Tsy nahay nanala tsiny an’Andriamanitra ireo Olon-kendry telo.
1 Dia nanohy indray i Eliò ka nanao hoe:
2 «Mandrenesa ny teniko, ianareo olon-kendry;
mihainoa ahy tsara, ianareo manan-tsaina.
3 Fa ny sofina no mamantatra ny teny,
toy ny vava no manandrana ny hanina.
4 Ndeha isika hanao izay hahalalana ny rariny,
sy hiara-mamantatra ny tsara.
5 Efa niteny i Jôba hoe: ‹Tsy manan-tsiny aho,
saingy tsy omen’Andriamanitra rariny.
6 Nony nolazaiko ny mahamarina ahy, atao mpandainga aho;
maharary ny fery mahazo ahy, nefa tsy nanota aho.›
7 Moa misy olombelona tahaka an’i Jôba va?
Sotroiny toy ny rano ny fitenenan-dratsy an’Andriamanitra!
8 Tafakambana amin’ny mpanao ratsy izy,
ary miara-mandeha amin’ny olona mpanota.
9 Satria izao no lazainy: ‹Tsy misy asany amin’ny olombelona akory
ny mitady fitia amin’Andriamanitra.›
10 Koa mihainoa ahy ianareo olona manan-tsaina:
Lavitra an’Andriamanitra ny hanao ny tsy fahamarinana!
Lavitra ny Tsitoha ny fanaovana ny tsy an-drariny!
11 Fa mamaly ny olona araka ny asany Izy,
ary mizara amin’izy tsirairay avy araka ny lalany.
12 Eny iky, tsy manao ny tsy marina Andriamanitra,
ny Tsitoha tsy manohitra ny tsy rariny.
13 Zovy moa no nanendry Azy ho mpanapaka ny tany?
Zovy no nametraka taminy an’izao tontolo izao?
14 Raha tsy mihevitra afa-tsy ny tenany Izy,
ka sintoniny ho eo aminy ny fanahiny amam-pofon’ainy,
15 dia ho afaka aina miaraka amin’izay ny nofo rehetra,
ary hody amin’ny vovoka indray ny olombelona.
16 Raha manan-tsaina ianao, henoy izao,
mampandria sofina amin’ny feon’ny teniko:
17 fahavalon’ny rariny ve hahazo ny fahefana ambony indrindra?
Sahinao hohelohina va ilay Marina, ilay Mahefa?
18 izay miteny amin’ny mpanjaka hoe: ‹Olom-poana!›
sy amin’ny andriana hoe: ‹Olon-tsy vanona!›
19 izay tsy mba mizaha tavan’olona amin’ny lehibe,
ary tsy mijery ny manan-karena noho ny mahantra,
satria samy asa tanany avokoa izy rehetra.
20 Amin’ny indray mipỳ maso monja dia maty ireny amin’ny mamatonalina;
mangozohozo eo ny firenena, dia tsy eo intsony;
lasa tsy natosi-tanan’olonany mahery.
21 Fa mitsinjo izay alehan’ny olona ny mason’Andriamanitra,
ary hitany miharihary avokoa ny diany rehetra.
22 Tsy misy haizina na aloky ny fahafatesana,
azon’izay manao ny tsy marina ierena.
23 Tsy mila ny hijery fanindroany ny olona anankiray izy,
mba hitondrany azy ho amin’ny fitsarana miaraka aminy.
24 Fa torotoroiny tsy misy famotorana ny mahery,
dia manangana olon-kafa izy hisolo-toerana an’ireny,
25 Koa fantany ny asan’ireny,
ka hazerany amin’ny alina ireny, dia montsamontsana,
26 asiany toy ny famely ny tsy mivavaka ireny,
amin’ny fitoerana izay hahatazanan’ny olona azy,
27 satria tamin’ireny niala taminy,
sy nandà tsy hahalala ny lalany rehetra,
28 dia nampiakatra ny fitarainan’ny mahantra ho eo aminy ireny,
sy nahatonga azy hihaino ny fitarainan’ny tra-pahoriana.
29 Raha manome fiadanana Izy, zovy no hitaraina amin’izany?
Raha manafin-Tava Izy, zovy no ho afa-mahita Azy,
na firenena izany, na olona tsirairay no anaovany izany,
30 mba hanaperan’ny fanjakan’ny tsy mivavaka
ka tsy ho fandrika ho an’ny vahoaka intsony izy io?
31 Moa izy va efa nilaza tamin’Andriamanitra hoe:
‹Efa nofaizana aho, ka tsy hanota intsony,
32 atoroy ahy izay tsy fantatro,
fa raha nanao ny tsy marina aho, dia tsy hanao intsony!›
33 Moa tsy maintsy ho araka ny hevitrao va no hitsaran’Andriamanitra,
ka ianao hahazo manifika ny teny fitsarana avoakany?
Ianao no aoka hifidy araka izay tianao, fa tsy izaho,
ambarao izay fantatrao.
34 Izay olona manan-tsaina, dia hilaza amiko,
mbamin’ny olon-kendry izay mihaino ahy, hanao hoe:
35 ‹Niteny tsy amin-tsaina i Jôba,
ary tsy misy fahendrena ny lahateniny.
36 Koa aoka hozoim-pitsapana hatramin’ny farany i Jôba,
satria toy ny an’ny tsy mivavaka ny famaliny!
37 Ny fahotany ampiany fiodinana,
mitehaka eto afovoantsika izy,
ary mampitombo ny teny hanoherany an’Andriamanitra.› »