Antsa fiderana ny herin’Andriamanitra mahefa
1 Dia niteny i Jôba ka nanao hoe:
2 «Akory ity fahaizanao manohana ny osa,
sy mamonjy ny tanana reraka!
3 Endrey izato fanoronao ny tsy mahalala,
sy izato habetsahan’ny fahendrena asehonao!
4 Iza moa no ilazanao teny?
ary avy amin’iza ny fanahy mivoaka ny vavanao?
5 Eo anatrehan’Andriamanitra ny matoatoa mihararetra,
any ambanin’ny ranombamin’ny mponina any.
6 Ny seoly mihanjahanja eo anatrehany,
ary ny hantsana tsy misy rakony
7 Izy no mamelatra ny avaratra eo ambonin’ny habakabaka babangoana,
manantona ny tany eo ambonin’ny tsinontsinona;
8 mampihiboka ny rano eo amin’ny rahony;
kanefa tsy miparitaka noho ny havesaran’izany ny rahona.
9 Manarona ny tavan’ny seza fiandriananyIzy,
ka rahona no velariny eo amboniny.
10 Nasiany faritra manodidina eny ambonin’ny rano,
eo amin’ny fisarahan’ny mazava sy ny maizina.
11 Mihozongozona ny andrin’ny lanitra,
sady ankona amin’ny teny mafy ataony.
12 Ny heriny no anaingany ny ranomasina,
ny fahendreny no anorotoroany ny avonavona.
13 Ny fofon’ainy no anjarian’ny lanitra ho madio,
ary ny tanany no nanao ny menarana mpandositra.
14 Izany no sisintsisin’ny lalany,
fimenomenona malefaka mba rentsika,
fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza no mahahaino izany?»