,
ho amin’ny Andriamanitra mahery.
22 Satria na dia hoatra ny fasika amin’ny ranomasina aza ny vahoakanao, ry Israely,
dia izay sisa eo ihany no hiverina;
ka efa raikitra ny fandringanana
hampisafoaka ny fahamarinana,
23 fa ny fandringanana efa naraikiny,
dia hotanterahin’ny Tompo, Iavehn’ny tafika, amin’ny tany rehetra.
Tenin’Andriamanitra
24 Izany no hilazan’ny Tompo, Iavehn’ny tafika hoe:
Aza matahotra na inona na inona avy amin’i Asora,
ry vahoakako monina any Siôna,
raha mamely anao amin’ny tsora-kazo izy,
ka manainga ny tehina aminao,
toa an’i Ejipta taloha.
25 Fa rehefa afaka kely foana,
dia hitsahatra ny hatezerako,
ary hifotitra aminy, handringana azy, ny fahavinirako.
26 Hanainga kotopia hamelezana azy i Iavehn’ny tafika,
toy ny namelezany an’i Madiàna, teo amin’ny vatolampin’i Oreba,
ary toy ny tehiny teny ambony ranomasina;
ary hoaingany izany toy ny taloha tany Ejipta.
27 Ka izao no hiseho amin’izany andro izany:
Ny entan’i Asora hoesorina eo an-tsorokao;
ary ny jiogany eo amin’ny vozonao,
ka ny tanjakao no hahavaky ny jioga.
Ilay mpanafika
28 Iny izy tonga ao Ajata, efa mamaky an’i Magrôna,
mametraka ny entany ao Makmasy.
29 Nihoatra ny hadilalana izy ireo,
nitoby tao Gabà tamin’ny alina;
raiki-tahotra mafy i Ramà,
vaky nandositra i Gabaan’i Saola.
30 Manaova antso fitarainana, ry zanaka vavin’i Galima!
mampandria sofina, ry Laisa! Indrisy, ry Anatôta mahantra!
31 Miparitaka i Medmenà,
lasa nandositra ny mponina ao Gabima.
32 Indray andro sisa, dia any Nobe izy;
hanainga tanana hamely ny tendrombohitry ny zanaka vavin’i Siôna izy,
hamely ny havoan’i Jerosalema!…
33 Indro ny Tompo, Iavehn’ny tafika,
mikapa ny sampan-kazo, ataony mikotrokotroka;
ny avo indrindra, voakapa;
ny lasa ambony indrindra voazera amin’ny tany.
34 Ny ala milobolobo voakapa amin’ny vy;
ary lavo i Libàna alamaky ny Mahefa anankiray.