Categories
Izaia

Izaia 13

Teny famelezana an’i Babilôna

1 Faminanianamomba an’i Babilônanambaratamin’i Izaia, zanak’i Amôsa.

2 Manangàna faneva, eo amin’ny tendrombohitra mangadihady;

antsoy amin’ny feo avo izy ireo, hofay tanana izy,

handingana ny vavahadin’ireo mpanapaka.

3 Izaho kosa efa nanome didy an’ireo natokako,

ary efa niantso ireo lehilahy maheriko

hoentiko hahafa-po ahy amin’ny hatezerako,

izay miarahaba ny fiandrianako, amin’ny hobin-kafaliana.

4 Injany re ny horakoraka any an-tendrombohitra,

toa hahohahom-bahoaka be;

injany re ny tabataban’ny fanjakana,

ny firenena tafavory:

i Iavehn’ny tafika izany mampanao matso

ireo miaramilany mpiantafika.

5 Avy any an-tany lavitra,

avy any am-paravodilanitra izy ireo

dia i Iaveh sy ireo entiny manatanteraka ny fahatezerany

handravany ny tany rehetra.

6 Aoka hinaonaona ianareo,

fa antomotra ny andron’i Iaveh:

toy ny fandravana ataon’ny Tsitoha no fiaviny.

7 Noho izany ny tanana rehetra hiraviravy;

ny fon’ny olombelona rehetra ho reraka,

8 hangovitra izy, ho azon’ny tebiteby amam-panaintainana;

hiolanolana toy ny vehivavy miteraka izy;

sady hifampijery samy hitanàka foana eo;

ary hivoaramena hoatra ny afo ny tarehiny!

9 Indro tonga ny andron’i Iaveh,

andro fahalozàna, fahavinirana

sy firehetam-pahatezerana,

hampanjary ny tany ho efitra,

sy handringana ny mpanota eo.

10 Fa ny kintan’ny lanitra, sy antokon-kintany,

tsy handefa ny fahazavany hamirapiratra,

ny masoandro hihamaizina eo amin’ny fiposahany,

ary ny volana tsy handefa ny fahazavany.

11 Hosaziko izao tontolo izao noho ny faharatsiany;

ary ny ratsy fanahy noho ny helony;

hataoko mitsahatra ny fiandranandran’ny mpirehareha;

ary haetriko ny avonavon’ireo mpanjaka manao jadona.

12 Hataoko mahalana mihoatra noho ny volamena madio, ny olombelona;

mahalana mihoatra noho ny volamena avy any Ofira.

13 Noho izany, ny lanitra hampangovitiko;

ary ny tany hohozongozonina hiala amin’ny fitoerany,

azon’ny haviniran’i Iavehn’ny tafika,

amin’ny andro hirehetan’ny fahatezerany.

14 Amin’izany ny olona tahaka ny gazela enjehina,

tahaka ny biby fiompy tsy misy mpamory,

dia samy hitodika ny fireneny avy,

sy handositra ho any amin’ny taniny.

15 Izay hita rehetra ho voagorobaka,

izay voasambotra rehetra ho lavon’ny sabatra.

16 Ny zanany madinika homontsanina eo imasony,

ny tranony hobaboina ary ny vadiny hosavihina.

17 Indro hatsangako hamely azy ireo ny Meda,

izay tsy mandala volafotsy, tsy maniry volamena.

18 Ny tsipìkany handripaka ny zatovo;

ny naloaky ny kibo, tsy hananany antra;

ny zaza tsy hiantran’ny masony.

19 Ary i Babilôna, ilay ravaky ny fanjakana maro,

haingon’ny Kaldeanina be rehareha,

dia hanahaka an’i Sôdôma sy i Gômôra

izay noravan’Andriamanitra.

Tsy hisy mponina intsony ao aminy,

20 ary tsy honenana intsony amin’ny taona mifandimby izy;

ny Arabo tsy hanangan-day eo;

ary ny mpiandry biby tsy hametraka biby fiompy am-bala eo.

21 Fa ny bibidia eny an’efitra no hanao ny lavany eo,

ny vorondolo no hameno ny tranony;

ny ostritsa no honina any,

ary ny satira no hifalihavanja eo.

22 Ny amboadia no hierona ao an-dapany lao;

ary ny alikadia ao an-trano firavoravoany.

Efa antomotra ny fotoany,

ary tsy hohalavaina ny androny.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *