Fara asan’i Jeremia: Ireo vehivavy Jody sy ny Mpanjaka vavin’ny lanitra
1 Ny teny tonga tamin’i Jeremia, ho an’ny Jodeanina rehetra nitoetra tany amin’ny tany Ejipta, dia izay nitoetra tany Migdôla, tany Tafnesa, tany Nôfa, sy tany amin’ny tany Fatoresa, nanao hoe:
2 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Efa hitanareo ny loza rehetra nahàtrako tamin’i Jerosalema sy ny tanànan’i Jodà rehetra, fa indreo izy ankehitriny, fa efa tany lao sy tsy misy mponina intsony,
3 noho ny ratsy nataony hampahatezitra Ahy tamin’ny nandehanany hanatitra emboka manitra amam-panompoana amin’izay andriamani-kafa tsy nisy nahalala, na izy, na ianareo, na ny razanareo.
4 Efa naniraka ny mpaminany mpanompoko rehetra taminareo Aho, sady naniraka azy hatramin’ny vao maraina, hilaza aminareo hoe: «Aza dia manao izany fahavetavetana hàlako izany ianareo.»
5 Kanefa tsy nihaino izy ireo, na nanongilan-tsofina mba hialany amin’ny haratsiany sy tsy hanaterany emboka manitra intsony, amin’izay andriamani-kafa.
6 Ka dia niantefa tamin’izy ireo ny fahavinirako amam-pahatezerako, ka nirehitra tamin’ny tanànan’i Jodà sy ny lalam-ben’i Jerosalema, ka tonga tany lao sy efitra izany, araka ny hita ankehitriny izao.
7 Koa ankehitriny dia izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitry ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Nahoana ianareo no nampidi-doza mafy toy izao aminareo, dia izay haharingana anareo ao amin’i Jodà, na ny lehilahy na ny vehivavy aminareo, na ny zaza na ny vao minono aminareo, tsy hisy izay sisa havela akory;
8 dia izay hampahatezitra Ahy amin’ny asan-tananareo, amin’ny anateranareo emboka manitra amin’izay andriamani-kafa, eo amin’ny tany Ejipta, izay nidiranareo hitoerana, mba haharingana anareo, sy hahatonga anareo ho fanozona sy fandatsa amin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany?
9 Hadinonareo va ny heloky ny razanareo, ny heloky ny mpanjakan’i Jodà, ny heloky ny vehivavy ao Jodà, ny heloky ny tenanareo, ary ny heloky ny vadinareo, izay nataony teo amin’ny tanin’i Jodà, sy teny an-dalamben’i Jerosalema?
10 Mandrak’androany izy ireo tsy mbola nanenina, tsy mbola nanan-tahotra, tsy mbola nandeha araka ny lalàko na ny didy nataoko teo anoloanareo sy teo anoloan’ny razanareo.
11 Noho izany, izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Indro Aho hitodi-tava hamely anareo, hahatonga loza aminareo sy handringana an’i Jodà rehetra.
12 Halaiko ny sisa amin’i Jodà, izay nitodi-maso mankany Ejipta mba ho tonga hitoetra any: Ho levona any amin’ny tany Ejipta, dia ho lavo izy ireo: ho levon’ny sabatra sy ny mosary; na ny kely na ny lehibe, ho fatin’ny sabatra sy ny mosary izy ireo ary ho tonga fisahato, fitalanjonana, fanozona, ary fandatsa.
13 Toy ny namangiako an’i Jerosalema tamin’ny sabatra sy ny mosary ary ny pesta no hamangiako an’izay mitoetra eo amin’ny tany Ejipta.
14 Tsy hisy ho afaka handositra na ho velona ny sisa amin’i Jodà, tamin’ireo izay tonga mba honina eto amin’ny tanin’i Ejipta, ka hiverina indray amin’ny tanin’i Jodà, izay irin’ny fony hiverenany mba honenana. Satria tsy hisy hody any izy afa-tsy izay vitsivitsy afa-mandositra ihany.
15 Tamin’izay namaly an’i Jeremia ny lehilahy rehetra, nahalala fa efa nanatitra emboka manitra tamin’ireo andriamani-kafa, ny vadiny sy ny vehivavy rehetra tafavory teo amin’ny fivoriam-beary ny vahoaka rehetra nitoetra tany amin’ny tany Ejipta tao Fatoresa, ka nanao hoe:
16 «Tsy nihaino anao izahay amin’ny teny nolazainao taminay, amin’ny Anaran’i Iaveh.
17 Fa ny teny rehetra naloakan’ny vavany, dia tsy maintsy tanterahinay tokoa tokoa, amin’ny fanaterana emboka manitra amin’ny Mpanjaka vavin’ny lanitra, amin’ny fandraràhana fanatitra araraka ho azy, araka ny efa nataonay, dia izahay sy ny razanay ary ny mpanjakany ama-mpifehy anay tany amin’ny tanin’i Jodà sy teny an-dalamben’i Jerosalema. Tamin’izay, izahay voky hanina, niadana ary tsy nahita loza.
18 Fa hatramin’ny nitsaharanay tsy nanatitra emboka manitra ho an’ny Mpanjaka vavin’ny lanitra sy tsy nandrarahanay fanatitra araraka ho azy, vao tsy nanana na inona na inona izahay, sady levon’ny sabatra ama-mosary.
19 Ary raha nanatitra emboka manitra sy nandraraka fanatitra araraka ho an’ny Mpanjaka vavin’ny lanitra izahay, moa takona ny vadinayva ny nanaovanay mofomamy manambara azy, sy nandrarahanay fanatitra araraka ho azy?»
20 Dia niteny tamin’ny vahoaka rehetra i Jeremia, namelively ny lehilahy sy ny vehivavy sy ireo namaly azy toy izany, ka nanao taminy hoe:
21 «Tsy izany indrindra va no tsaroan’i Iaveh sy tafasondrotra tao am-pony, dia ny emboka manitra nodoranareo tany an-tanànan’i Jodà, sy teny an-dalamben’i Jerosalema, na ianareo sy ny razanareo, na ny mpanjakanareo ama-mpanapaka anareo, na ny vahoaka tamin’ny tany?
22 Tsy nahalefitra mihoatra noho izay intsony i Iaveh, noho ny haratsian’ny nataonareo, sy noho ny fahavetavetana notanterahinareo, ka dia zary efitra lao, voaozona, ary tsy misy mponina ny taninareo, araka izao hita anio izao.
23 Satria ianareo nanolotra emboka manitra sy nanota tamin’i Iaveh, fa tsy nihaino ny feon’i Iaveh, ny lalàny sy ny fitsipika aman-didiny; dia noho izany no niharan’izao loza manjò anareo izao ianareo, araka izao hita anio izao.»
24 Ka dia hoy i Jeremia tamin’ny vahoaka rehetra sy tamin’ny vehivavy rehetra nanao hoe: «Mihainoa ny tenin’i Iaveh, ianareo Jodà rehetra atỳ amin’ny tany Ejipta.
25 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Ianareo sy ny vadinareo, samy efa nanambara tamin’ny vavanareo sy nanatanteraka tamin’ny tananareo nanao hoe: ‹Hoefainay tokoa ny voady nataonay, hanolotra emboka manitra sy handraraka fanatitra araraka ho an’ny Mpanjaka vavin’ny lanitra.› Aoka àry, ka efao ny voadinareo, aza diso ny manatanteraka ny voadinareo.
26 Koa mihainoa ny tenin’i Iaveh, ry Jodà rehetra mitoetra atỳ amin’ny tany Ejipta: Indro Aho fa mianiana amin’ny Anarako lehibe, hoy i Iaveh, fa tsy hotononin’ny vavan’ny lehilahy amin’i Jodà eran’ny tany Ejipta intsony, ny Anarako, hatao hoe: ‹Velona i Iaveh Tompo›.
27 Indro Aho miambina azy ireo, hampidi-doza fa tsy soa amin’izy ireo, ka dia ho levon’ny sabatra sy ny mosary avokoa, ny lehilahy amin’i Jodà, mandra-paharingany.
28 Ary izay vitsy kely no ho afa-mandositra ny sabatra, dia ho tafaverina any amin’ny tanin’i Jodà, avy atỳ amin’ny tany Ejipta. Ka dia ho fantatr’izay sisa amin’i Jodà rehetra, dia izay tonga tany Ejipta, hitoetra tany, izay tò teny, na izaho, na izy ireo.
29 Ary izao no famantarana ho anareo – teny marin’i Iaveh, – fa hovangiako eto amin’ity fitoerana ity tokoa ianareo, mba hampiharihary aminareo fa tsy maintsy tò mihitsy ny teniko hahatonga loza aminareo.
30 Izao no lazain’i Iaveh: Indro Aho manolotra an’i HôfràFaraôna, mpanjakan’i Ejipta, eo an-tanan’ny fahavalony, sy eo an-tanan’izay mitady ny ainy; toy ny nanolorako an’i Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà, tamin’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, fahavalony sy nitady ny ainy.»