Categories
Izaia

Izaia 25

Vavaka fisaorana

1 Iaveh ô, Andriamanitro Ianao;

hankalaza Anao aho, hidera ny Anaranao aho,

fa efa nanao zava-mahagaga Ianao;

mahatoky sy maharitra ny fikasanao vita ela.

2 Fa ny tanànanataonao zary korontam-bato,

ary ny tanàna mimanda, nataonao zava-drava,

ny trano mimandan’ny barbarianina, tsy mba tanàna intsony,

sady tsy hatsangana mandrakizay.

3 Noho izany ny firenena mahery anankiray hanome voninahitra Anao;

ny tanànan’ireo firenena mahatsiravina hanaja Anao.

4 Ianao no trano mimanda ho an’ny osa,

trano mimanda ho an’ny mahantra anatin’ny fahoriany,

fialofana amin’ny hainandro midaindaina,

fa ny fifofofon’ny mpanao jadon’ny mpanjaka

dia toy ny ranonoram-baratra miantonta amin’ny ampiantany.

5 Toy ny firehitry ny hainandro amin’ny tany karankaina,

no amolahanao ny fidohadohan’ny barbarianina.

Toy ny andresen’ny aloky ny rahona ny firehitry ny hainandro,

no handresena ny akoram-pandresen’ny mpampahory.

Fanasana amin’ny andron’ny Mesia

6 Hanomanan’i Iavehn’ny tafika

amin’ity tendrombohitra ityho an’ny firenena rehetra,

fanasanaamin’ny hena matavy,

fanasana amin’ny divay ela niotrehana,

hena matavy sy be tsoka,

divay ela niotrehana sy voatantavana.

7 Hotriariny eto amin’ity tendrombohitra ity

ny voaly manarona ny olona rehetra,

mbamin’ny rakotra mandrakotrany firenena rehetra.

8 Ny fahafatesana hofoanany tsy hisy mandrakizay;

I Iaveh Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra;

ny henatry ny vahoakany hoesoriny

tsy hisy amin’ny tany rehetra;

fa efa niteny i Iaveh.

9 Izao no holazain’ny olona amin’izany andro izany:

Indro ny Andriamanitsika

izay niankinantsika mba ho voavonjy;

dia i Iaveh izay nantenaintsika.

Aoka isika hanao fifaliana sy hiravoravo amin’ny famonjeny.

10 Fa ny tanan’i Iaveh

hipetraka amin’ity tendrombohitra ity;

ary i Moaba kosa, hohosihosenaan-toerana,

toy ny fihosihosy mololo ao an-dobon-jezika.

11 Haninji-tanana ihany izy, ao anatin’izany fotaka izany,

toy ny mpilomano maninji-tananahilomano;

nefa haetrin’i Iaveh ny avonavony,

na hanampatra ny heriny rehetra aza ny tanany.

12 Ny mandanao avo be, harodany, hazerany,

hatontany amin’ny tany, anatin’ny vovoka.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *