Fampitandremana an’i Samaria
1 Loza ho an’ny diadema be avonavon’nympimamo ao Efraima,
sy ny voninkazo mora malazo famirapiratan’ny fihaingoany,
eny an-tampon’nylohasaha lonaka
misy an’ireo lehilahy mamon’ny divay.
2 Indro fa misy fahavalomahery sy mahefa
avy amin’ny Anaran’ny Tompo,
tahaka ny oran-kavandra aman-tafio-drivotra mpandrava,
tahaka ny ranonorana be mivatravatra ka manafotra;
dia hanjera azy mafy amin’ny tany.
3 Hohosena amin’ny tongotra
ny diadema be avonavon’ny mpimamo ao Efraima.
4 Ny voninkazo mora malazo famirapiratan’ny fihaingoany,
eny an-tampon’ny lohasaha lonaka,
hanahaka ny voan’aviavy masaka alohan’ny fahavaratra:
izay mahita azy,
raha vantany vao mahazo azy an-tanana mandrapaka azy.
5 Amin’izany andro izany i Iaveh ho diadema mamirapiratra
sy fehiloham-boninahitra ho an’ny sisan’ny vahoakany,
6 ho fanahy fahamarinana ho an’izay mipetraka eo amin’ny seza fitsarana,
ary ho hery ho an’izay manohana ny fahavalo mananika am-bavahady.
Fitenenana an’ireo mpisorona sy mpaminany sandoka
7 Ireo koamandraingiraingin’ny divay, jembin’ny zava-pisotro mahery,
na mpisorona na mpaminany samy jembin’ny zava-pisotro mahery,
rendriky ny divay, jembin’ny fisotro mahery,
mandraingiraingy eo am-paminaniana, mivembena eo am-pitsarana;
8 feno lo maloto ny latabatra rehetra,
tsy misy fitoerana intsony.
9 «Iza no tadiaviny hampianarinafahendrena,
ary zovy no tadiaviny hamoasana ny fianarana?
Ny zaza vao notazana,
vao mitsaha-nono va?
10 Fa didy manampy didy, didy manampy didy,
fitsipika manampy fitsipika, fitsipika manampy fitsipika,
mbetika izao, mbetika izany.»
11 Eny àry, fa olona mibadabada
sy amin’ny fitenim-pirenen-kafa,
no hitenenan’i Iaveh amin’ity vahoaka ity.
12 Niteny Izy nanao hoe: «Ity no fitoerana fitsaharana;
avelao hiala sasatra ny reraka;
ity no fanamaivanana;» –
kanefa tsy nety nihaino izy ireo.
13 Noho izany, ho azy ireo ny tenin’i Iaveh,
dia «ho didy manampy didy, didy manampy didy;
fitsipika manampy fitsipika,
mbetika izao mbetika izany»;
mba handeha izy ireo, ka ho lavo mitsilany,
ho torotoro ary ho voasambotra amin’ny fandrika.
Fitenenana an’ireo mpanoro hevi-dratsy
14 Koa mihainoa ny tenin’i Iaveh ianareo, ry olona mpananihany,
lehiben’ny vahoaka eto Jerosalema.
15 Ianareo manao hoe: «Efa nanao fanekena tamin’ny fahafatesana izahay;
efa nanao fifanarahana tamin’ny Seoly izahay,
ka dia handalo ho lasa ny loza manafotra fa tsy hahatratra anay,
fa efa nanao ny lainga ho fialofana izahay,
ary ny fitaka ho fierena.»
Tenin’Andriamanitra
16 Noho izany, izao kosa no lazain’ny Tompo Iaveh:
«Indro aho efa nametraka vatoho fanorenana ao Siôna
dia vato voatsapa toetra,
fehizoro, sarobidy, voaorina mafy:
izay miankina aminy amim-pinoana, tsy mba handositra.
17 Ny rariny no hataoko fitsipika,
ary ny fahamarinana no hataoko fandanjàna.»
Tohin’ny tononkalo mamely ireo mpanoro hevi-dratsy
«Ka ny lainga fiarovana hopaohin’ny havandra;
ary ny fierenao hindaosin’ny rano.»
18 Ny fanekenareo amin’ny fahafatesana hofoanana;
ary ny fifanarahanareo amin’ny Seoly, tsy haharitra;
fa rehefa handalo ny loza manafotra,
homontsaniny ianareo;
19 Isaky ny avy izy, hahatratra anareo,
fa ho avy izy rahampitso sy rahampitso andro aman’alina;
ny fangorohoroana ihanyno hanao fananarana anareo!
20 Satria: fohy tsy misy hitsorana, ny farafara;
ary kely tsy ampy hirakofana ny firakotra.
21 Fa i Iaveh hitsangana, toy ny tao an-tendrombohitra Farasima;
sy hirimorimon’ny hatezerana, toy ny tao an-dohasahan’i Gabaôna,
hahavita ny asany, asa tokana aman-tany,
hanatanteraka ny lahasany, lahasa hafa noho ny fanaony!
22 Koa ankehitriny atsaharo ny hanihaninareo,
fandrao mihamafy ny fatoranareo;
satria efa reko fa misy fandringanana voatendrin’
i Iavehn’ny tafika hahazo ny tany rehetra.
Fanoharana amin’ny mpiasa tany
23 Mampandria sofina, ka mandrenesa ny feoko,
mihainoa tsara ka mandrenesa ny feoko:
24 Moa ny mpiasa tany izay mihevitra ny hamafy,
dia miasa tany hatrany hatrany
sy miasa tany ary mamaky bainga ihany?
25 Rehefa voaravony ny tany,
moa tsy dia hapariakany va amin’izay ny nigela sy hafafiny ny komìna,
ary hataony mitandahatra tsara ny frômenta sy ny orja
amin’ny anjara toerany;
ary ny epaotra kosa, eny an-tsisiny?
26 Ny Andriamaniny no nampianatra azy
izany fitsipika izany, sy nanoro azy.
27 Satria tsy mba ny rambaramba no fivelezana ny nigela,
ary ny komìna tsy kodiavana kodiaran-tsarety;
fa ny nigela velezina amin’ny tehina,
ary ny komìna amin’ny tsora-kazo.
28 Ny frômentahosena,
fa tandremana tsara ny tsy hivelezana azy lava;
atosika ho eo aminy ny kodiaran-tsarety,
mbamin’ny soavaly, nefa tsy torotoroinaizy.
29 Izany koa dia avy amin’i Iavehn’ny tafika;
mahagaga amin’ny fisainanay Izy, sady be no azony enti-manatanteraka.