Categories
Izaia

Izaia 61

Asa anirahana ny mpaminany

1 Ato amiko ny fanahin’i Iaveh, Tompo,

satria voahosotr’i Iaveh aho;

nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny mahantra,

hamehy ny ferin’ireo torotoro fo;

hampandre ny babo fa afaka

sy ny ao an-tranomaizina fa alefa;

2 hitory taom-pahasoavanaanankiray ho an’i Iaveh,

sy ny andro famaliana anankiray ho an’ny Andriamanitsika;

hampionona ny tra-pahoriana rehetra.

3 Hitondra ho an’ny tra-pahoriana ao Siôna

sy hanasatroka azy ny satroboninahitra

ho solon’ny lavenona,

diloilo fifaliana ho solon’ny fisaonana

akanjo firavoravoana, ho solon’ny fahareraham-po;

dia hantsoin’ny olona hoe: terebintan’nyfahamarinana,

volin’i Iaveh ho an’ny voninahiny.

4 Amin’izany izy ireo dia hanangana ny efa rava ela;

hanarina indray ny sisan’izay voafongotra fahiny;

hamboatra ny tanàna simba,

mbamin’ny korontan-javatra rava tamin’ny taona lasa.

5 Ho eo ny vahiny, hiandry ny biby fiompinareo;

ny zanaky ny hafa firenena,

ho mpiasanareo sy mpamboly voalobokareo.

6 Fa ianareo kosa hataon’ny olona hoe:

«mpisoron’i Iaveh.»

sy hantsoin’ny olona hoe: «Mpandraharahan’ny Andriamanitsika.»

Hihinana ny haren’ny firenena ianareo;

hihaingo amin’ny zavatra kanto avy aminy,

ary hitafy ny fiamboniana nananany.

7 Ho solon’ny henatrareo taloha,

dia anjara roa no horaisinareo,

ary ho solon’ny fahafaham-baraka,

dia hifaly amin’ny anjarany avy izy ireo,

ka dia hahazo anjara roa eo amin’ny taniny izy ireo,

dia hisy fifaliana mandrakizay ho azy.

8 Fa izaho Iaveh dia tia ny rariny,

halako ny fandrobana atao amim-pamadihana;

homeko ny valin’ny asany amim-pahamarinana izy,

ary hanao fanekena mandrakizay amin’izy ireo Aho.

9 Ny taranak’izy ireo, halaza eny amin’ny firenena;

ary ny tanimanga any amin’ny firenen-tsamihafa.

Izay hahita azy hahalala azy avokoa,

fa taranaka nosoavin’i Iaveh izy ireo.

10 Ho revon-kafaliana eo amin’i Iaveh aho,

ary hiravoravo amin’ny Andriamanitro ny foko,

satria notafiany fitafiam-pamonjena aho,

ary nakanjoiny akanjom-pahamarinana,

toy ny mpampakatra miravaka diadema eo an-dohany;

toy ny ampakarina miraratra ny firavany sarobidy.

11 «Fa toy ny ampanirian’ny tany ny tsimoka eo aminy,

toy ny ampitsimohan’ny zaridaina ny voa nafafy eo aminy

no ampanirian’i Iaveh Tompo ny fahamarinana,

sy ny fiderana eo anatrehan’ny firenena rehetra.»

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *