Teny famelezana an’i Ejipta
1 Loza ho an’ireo izay midina hitady vonjy any Ejipta;
miantehitra amin’ny soavaly,
ary mitoky amin’ny kalesy, noho ny hamaroan’ireny,
sy amin’ny mpitaingin-tsoavaly, noho izy matanjaka;
nefa ilay Masin’i Israely tsy mba andrandrainy;
ary i Iaveh tsy tadiaviny.
2 Izy anefa dia hendry; mahatonga loza, tsy mitsoa-teny,
hitsangan-kamely ny ankohonan’ny ratsy fanahy,
ary handà ny fanampiana
avy amin’izay manao ny tsy marina.
3 Ny Ejiptianina dia olombelona ihany, fa tsy fanahy;
dia haninji-tanana i Iaveh,
ka ho tafintohina izay manampy,
ho potraka izay hampiana,
ary hiara-devona avokoa izy roa tonta.
Iadian’i Iaveh i Asora
4 Fa izao no nolazain’i Iaveh tamiko:
«Toy ny fieron’ny liona
sy ny liona tanora amin’ny rembiny,
raha mivory hanohitra azy
ny mpiandry ondry maro be,
ka tsy resin-tahotra izay horakorak’izy ireo,
na manahy izay hamaroany akory;
toy izany koa no hidinan’i Iavehn’ny tafika mba hiady,
eo an-tendrombohitra Siôna sy eo amin’ny havoany.
5 Tahaka ny vorona mamelatra elatra hanomba ny zanany,
no hiarovan’i Iavehn’ny tafika an’i Jerosalema;
hiaro Izy sy hamonjy, ary handalo sy hanafaka.
6 Koa miverena re amin’Ilay efa nihatahanareo fatratra,
ry zanak’i Israely.
7 Fa amin’izany andro izanyny olona,
samy hanary ny sampy volafotsy aman-tsampy volamena avy
izay nataon’ny tananareo hanotàna.
8 Ary i Asora ho lavon-tsabatra,
nefa tsy sabatr’olombelona;
sabatra izay tsy sabatr’olombelona no handevona azy;
handositra eo anoloan’ny sabatra izy,
ary ny zatovony hampandoavina hetra.
9 Ny vatolampyhandositra aman-tahotra;
ary ny andriandahiny mangovitra handao ny faneva,
– teny ton’i Iaveh – izay manana ny afony ao Siôna,
sy ny fatam-pandoroany ao Jerosalema.»