Categories
Jeremia

Jeremia 22

1 Izao no lazain’i Iaveh: Midìna ho any an-tranon’ny mpanjakan’i Jodà,

2 ka lazao eny izao teny izao, ataovy hoe:

«Henoy ny tenin’i Iaveh, ry mpanjakan’i Jodà,

izay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida,

dia ianao sy ny mpanomponao mbamin’ny vahoakanao,

izay miditra amin’ireto vavahady ireto.»

3 Izao no lazain’i Iaveh:

«Manaova fitsarana sy fahamarinana ianareo;

afaho amin’ny tanan’ny mpampahory ny ampahorîna:

ny vahiny, ny kamboty, ama-mpitondratena;

dia aza ratsy fitondra azy na manao an-keriny aminy,

na mandatsa-dra tsy manan-tsiny amin’ity tany ity ianareo.

4 Raha tanterahinareo tsara izao teny izao:

ny mpanjaka mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida,

hiditra amin’ny vavahadin’ity trano ity,

mitaingina kalesy aman-tsoavaly

dia izy, ny mpanompony amam-bahoakany.

5 Fa raha tsy mihaino izany teny izany kosa ianareo,

dia mianiana amin’ny Tenako Aho, – teny marin’i Iaveh, –

fa ho rava no halehan’ity lapa ity.»

6 Satria izao no lazain’i Iaveh,

ny amin’ny taranaky ny mpanjakan’i Jodà:

«Tahaka an’i Galaadaianao amiko,

tahaka ny tampon’i Libàna,

nefa indro hampanjariko efitra, tanàna tsy honenana, ianao.

7 Efa manomana mpandrava hamely anao Aho,

ka samy mitondra ny fiasàny avy izy ireo;

hokapainy ny sederanao voafantina,

dia hatsipiny amin’ny afo.

8 Firenena maro no handalo amin’ity tanàna ity,

ka hifampilaza hoe:

Nahoana no dia nataon’i Iaveh tahaka izao ity tanàna lehibe ity?

9 Ary hataon’ny olona hoe:

Satria nahafoy ny faneken’i Iaveh Andriamaniny izy ireo,

ka niankohoka teo anatrehan’ny andriamani-kafa

sy nanompo ireny.»

Mamely an’i Jôakaza

10 Aza itomaniana ilay maty

ary aza igogogogoana izy io;

fa ilay lasanano itomanio dia itomanio,

fa tsy hiverina intsony izy,

tsy hahita intsony ny tany nahaterahany!

11 Fa izao no lazain’i Iaveh:

Ny amin’i Seloma zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà,

izay nanjaka nisolo toerana an’i Josiasa rainy,

sy efa niala tamin’ity fitoerana ity:

Tsy hiverina atỳ intsony izy,

12 fa ho faty any amin’ny tany nitondrana azy ho babo,

ka tsy hahita ity tany ity intsony.

Mamely an’i Jôakima

13 Mila loza izaymanorina ny tranony tsy amin’ny rariny,

sy ny rihany tsy amin’ny hitsiny;

izay mampiasa maina ny namany,

tsy mandoa ny karamany,

14 sady manao hoe: Hanao trano lehibe ho ahy aho,

sy efitrano malalaka;

dia asiany varavarankely betsaka,

ataony tafo sedera,

ary hosorany loko mena mivaivay.

15 Noho ianao adalan-tsedera va no maha-mpanjaka anao?

Moa tsy nisotro sy nihinana va ny rainao?

Nanao ny hitsiny sy ny rariny izy,

ary tamin’izany dia tsara ny zavatra rehetra taminy;

16 nitsara ny adin’ny ory sy ny mahantra izy,

ka amin’izany tsara ny zavatra rehetra.

Moa tsy izany va no fahalalana Ahy,

– teny marin’i Iaveh? –

17 Fa ny masonao amam-ponao

tsy mihevitra afa-tsy ny tenanao,

mbamin’ny ra tsy manan-tsiny, handatsahana azy

sy ny fampahoriana ary fanaovana an-keriny,

hanatanterahana izany.

18 Noho izany, izao no lazain’i Iaveh,

ny amin’i Jôakima, zanak’i Josiasa,

mpanjakan’i Jodà

Tsy hitomaniana izy hatao hoe

Indrisy, ry rahalahy, indrisy, ry anabavy.

Tsy hitomaniana izy hatao hoe

Indrisy, tompoko! Indrisy, ry mpanjaka!

19 Halevina toy ny fandevina ampondraizy

hotaritarihina sy hariana

any ivelan’ny vavahadin’i Jerosalema.

Mamely an’i Jôakîna

20 Miakara any Libàna, dia miantsoa mafy

manandrata feo any Basàna!

Miantsoa mafy any an-tampon’i Abarima,

fa torotoro avokoa ireo lehilahinao.

21 Efa niteny taminao Aho, fony ianao mbola niadana

nefa hoy ianao: Tsy hihaino aho!

Fanaonao hatry ny fony mbola tanora izany:

tsy nihaino ny feoko ianao!

22 Fa hoentin’ny rivotra handrasany ny mpiandry anao

ary ho lasan-ko babo ny lehilahinao

ka dia hangaihay sy ho safo-kenatra ianao,

noho ny haratsianao rehetra.

23 Ianao izay mitoetra any Libàna,

sy manao ny akaninao any amin’ny sedera,

endrey izany fitarainanao, rehefa tratry ny fanaintainana ianao,

fifanintontsintonan’ny tena toy ny an’ny vehivavy mihetsi-jaza!

24 Velona Aho, – teny marin’i Iaveh, –

Na ho peratra eo an-tanako ankavanana aza

I Jekôniasazanak’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà

dia hombotako hiala eo izy.

25 Hatolotro eo an-tanan’ireo mitady ny ainao ianao,

ho eo an-tanan’ireo mampangovitra anao eo anoloany;

ho eo an-tanan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna,

ho eo an-tanan’ny Kaldeanina.

26 Hatsipiko ianao sy ny reninao

niteraka anao,

ho any an-tany hafa izay tsy nahaterahanareo

ka any ianao no ho faty.

27 Fa ny tany hirìny hiverenana, dia tsy hiverenany.

28 Moa vilany famingavinga sy torotoro ve

ity lehilahy ity, Jekôniasa,

sa fanaka efa tsy misy tia intsony?…

Nahoana no noroahina izy sy ny taranany,

sy natsipy any an-tany

tsy fantany?

29 Ry tany ô, ry tany ô, ry tany ô,

henoy ny tenin’i Iaveh!

30 Izao no lazain’i Iaveh:

Ity lehilahy ity dia soraty ho tsy miteraka,

ho lehilahy tsy mahomby amin’ny androny!

Fa amin’ny taranany tsy hisy hahavanona

ny mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida,

hanjaka indray amin’i Jodà.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *