Categories
Jôba

Jôba 10

1 Sasatry ny miaina ny fanahiko,

havelako hijojojojo ny fitarainako,

hiteny amim-pahorian’ny foko aho.

2 Hoy aho amin’Andriamanitra: Aza manameloka ahy,

ampahalalao ny antony ilànao akisa aho.

3 Sa dia mahafaly Anao ny mampahory,

sy mamay ny asan’ny tananao;

ka hampamirapiratra ny fanambinanao eo amin’ny fisainan’ny ratsy fanahy?

4 Manana maso nofo va Ianao,

sa mijery toy ny fijerin’ny olombelona?

5 Toy ny andron’ny olombelona va ny andronao,

sa toy ny taonan’ny mety maty ny taonanao,

6 no dia karohinao ny fahadisoako,

no dia enjehinao ny fahotako,

7 na dia fantatrao aza fa tsy meloka aho,

sady tsy misy mahafaka ahy amin’ny tananao akory koa?

8 Tananao no namorona ahy sy namolavola ahy,

izaho manontolo, ka tadiavinao holevonina indray aho ity!

9 Tsarovy fa novolavolainao toy ny tany manga aho;

ary haverinao ho amin’ny vovoka indray aho ity!

10 Moa tsy naidinao toy ny ronono aho,

ary nampandrianao toy ny ranomandry?

11 Notafianao hoditra ama-nofo aho,

ary norarinao taolana aman-kozatra.

12 Nomenao aina amam-panambinana aho,

ary narovanao tamin’ny fiahianao ny aiko.

13 Kanjo izao no nafeninao tao am-ponao:

hitako tsara izao ny nokendrenao:

14 Raha manota aho, dia mitsikilo ahy Ianao,

ary tsy mamela ny hadisoako Ianao.

15 Meloka moa aho, dia loza ho ahy;

Marina indray aho tsy sahy miandrandra akory;

fa safo-kenatra aho mahita ity fahoriako.

16 Raha mba mitraka aho, enjehinao toy ny fanaon’ny liona,

dia foteranao ampijaliana lozan-tany indray.

17 Manangam-bavolombelona vaovao hamely ahy indray Ianao;

dia ataonao avo sasaka ny fisafoakanao amiko,

tafika mifandimby no mandroso hamely ahy.

18 Nahoana no dia namoaka ahy tao am-bohoka Ianao?

dia maty eo aho, tsy ho nisy maso nahita ahy.

19 Ka ho toy ny tsy àry akory aho,

fa vao avy any an-kibon-dreny dia ho nentina tany am-pasana.

20 Tsy vita foana va ny androko? Aoka havelany aho!

aoka hihemotra Izy, dia haka aina kely aho,

21 alohan’ny hahalasanako tsy hiverina intsony,

ho any amin’ny tanin’ny haizina aman’aloky ny fahafatesana,

22 tany manjombona sy maizimaizin-dava,

anjakan’ny fikorontanana aman’aloky ny fahafatesana

sy itovian’ny fahazavana amin’ny alim-pito».

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *