Categories
Jenezy

Jenezy 17

Fanekem-pihavanana sy famorana

1 Nony efa sivy amby sivy folo taona i Abrama dia niseho taminy i Iaveh ka nanao taminy hoe: «Izaho no Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra; mizora eo anatrehako ary aza manan-tsiny ianao;

2 hanorina ny fanekeko aminao aho, sady hahamaro tsy hita isa anao.»

3 Dia niankohoka tamin’ny tany i Abrama ary Andriamanitra niteny taminy nanao hoe:

4 «Ny amiko dia izao no fanekeko aminao: Ianao dia ho tonga rain’ny firenena tsy hita isa,

5 ary ny anaranao dia tsy hatao hoe Abramaintsony, fa hatao hoe Abrahama, satria hataoko rain’ny firenena tsy hita isa ianao.

6 Hampitomboiko dia hampitomboiko ianao, hataoko firenena maro ianao, ary hisy mpanjaka avy aminao.

7 Manao fanekena aminao Aho, aminao sy amin’ny taranakao, hanaraka anao amin’ny taona mifandimby, dia ho fanekena maharitra mandrakizay, mba ho Andriamanitrao Aho, sy ho Andriamanitry ny taranakao handimby anao.

8 Homeko anao sy ny taranaka handimby anao ny tany izay ipetrahanao izao mbola vahiny izao, dia ny tany Kanaana manontolo hananany azy mandrakizay, ary Izaho no ho Andriamanitr’izy ireo.»

9 Hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: «Ny aminao kosa, hitandrina ny fanekeko ianao, dia ianao sy ny taranakao amin’ny taona mifandimby.

10 Ka ny fanekena hotandremanareo, izay ifanekeko Izaho sy ianareo sy amin’ny taranaka handimby anao, dia izao: Hoforàna avokoa ny lehilahy eo aminareo.

11 Hifora amin’ny nofonareo ianareo; ary izany no ho mariky ny fanekeko aminareo.

12 Vao teraka havaloana ny zazalahy eo aminareo amin’ny taona mifandimby, dia hoforàna izy; na ny teraka ao an-trano, na izay novidim-bola tamin’ny olon-kafa na iza na iza, izay hafa firenena aminao.

13 Tsy maintsy foràna avokoa ny lehilahy, na ny teraka ao an-trano, na ny novidim-bola, ka dia ho eo amin’ny nofonareo ny fanekeko, ho fanekena mandrakizay.

14 Raha lehilahy tsy noforàna tamin’ny nofony, dia hoesorina amin’ny fireneny, fa nivadika ny fanekeko.»

15 Hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: «Ny vadinao Saray tsy hataonao Saray intsony ny anarany fa Sarà no anarany.

16 Hasiako soa izy, ary izy koa hampiterahako zazalahy aminao. Hasiako soa izy ka ho tonga firenena maro, ary hisy mpanjakam-pirenena avy aminy.»

17 Niankohoka tamin’ny tany i Abrahama sady nihomehy nanao anakampo hoe: «Lehilahy efa zato taona va ka dia mbola hiteraka indray! Ary i Sarà, vehivavy efa sivy folo taona ve ka dia hiteraka!»

18 Dia hoy i Abrahama tamin’Andriamanitra: «Enga anie ka ho velona eo anatrehanao i Ismaely!»

19 Hoy Andriamanitra: «Eny, hitera-dahy ho anao i Sarà vadinao; hataonao hoe Isaaka no anarany; ary hanao fanekem-pihavanana aminy Aho, dia fanekena mandrakizay ho an’ny taranany hanaraka azy.

20 Ny amin’i Ismaely dia efa nihaino anao Aho, ka efa nitso-drano azy Aho; hataoko maro anaka izy, ary hampitomboiko be indrindra. Hiteraka andriana roa ambin’ny folo izy, ary hotongaviko ho firenena lehibe.

21 Ny fanekeko anefa dia haoriko amin’i Isaaka, izay haterak’i Sarà, vadinao, ho anao, raha avin-taona toy izao.»

22 Nony tapi-niteny tamin’i Abrahama Andriamanitra dia niakatra izy niala teo aminy.

23 Dia nalain’i Abrahama i Ismaely zanany, mbamin’ny ompikeliny rehetra sy izay rehetra novidiny vola, dia ny lahy rehetra tamin’ny olona ao an-tranony, ka noforàny androtr’izay ihany, araka ny nandidian’Andriamanitra azy.

24 Efa sivy amby sivy folo taona i Abrahama tamin’izy noforàna;

25 ary efa telo ambin’ny folo taona i Ismaely tamin’izy noforàna.

26 Noforàna androtr’izay avokoa i Abrahama sy i Ismaely zanany, ary ny lehilahy rehetra tao an-tranony, na ny ompikeliny na izay novidim-bola tamin’ny olona hafa firenena, dia samy niara-noforàna taminy.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *