Categories
Izaia

Izaia 43

Fanafahana an’i Israely

1 Ary ankehitriny, izao no lazain’i Iaveh,

dia ilay nahary anao, ry Jakôba,

sy namorona anao, ry Israely:

«Aza matahotra fa Izaho efa nanavotra anao,

Izaho efa niantso anao amin’ny anaranao, ka Ahy ianao!

2 Raha mita rano ianao, dia homba anao Aho;

raha mamaky ny ony ianao, tsy hanafotra anao izy;

raha mandeha eo afovoan’ny afo ianao, tsy ho may;

ary ny lelafo tsy handoro anao.

3 Fa izaho Iaveh no Andriamanitrao;

ilay Masin’i Israely no mpamonjy anao.

Efa nomeko ho avotrao, i Ejipta,

ary ho solonao i Etiôpia sy i Sabà.

4 Satria sarobidy eo imasoko

sy mendrika hohajaina ianao, sady tia anao Aho,

hanome olona maro ho takalonao Aho,

sy firenena maro, ho solon’ny ainao.

5 Aza matahotra fa momba anao Aho,

hamerina ny taranakao avy any Atsinanana Aho,

ary hanangona anao avy any Andrefana.

6 Ny Avaratra hilazako hoe: ‹Atolory izy!›

ary ny Atsimo hataoko hoe: ‹Aza mitana azy!›

Avereno ny zanako lahy, avy any lavitra any,

sy ny zanako vavy, avy any am-paran’ny tany,

7 dia izay rehetra mitondra ny Anarako,

izay noarîko ho voninahitro sy noforoniko ary nataoko.»

I Iaveh ihany no Andriamanitra

8 Avoahy ny olona jamba mana-maso,

sy ny marenina manan-tsofina.

9 Aoka hivory ny firenena rehetra,

sy hiangona ny vahoaka!

Iza amin’izy ireo no nanambara izany zavatra izany,

sy nilaza tamintsika ny faminaniana taloha?

Aoka hasehony izay vavolombelona sy hanamarina ny filazana izy;

aoka hihaino azy ny olona sy hanao hoe: «Marina izany!»

10 Ianareo no vavolombeloko, – teny marin’i Iaveh

sady mpanompoko, izay nofidiko;

mba hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy

ary hahazoanareo an-tsaina, fa Izaho no izy.

Tsy misy Andriamanitra voaforona talohako;

ary tsy hisy koa any aoriako.

11 Izaho dia Izaho ihany no Iaveh

ary tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho.

12 Izaho no nilaza, Izaho no namonjy, Izaho no nilaza mialoha,

tsy mba andriamani-kafa eo aminareo;

ary ianareo no vavolombeloko – teny marin’i Iaveh.

13 Izaho no Andriamanitra.

Amin’ny sisa Izaho ihany koa no izy,

ary tsy misy olona mahafaka amin’ny tanako;

Hiasa Aho, ka zovy moa no hahasakana izany?

Ho rava i Babilôna

14 Izao no lazain’i Iaveh, mpanavotra anareo,

ilay Masin’i Israely:

«Noho ny aminareo, dia naniraka hamely an’i Babilôna Aho,

ka hataoko vaky mandositra avokoa izy ireo,

dia ny Kaldeanina, ka hidina any amin’ny sambo ireharehany fatratra!

15 Izaho no Iaveh, ilay Masinareo,

ilay mpahary an’i Israely, mpanjakanareo!»

Zava-mahagaga teo amin’ilay Eksaody faharoa

16 Izao no lazain’i Iaveh,

Izay nanao lalanaeny amin’ny ranomasina,

sakeli-dalana eny amin’ny rano mahery,

17 izay namoaka kalesy aman-tsoavaly,

sy tafika ama-mpiady mahery, hiantafika,

– indray lavo tsy hiarina intsony izy rehetra;

voakenda sy maty toy ny lahin-jiro izy. –

18 Aza mahatsiaro ny zavatra lasa intsony,

ary aza mihevitra ny zavatra taloha intsony!

19 Fa indro aho, hanao zava-mahagaga vaovao;

efa hiposaka izy izao, tsy hahalala izany va ianareo?

Hanisy lalana any an’efitra Aho,

sy ony eny an-tany karankaina.

20 Hanome voninahitra Ahy ny biby eny an-tsaha,

mbamin’ny amboadia sy ny ostritsa,

satria nanisy rano tany an’efitra Aho,

sy ony eny amin’ny tany karankaina,

hampisotroana ny vahoakako, ny olom-boafidiko,

21 ny vahoaka noforoniko mba ho Ahy,

ka hitory ny fiderana Ahy.

Tsy mahay mankasitraka i Israely

22 Kanefa, ry Jakôba ô, tsy mba niantso Ahy ianao,

na nisahirana tamiko akory, ry Israely.

23 Tsy mba nateranao ny ondrin’ny sorona dorana Aho,

na nomenao voninahitra tamin’ny soronao akory.

Tsy namesatra anao tamin’ny fanatitra Aho

na nanasatra anao tamin’ny emboka manitra.

24 Tsy lany vola namidy veromanitra ho Ahy ianao;

na namoky Ahy tamin’ny saboran-tsoronao;

fa ianao aza no namesatra Ahy tamin’ny fahotanao;

nanasatra Ahy tamin’ny tsy fahamarinanao.

25 Izaho dia Izaho ihany no namono ny fahadisoanao,

noho ny fitiavako ny Tenako,

ka tsy hotsarovako intsony ny fahotanao.

26 Ampahatsiarovy Aho; aoka hifandahatra isika.

Aoka ny tenanao no hilaza izay mahamarina ny anao.

27 Nanota ny rainao voalohany,

ary nivadika tamiko ireo mpanalalanao.

28 Ka izany no nanonganako an’ireo loholon’ny fitoerana masina,

nanolorako an’i Jakôba ho anatema

sy i Israely ho fandatsa.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *