Categories
Jôba

Jôba 11

Ny fahendren’Andriamanitra miantso an’i Jôba hiaiky

1 Dia niteny i Sôfara avy any Naamà, ka nanao hoe:

2 «Tsy hisy valiny va ny teny maro be,

ary ny basivava ve no hanana ny marina?

3 Izay bedibedinao ve no hampangina ny olona?

Haniratsira ve ianao ka tsy hisy handresy lahatra anao e?

4 Hoy ianao tamin’Andriamanitra: ‹Ny fisainako no marina,

ary tsy manan-tsiny eo anatrehanao aho›.

5 Endrey, raha mety miteny Andriamanitra,

ka mety hiloa-bava hamaly anao,

6 raha ambarany anao ny zava-miafina ao amin’ny fahendreny

mbamin’ny safeliky ny hevitra kendreny izay voatakona,

dia ho hitanao fa misy hadinony ny helokao.

7 Mihambo hanakatra ny halalinan’Andriamanitra va ianao,

sy hahatratra ny fahalavorarian’ny Tsitoha?

8 Avo tahaka ny lanitra izany, ka hataonao ahoana?

lalina noho ny fonenan’ny maty izany, ka inona no ho fantatrao?

9 Ny fandrefesana Azy lava noho ny tany,

malalaka noho ny ranomasina.

10 Raha miantoraka amin’ny meloka Izy, sy misambotra azy,

raha mamory ny mpitsara: zovy moa no hahatohitra izany?

11 Fa fantany ny olon-dratsy:

hitany ny haratsiana, raha mbola tsy miahy ny ho hita izy ity.

12 Amin’ny fandinihina izany, na ny adala aza hahazo hevitra,

na ny zanak’ampondra dia aza, ho tonga manan-tsaina.

13 Fa ianao kosa raha mitondra ny fonao ho amin’Andriamanitra

mananty tanan-droa miandrandra Azy,

14 raha manary lavitra ny hadisoanao izay eo an-tananao,

ary tsy mampitoetra ny tsy fahamarinana eo an-dainao,

15 dia hatrakanao tsy manan-tsiny ny handrinao;

tsy hangozohozo na hanan-tahotra intsony ianao.

16 Hohadinoinao amin’izay ny fahorianao,

ho toy ny rano mandalo no hahatsiarovanao azy.

17 Ny ho avy hiposaka aminao mamirapiratra toy ny mitatao vovonana,

ny maizina hiova hanjary mazava atsinanana.

18 Ho feno toky ianao, ary tsy ho foana ny fanantenanao;

hijery ny manodidina anao ianao, dia handry tsy amin’ahiahy,

19 handry feizay ianao, ka tsy hisy mpanabataba,

ary maro no hanafosafony tavanao.

20 Fa ny mason’ny ratsy fanahy kosa hihalevona,

tsy misy hialofany;

toy ny fofon’ain’ny miala aina ny fanantenany».

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *