Categories
Izaia

Izaia 42

Tapany voalohany

1 Indro ny mpanompokoizay tantanako;

ilay voafidiko ka sitraky ny foko;

napetrako ao aminy ny fanahiko;

hamoaka fahamarinana ho an’ny firenena izy.

2 Tsy hiantso mafy izy, na hanandra-peo,

na hanao izay handrenesana ny feony eny an-dalambe.

3 Ny volotara efa poritra, tsy hotapahiny;

ny lahin-jiro efa ho faty, tsy hovonoiny.

Hanambara ny rariny, araka ny marina izy;

4 tsy ho ketraka izy na ho kivy akory,

mandra-panoriny ny rariny amin’ny tany;

ary ny nosy hiandry ny lalàny.

Tapany faharoa

5 Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitra

Izay nahary ny lanitra sy namelatra azy,

izay namelatra ny tany mbamin’ny vokatra ao aminy,

izay nanome fofon’aina ny olona eo aminy,

sy fofon’aina ho an’izay mandeha eo.

6 Izaho Iaveh no niantso anao, tamin’ny fahamarinana,

sy nandray tanana anao,

miaro anao Aho ary manao anao ho fanekem-pihavananaho an’ny vahoakako

sy fahazavan’ny firenena,

7 hampahiratra ny mason’ny jamba,

hamoaka ny mifatotra eo amin’ny tranomaizina,

sy ireo mipetraka ao anatin’ny haizina ao amin’ny fonja.

8 Izaho no Iaveh, izany no Anarako;

ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa.

Ny fanajana Ahy, tsy ho an’ny sampy.

9 Efa tanteraka izay, ireo zavatra taloha;

ary zava-baovao indray izao no ambarako;

alohan’ny hitrangany

dia ampandrenesiko rahateo ianareo.

Antsa fandresena

10 Mihirà fihiram-baovao ho an’i Iaveh;

sy fiderana Azy, hatramin’ny faran’ny tany,

ianareo miantsambo amin’ny ranomasina sy monina ao aminy,

ianareo, nosy, mbamin’ireo mponina aminareo!

11 Aoka hanandra-peo ny efitra mbamin’ny tanàna eo aminy;

ny toby onenan’i Sedera!

Aoka hientan-kafaliana, ny mponina any Selà;

aoka hihobim-piravoravoana any an-tampon-tendrombohitra!

12 Aoka hanome voninahitra an’i Iaveh,

sy hitory fiderana Azy eny amin’ny nosy!

13 Fa mivoaka i Iaveh toy ny lehilahy mahery;

mamoha ny firehetam-pony, toy ny mpiady,

mandefa akoran’ady, akora mikotrokotroka;

manampatra ny heriny, handresy ny fahavalony.

14 «Ela nangina Aho;

nitam-bava tsy niteny sy nanindry fo Aho;

mitolokoloko toy ny vehivavy miteraka,

misentosento sy mihanahana Aho.

15 Hofoanako ny tendrombohitra aman-kavoana;

hataoko maina avokoa izay maitso eo aminy;

hampanjariako nosy ny ony,

ary homainiko ny farihy.

16 Hampandehaniko amin’ny lalan-tsy fantany ny jamba;

ary hotarihikoamin’ny sakeli-dalana mbola tsy hitany;

ny maizina hataoko mazava eo anoloany;

ary ny tany be havoana halamako.

Hotanterahiko ireo teny ireo;

ary tsy havelako tsy hatao.

17 Hihemotra sy ho safo-kenatra ireo izay matoky ny sampy,

izay milaza amin’ny sarin-javatra anidina hoe:

Ianareo no andriamanitray.»

Hajamban’ny vahoaka

18 Mihainoa, ianareo marenina;

mihirata hijery, ianareo jamba!

19 Iza no jamba afa-tsy ny mpanompoko;

iza no marenina tahaka ny iraka irahiko?

Iza no jamba tahaka an’izay nataoko sakaizako,

sy jamba tahaka ny mpanompon’i Iaveh?

20 Nahita zavatra maro ianao, fa tsy nahatana na inona na inona;

nisokatra ny sofiny, fa tsy nandre na inona na inona izy.

21 Sitrak’i Iaveh noho ny fahamarinany,

ny nanome lalàna lehibe sy be voninahitra!

22 Ary indro ity vahoaka ity, dia voababo sy norobaina ny fananany.

Voafatotra ao an-johy avokoa izy rehetra;

voahiboka ao an-tranomaizina izy;

robaina izy nefa tsy misy mamonjy azy,

baboina ny fananany, nefa tsy misy manao hoe: «Avereno!»

23 Iza aminareo moa no hety handre izany

dia handinika sy hihaino amin’ny sisa?

24 Iza no nanolotra an’i Jakôba horobaina,

sy i Israely hobaboina?

Moa tsy i Iaveh va, izay nanotantsika?

Tsy nety nanaraka ny lalany izy ireo;

ary ny lalàny tsy nohenoiny?

25 Dia nalatsany tamin’izy ireo ny afon’ny fahatezerany,

sy ny firehitry ny ady:

ka nirehitra nanodidina azy izany, nefa tsy azony an-tsaina,

ary nandoro azy, nefa tsy noheveriny.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *