Categories
Jeremia

Jeremia 23

Ilay mpanjakan’ny ho avy

1 Loza ho an’ny mpiandry manary sy manahaka

ny ondry eo amin’ny kijanako, – teny marin’i Iaveh! –

2 Koa izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely,

ny amin’ireo mpiandry miandry ny vahoakako:

Ny ondriko dia nahahakareo, naronjindronjinareo;

tsy niahy azy ireo ianareo.

Koa indro Aho kosa mba hiahy, hamelezako anareo,

ny haratsian’ny nataonareo, – teny marin’i Iaveh. –

3 Ary Izaho dia hanangona izay sisa amin’ny ondriko,

avy eny amin’ny tany rehetra nandroahako azy,

dia haveriko ho eo amin’ny kijanany izy;

ka hitombo sy hihamaro.

4 Ary hanangana mpiandry izay hiandry azy Aho;

ka tsy hanan-tahotra na vadi-po intsony izy;

sady tsy hisy diso tsy eo, na dia iray aza,

– teny marin’i Iaveh. –

5 Indro avy ny andro, – teny marin’i Iaveh, –

hananganako ho an’i Davida solofo marina;

hitondra ny hitsiny sy ny rariny amin’ny tany.

6 Amin’ny androny, i Jodà hovonjena;

i Israely handry feizay;

ary izao no anarana hanononana azy:

Iaveh-fahamarinantsika.

7 Noho izany, indro avy ny maraina, – teny marin’i Iaveh, –

izay tsy hanaovana intsony hoe: Velona i Iaveh,

izay nitondra ny zanak’i Israely niakatra

avy any amin’ny tany Ejipta;

8 fa hoe: Velona i Iaveh,

izay nitondra sy nampody

ny firenena taranak’i Israely,

avy any amin’ny tany avaratra

sy ny tany rehetra nandroahako azy.

Dia honina eo amin’ny taniny izy ireo.

Boky kely milaza ny toetran’ireo mpaminany sandoka

9 Ho an’ireo mpaminany:

Ny foko torotoro ato anatiko;

ny taolako rehetra mipararetra;

izaho hoatra ny olona mamo

hoatra ny olona leon-divay,

eo anatrehan’i Iaveh sy eo anatrehan’ny teniny masina.

10 Fa feno fijangajangana ny tany;

noho ny fanozonana dia misaona ny tany;

maina ny kijana any an’efitra.

Ny idodododoan’ireo dia ny ratsy;

ny heriny dia ny tsy rariny.

11 Hatramin’ny mpaminany ama-mpisorona aza no olona tsy voahasina,

ary hitako hatrao an-tranoko aza ny haratsiany,

– teny marin’i Iaveh. –

12 Koa ny lalan’izy ireo hanjary

fitoerana malama ao amin’ny maizina, ho azy ireo;

haronjina sy ho lavo eo izy;

satria hampidi-doza aminy Aho,

amin’ny taona hamangiako azy, – teny marin’i Iaveh.-

13 Tamin’ireo mpaminanin’i Samaria Aho nahita fahadalana,

fa naminany tamin’ny anaran’i Baala izy ireo,

ka nampaniasia an’i Israely vahoakako.

14 Tamin’ireo mpaminanin’i Jerosalema kosa anefa

nahita zava-mahatsiravinaAho,

fa izy ireo maka vadin’olona sy mandeha araka ny lainga,

mankahery ny tanan’ny ratsy fanahy,

mba tsy hisy miverina avy amin’ny haratsiany izy ireo.

Amiko izy rehetra, tonga tahaka an’i Sôdôma;

ary ny mponina ao Jerosalema tahaka an’i Gômôra.

15 Noho izany, izao no lazain’i Iavehn’ny tafika,

ny amin’ny mpaminany:

Dia efa hampihinana zava-mangidy azy ireo Aho,

sy hampisotro rano voaisy poizina azy!

Satria avy amin’ny mpaminanin’i Jerosalema

no nivoahan’ny faharatsiana ho any amin’ny tany rehetra.

16 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika:

«Aza mihaino ny tenin’ireo mpaminany

maminany aminareo,

mitarika anareo ho amin’ny zava-poana izy ireo;

ny fahitana avy ao am-pony no ambarany,

fa tsy izay aloaky ny vavan’i Iaveh.

17 Izay manamavo Ahy ilazany hoe:

Izao no voalazan’i Iaveh: Hiadana ianareo,

ary izay rehetra manaraka ny haratsian’ny fony, ataony hoe:

Tsy hisy loza hanjò anareo.

18 Fa zovy moa no nanatrika ny fisainan’i Iaveh,

ka nahita sy nandre ny teniny?

Iza no efa nanongilan-tsofina nihaino ny teniny, ka nandre izany?»

19 Indro ny tafio-drivotr’i Iaveh; ny fahatezerana efa hipoaka;

mitambolibolina ny tadiony

ka mihantona amin’ny lohan’ny tsy tia fivavahana.

20 Tsy hihemotra ny hatezeran’i Iaveh

raha tsy efa vitany sy tanterany ny hevitry ny fony.

Ho fantatrareo mazava izany, amin’ny andro farany.

21 Izaho tsy naniraka ireo mpaminany;

nefa nihazakazaka izy!

Izaho tsy niteny taminy, nefa naminany izy!

22 Raha nanatrika ny fisainako izy,

dia ny teniko ho nambarany tamin’ny vahoakako;

ka ho namerina azy hialaamin’ny lalan-dratsiny izy,

sy amin’ny faharatsian’ny ataony.

23 Moa Andriamanitry ny akaiky ihany va Aho,

teny marin’i Iaveh, –

fa tsy mba Andriamanitra amin’ny lavitra koa?

24 Misy olona mahay miery amin’ny fierena va,

ka tsy ho hitako? – teny marin’i Iaveh-

Ny lanitra sy ny tany,

moa tsy manerana azy va Aho? – teny marin’i Iaveh.-

25 Reko ny lazain’ireo mpaminany ireo,

izay maminany lainga amin’ny Anarako,

manao hoe: «Nanonofy aho; nanonofy aho!»

26 Mandra-pahoviana?… Moa kendren’ireo mpaminany ireo,

izay maminany lainga,

ireo mpaminany ny fitaky ny fony ireo,

27 moa ampoiziny va ny tsy hahatadidiavan’ny vahoakako Ahy,

noho ny nofy ifampilazan’izy samy izy avy,

toy ny nanadinoan’ny razany ny Anarako,

nosoloiny an’i Baala?

28 Aoka ny mpaminany nanonofy

hilaza izany nofy izany;

ary izay manana ny teniko,

hilaza marina ny teniko.

Fa inona izay mololo raha miolotra amin’ny vary?

– teny marin’i Iaveh. –

29 Moa ny teniko va, tsy tahaka ny afo,

– teny marin’i Iaveh, –

sy tahaka ny kanonta manorotoro ny vatolampy?

30 Koa hiaviako ireo mpaminany ireo,

izay mifangalatra ny teniko samy ho azy avy.

31 Indro hiaviako ireo mpaminany ireo,

– teny marin’i Iaveh, –

izay mampipelipelika ny lelany manao hoe:

«Teny marin’i Iaveh!»

32 Indro hiaviako ireo izay maminany nofy lainga,

– teny marin’i Iaveh, –

izay milaza izany, mampaniasia ny vahoakako,

amin’ny laingany sy ny antsanga tsy aman’orana ataony.

Tsy naniraka azy, na nandidy na inona na inona azy akory Aho.

Koa tsy mahasoa ity firenena ity akory izy,

– teny marin’i Iaveh. –

33 Raha ity firenena ity, na ny mpaminany, na ny mpisorona,

no manontany anao manao hoe:

«Inona izao no mavesatra ho an’i Iaveh?»

dia valio hoe: «Ianareo no izany mavesatra izany,

ary hariako ianareo.» – teny marin’i Iaveh. –

34 Ary izay mpaminany, na mpisorona, na sarambaben’olona,

hanao hoe: «Mavesatra ho an’i Iaveh,»

dia hovangiako io olona io mbamin’ny ankohonany.

35 Izao no ifampilazanareo aminareo isany,

sy amin’ny havanareo avy:

«Ahoana no navalin’i Iaveh?» ary: «Ahoana, hoy i Iaveh?»

36 fa tsy haverinao intsony kosa ny hoe:

«Mavesatra ho an’i Iaveh!»

Fa ny tenin’ny olona ihany no havesatra aminy avy;

satria ianareo mamadika ny tenin’Andriamanitra velona,

dia i Iavehn’ny tafika, Andriamanitsika.

37 Izao no holazainareo amin’ny mpaminany:

«Ahoana no navalin’i Iaveh taminao? Ahoana hoy i Iaveh?»

38 Fa raha ataonao hoe: «Mavesatra ho an’i Iaveh,»

dia izao kosa no lazain’i Iaveh:

«Noho ianareo nilaza ny teny hoe:

Mavesatra ho an’i Iaveh,

rehefa naniraka tany aminareo anefa Aho hilaza aminareo hoe:

Aza manao hoe: Entan’i Iaveh intsony;

39 noho izany, Izaho kosa dia tena hanadino anareo mihitsy,

sy hanary anareo tsy ho eo anatrehan’ny Tavako,

dia ianareo mbamin’ny tanàna nomeko

anareo sy ny razanareo;

40 ary ataoko tonga aminareo ny fahafaham-baraka mandrakizay,

ny henatra mandrakizay,

izay tsy hohadinoina na oviana na oviana.»

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *