Hirodana i Babilôna
1 Faminaniana ny amin’ny efitry ny ranomasina.
Tahaka ny firimorimon’ny tadio mihazo any amin’ny atsimo,
avy any an’efitra izany,
amin’ny tany mahatahotra.
2 Misy fahitanamahatsiravina naseho tamiko:
ny mpandroba, mandroba;
ny mpandrava, mandrava.
«Iakaro, ry Elama! Hodidino, ry Meda!
Hatsahatro ny fisentoanarehetra.»
3 Izany no nahafeno tebiteby ny valahako;
voan’ny fanaintainana aho,
toy ny vehivavy miteraka.
Miolanolana aho, mahare izany; tsiravina aho mahita izany;
4 mivadika ny foko,
raiki-tahotra aho;
ny alina niriko,
natao fotoan’ny horohoro ho ahy.
5 Ny latabatra atsangana, ny tily miambina,
ny olona mihinana sy misotro. –
Mitsangàna, ianareo kapiteny!
Hosory ny ampinga!
6 Fa izao no nolazain’ny Tompo tamiko:
«Mandehana mametraka tily,
ka aoka holazainy izay hitany.
7 Ary ny ho hitany dia mpitaingin-tsoavaly
mpitaingin-tsoavaly mitaingina ampondra,
mpitaingin-tsoavaly mitaingin-drameva.
Dia hijery amim-pitandremana izy, amim-pitandremana fatratra.»
8 Dia niantso toy ny liona izy hoe:
«Eto amin’ny tilikambo fitiliana no ipetrahako, ry Tompo,
tsy an-kijanona tontolo andro
mitsangana eto amin’ny fiambenana aho, isan’alina.
9 Indreo tamy ny olona mitaingin-tsoavaly,
ny mpitaingin-tsoavaly, milahatra tsiroaroa.»
Dia niteny indray izy ka nanao hoe:
«Potraka re! Potraka re i Babilôna!
ary ny sarin’ireo andriamaniny rehetra
nazerany novakiny tamin’ny tany.»
10 Ry variko velezina ô, voam-barin’ny famoloako,
izay reko tamin’i Iavehn’ny tafika,
Andriamanitr’i Israely,
no ambarako aminareo.
Valy omena ny Edômita
11 Faminaniana ny amin’i Domà.
Misy miantso ahy avy any Seira manao hoe:
«Ry tily ô, toy inona alina moa izao?
Ry tily ô, toy inona alina moa izao?»
12 Dia namaly ny tily nanao hoe:
«Tonga ny maraina, ary ny alina koa.
Raha te-hanontany ahy ianareo, manontania;
tongava indray amin’ny fotoana hafa.»
Tenin’Andriamanitra momba ny Arabo
13 Faminaniana any Arabia.
Any an-tanilemaka foana any Arabia ianareo no handry,
ry andian’i Dedana.
14 Mitondrà rano hitsenàna an’izay mangetaheta!
Ny mponina amin’ny tanin’i Temà,
manatitra mofo ho an’ny mpandositra.
15 Fa izy nandositra teo anatrehan’ny sabatra,
teo anatrehan’ny sabatra voatsoaka,
teo anatrehan’ny tsipìka voahenjana,
teo anatrehan’ny ady mahatsiravina.
Teny famelezana an’i Sedara
16 Satria izao no nolazain’ny Tompo tamiko:
«Herintaona, araka ny fanisana ny taonan’ny mpikarama, sisa
dia ho levona avokoa ny voninahitr’i Sedara;
ary amin’ireo tsipìka maro an’ny lehilahy mahery, zanak’i Sedara,
dia kely foana no sisa tavela,
fa i Iaveh Andriamanitr’i Israely no efa niteny.»