1 Mifohaza, mifohaza, tafio ny herinao, ry Siôna!
Tafio ny fitafiana fitondranao amin’ny fety,
ry Jerosalema tanàna masina ô!
Fa ny tsy miforasy ny maloto tsy hiditra eo aminao intsony.
2 Ahintsano ny vovoka eny aminao; mitsangàna ianao;
mipetraha ianao, ry Jerosalema;
vahao ny fatorana amin’ny vozonao,
ry voababo, zanaka vavin’i Siôna.
Ny antony nahababo ny vahoaka
3 Fa izao no lazain’i Iaveh:
Tsy vola tsy harena no nivarotana anareo;
ka dia tsy vola tsy harena koa no hanavotana anareo!
4 Fa izao no lazain’i Iaveh Tompo:
Ny honina any no nidinan’ny vahoakako tany Ejipta fahiny;
ary tatỳ aoriana dia nampahorin’i Asora,
tsy ahoan-tsy ahoana izy.
5 Koa ankehitriny, inona no hataoko eto?
– teny marin’i Iaveh –
fa nobaboina tsy an-drariny ny vahoakako?
Ny mpifehy azy masiaka, manerona;
– teny marin’i Iaveh,-
ary ny anarako, tevatevaina tsy an-kijanona, isan’andro.
6 Koa indro, hahalala ny Anarako kosa ny vahoakako;
eny, ho fantany amin’izany andro izany,
fa Izaho miteny hoe: «Inty aho!»
Mifoha i Iaveh, mifoha i Jerosalema
7 Endrey izany hatsaran’nytongotr’ilay iraka eny an-tendrombohitra,
izay mitory ny vaovao mahafaly, dia ny fiadanana;
ilay manambara ny fahasambarana, ilay mitory ny famonjena;
ilay milaza amin’i Siôna hoe:
«Manjaka ny Andriamanitrao!»
8 Ny feon’ny mpitilinao! Manandra-peo izy ireo,
miara-mihoby an-kafaliana,
satria hitany maso
ny fiverenan’i Iaveh ao Siôna.
9 Miaraha mihoby an-kafalina,
ry Jerosalema rava!
Fa i Iaveh efa nampionona ny vahoakany,
sy efa nanavotra an’i Jerosalema.
10 Nasehon’i Iaveh ny sandrin’ny fahamarinany,
hiharihary eo imason’ny firenena rehetra.
Ary ny faran’ny tany rehetra,
hahita ny famonjen’ny Andriamanitsika.
11 «Mialà, mialà, mivoaha teo ianareo;
aza mikasika izay maloto.
Mivoaha avy ao aminy, mandiova tena ianareo,
izay mitondra ny fanak’i Iaveh.
12 Fa tsy hikoropaka no hivoahanareo,
ary tsy handositra no ho fandehanareo;
fa i Iaveh no mandeha eo alohanareo,
ary ny Andriamanitr’i Israelyno ho vodilalanareo!»
Hira fahefatr’ilay Mpanompon’i Iaveh
13 Indro fa hambinina ny Mpanompoko,
hitombo, hankalazaina, ary ho tafasandratra indrindra.
14 Toy ny nigagan’ny maro nahita azy,
– fa rava endrika loatra izy,
ka ny tarehiny efa hoatra ny tsy tarehin’olombelona intsony;
ary ny tavany efa hoatra ny tsy tavan-janak’olombelona intsony, –
15 no hampiontanany firenena maro.
Hitampim-bava eo anatrehany ny mpanjaka,
satria hahita ny tsy mbola nolazaina taminy,
sy handre ny tsy mbola reny.