Categories
Jôba

Jôba 19

Herin’ny finoana rehefa ilaozan’Andriamanitra sy ny olombelona.

1 Dia niteny i Jôba ka nanao hoe:

2 «Mandra-pahoviana no hampahorianareo ny fanahiko,

sy hamizananareo ahy amin’ny teninareo?

3 Efa impolo izay no manala baraka ahy ianareo,

sy manevateva ahy tsy amin-kenatra akory.

4 Na diso aza aho,

izaho ihany no hihandronan’ny fahadisoako.

5 Fa ianareo kosa izay mitsangana hamely ahy,

ka ny fahafaham-baraka no atombokareo ahy, handresena ahy,

6 dia mba fantaro kosa fa Andriamanitra no mampahory ahy,

sy manarona ahy amin’ny fandrika haratony.

7 Indro aho mitaraina noho ny fanaovana an-keriny, nefa tsy misy mamaly!

miantso fitsarana ambony, nefa tsy mahazo ny rariny.

8 Ny lalako nofefeny, ka tsy afaka handeha aho;

ny sakeli-dalana halehako namelarany haizina.

9 Ny voninahitro nendahany tamiko,

ny satroboninahitro nesoriny teo an-dohako.

10 Nohadiny manodidina ny ao ambaniko, ka mianjera aho;

nofongorany toy ny hazo ny fanantenako.

11 Nirehitra tamiko ny fahatezerany,

ka nataony fitondra fahavalo aho.

12 Indray nirohotra ny antoko-miaramilany,

nisava lalana hankanesany atỳ amiko,

dia nanao fahirano ny laiko.

13 Ka ny rahalahiko nampanalaviriny ahy;

ny sakaizako mivily miala amiko.

14 Ny havako nandao ahy.

Ny olona nifankazatra amiko nanadino ahy.

15 Ny mponina ao an-tranoko sy ny ankizy vaviko

manao ahy ho olon-kafa;

16 olon-tsy fantatra eo imasony aho.

Miantso ny mpanompoko aho, tsy valiany akory;

voatery hilela-paladia azy amin’ny vavako aho.

17 Mahaloiloy ny vadiko ny fofon’aiko,

mifona amin’izay iray tam-po amiko aho.

18 Ny ankizy madinika aza, mamingavinga ahy,

nony mba mitsangana aho anaovany kivalavala.

19 Ireo tsy nanafenako, dia marikoriko amiko,

ireo nolalaiko mivadika mamely ahy.

20 Ny taolako, tafaraikitra amin’ny hoditra ama-nofoko,

ny akanjo-nifiko no hany nentiko nilefa.

21 Ianareo sakaizakoahay, no mba mamindrà fo,

mamindrà fo amiko,

fa nasian’ny tanan’Andriamanitra aho ity!

22 Nahoana no dia manenjika ahy, tahaka an’Andriamanitra koa ianareo,

ka tsy mety ho boboky ny nofoko?

23 Adray! raha mba mety ho voasoratra koa ny teniko!

raha mba mety ho vita an-tsoratra ao anatin’ny boky izy!

24 raha mba fisokirana vy mbamin’ny firaka

no isokirana azy amin’ny vatolampy ho mandrakizay.

25 Fantatro fa velona ny mpamaly ra ho ahy,

ka hitsangana farany eo ambonin’ny vovoka izy,

26 ary amin’izay, dia izao taolako mitafy ny hodiny,

dia ny nofoko izao no ahitako an’Andriamanitra.

27 Eny izaho izao no hahita Azy,

ny masoko no hahita Azy, fa tsy olon-kafa.

Matim-paniriana izany ny foko ato anatiko.

28 Amin’izay ianareo va hilaza hoe: ‹Nahoana isika no nanenjika azy?›

fa ho hita ny mahamarina ny adiko.

29 Ho an’ny tenanareo no aoka hatahoranareo ny sabatra amin’izay;

fa mahatsiravina ny famalian’ny sabatra,

ary ho fantatrareo fa misy fitsarana marina».

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *