Ny nitoeran’i Abrahama tao Jerara
1 Nifindra niala teo i Abrahama, dia nankany amin’ny faritany atsimo, ka nonina teo anelanelan’i Kadesa sy i Sora, ary nitoetra kelikely tao Jerara izy.
2 I Sarà vadiny no lazain’i Abrahama hoe: «Anabaviko io.» Naniraka olona haka an’i Sarà i Abimeleka mpanjakan’i Jerara.
3 Tonga tamin’i Abimeleka tamin’ny nofy anefa Andriamanitra nony alina, ka nanao taminy hoe: «Indro ho faty ianao, noho ny amin’ny vehivavy nalainao, fa vadin’olona izy.»
4 Mbola tsy nikasika an-dravehivavy anefa i Abimeleka ka namaly hoe: «Tompo ô, hovonoinao va ny olona na dia tsy manan-tsiny aza?
5 Moa tsy nolazainy tamiko hoe: Anabaviko io? Ary ravehivavy koa nilaza tamiko hoe: Anadahiko izy. Ary fo mahitsy sy tanana madio no nanaovako izany.»
6 Dia hoy Andriamanitra taminy tamin’ny nofy: «Izaho koa mahalala fa fo mahitsy no nanaovanao izany; izay no niarovako anao tsy hanota amiko. Ka tsy navelako hikasika azy ianao.
7 Koa ankehitriny avereno ny vadin’io lehilahy io, fa mpaminany izy, ka hivavaka ho anao, dia ho velona ianao. Fa raha tsy averinao io, fantaro fa ho faty mihitsy ianao, dia ianao mbamin’izay rehetra ambanin’ny fahefanao.»
8 Vao maraina dia nantsoin’i Abimeleka avokoa ny mpanompony ary nolazainy taminy izany rehetra izany; ka raiki-tahotra mafy ireo olona ireo.
9 Dia nantsoin’i Abimeleka koa i Abrahama ka hoy izy taminy: «Inona izao nataonao taminay izao? Inona no tsy mety nataoko taminao no dia nampiditra heloka be vava tamiko sy tamin’ny fanjakako ianao? Zavatra tsy fanao mihitsy izao nataonao tamiko izao.»
10 Dia hoy koa i Abimeleka tamin’i Abrahama: «Fa nihevitra inona ianao, no dia nanao izany?»
11 Ary izao no navalin’i Abrahama: «Hoy aho anakampoko: Tsy misy tahotra an’Andriamanitra kely akory angamba amin’ity tany ity, ka hovonoin’ny olona aho, noho ny amin’ny vadiko.
12 Sady anabaviko ihany tokoa izy, saingy zanak’idada, fa tsy zanak’ineny, ka dia novadiko.
13 Nony nampivezivezen’Andriamanitra lavitra ny tranon’ikaky aho, dia hoy aho tamin’i Sarà: Izao no fitia angatahiko hataonao amiko: Any amin’izay tany rehetra hahatongavantsika any aho lazao hoe: Anadahiko io.»
14 Dia naka omby sy ondry sy ankizy lahy aman’ankizy vavy i Abimeleka ka nomeny an’i Abrahama, ary i Sarà vadiny naveriny taminy koa.
15 Hoy i Abimeleka: «Indro eo anoloanao ny taniko, ka mitoera amin’izay tianao.»
16 Ary hoy koa izy tamin’i Sarà: «Nomeko volafotsy arivo siklany anadahinao, izany no fanampena-maso ho anao, amin’izay rehetra eo aminao sy amin’ny olona rehetra, ka dia afa-tsiny ianao izao.»
17 Ary nifona tamin’Andriamanitra i Abrahama dia nositranin’Andriamanitra i Abimeleka sy ny vadiny ama-mpanompovaviny, ka niteraka ireo.
18 Fa efa nataon’i Iaveh momba ny kibon’ny ankohonan’i Abimeleka rehetra noho ny amin’i Sarà vadin’i Abrahama.