Mitsaontsaona i Baldada
1 Dia niteny i Baldada avy any Sohe, ka nanao hoe:
2 «Azy ny fanapahana sy fampatahorana,
fiadanana no ampanjakainy any amin’ny fonenany avo.
3 Azo isaina va ny miaramilany?
Ary zovy no tsy iposahan’ny fahazavany?
4 Ahoana no hahamarina ny olombelona eo anatrehan’Andriamanitra?
Ahoana no hahadio izay tera-behivavy?
5 Ny volana aza, latsa-pahazavana,
ny kintana aza, tsy madio eo imasony!
6 Ka mainka izay olombelona kankana foana,
sy izay zanak’olombelona olitra tsy manjary!»