Antsa fisaorana roa
1 Ka dia izao no holazainao amin’izany andro izany:
«Midera Anao aho, ry Iaveh, fa tezitra Ianao,
nefa nihodivitra ny hatezeranao,
ka mampionona ahy Ianao.
2 Inty ny Andriamanitry ny fahafahako;
matoky aho, fa tsy manan-tahotra;
fa ny heriko sy fiderako, dia i Iaveh, i Iaveh,
Izy no famonjena ahy teo.»
3 Hanovo rano an-kafalianaianareo amin’ny loharanom-pamonjena, ary izao no holazainareo amin’izany andro izany:
4 «Miderà an’i Iaveh, miantsoa ny Anarany;
torio amin’ny firenena ny asany lehibe,
ataovy antso avo, fa tafasandratra ny Anarany,
5 Mihirà ho an’i Iaveh fa nanao zava-mahagaga Izy;
ka aoka ho fantatra any amin’ny tany rehetra izany!
6 Miantsoa mafy, manaova firavoravoana, ry vehivavy mponina any Siôna,
fa lehibe eo afovoanao, Ilay Masin’i Israely!»