Categories
Izaia

Izaia 27

1 Amin’izany andro izany i Iaveh hamaly,

amin’ny sabanysady lehibe no mahery,

an’i Leviatàna ilay menarana faingam-pandeha,

an’i Leviatàna ilay menarana miforiporitra,

ka hamono ilay bibibeizay ao an-dranomasina.

Ny voalobok’i Iaveh

2 Amin’izany andro izany no hilazana hoe:

Tanimboalobokaanankiray ahazoana divay mahery, mihirà ho azy!

3 Izaho Iaveh no miambina azy;

manondraka azy mandrakariva Aho;

ary sao hisy olona hiditra ao aminy,

miambina azy andro aman’alina Aho:

4 tsy manan-katezerana intsony Aho.

Aiza no hahitako tsilo

sy hery hiadiako?

Dia hiroatra hamely an’ireo Aho, ka hodorako izy.

5 Afa-tsy raha mifikitra amin’ny fiarovako ny olona,

ka manao fihavanana amiko,

ka Izaho no anaovany fihavanana!

Hosoavina i Jakôba, hosazina ny mpamoritra

6 Amin’ny andro ho avy i Jakôba handatsa-paka,

i Israely hamony sy hitsimoka,

ary hofenoiny amin’ny vokany izao tontolo izao.

7 Moa nasiana toy ny namelezana an’ireo namely azy va izy?

Moa novonoina toy ny namonoana an’ireo namono azy va izy?

8 Nofaizinao amin’ny sazy antonony izy, nataonao sesitany.

Noroahiny tamin’ny rivotra mahery

tamin’ny andro misy rivotra avy atsinanana.

9 Toy izao no hahavoaonitra ny helok’i Jakôba,

ary izao no ho vokatra rehetra amin’ny famelana ny fahotany.

Rehefa ny vaton’ireo ôtely no hataony

manjary vovoka manahaka ny vato sokay,

dia tsy hatsangana intsony ny aserah sy ny sarin’ny Masoandro.

10 Fa ny tanàna mimandaefa zary tany foana,

fonenana lao sy nilaozana, tahaka ny efitra;

zanak’omby no miraotra ao,

mandry sy mihinana ny rantsan-kazo ao.

11 Rehefa maina ny rantsan-kazo dia tapahina;

ka dia avy ny vehivavyhitaina azy.

Fa firenena tsy hendry izy,

ka tsy hamindra fo aminy Ilay nanao azy,

ary tsy hiantra azy Ilay namorona azy.

Tenin’Andriamanitra

12 Amin’izany andro izany dia hisy zavatra toy izao:

hahintsan’i Iaveh ny vary

hatramin’ny masondranon’ny Ony,

ka hatramin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta,

dia hotazana tsirairay ianareo, ry zanak’i Israely.

13 Ary hisy zavatra toy izao amin’izany andro izany:

haneno ny trômpetra lehibe,

ka izay very tany amin’ny tanin’i Asora,

mbamin’izay voasesitany, tany amin’ny tany Ejipta,

dia hody ka hiankohoka eo anatrehan’i Iaveh,

ao amin’ny tendrombohitra masina, ao Jerosalema.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *