Ny Fahendren’Andriamanitra Mpahary, nampangina an’i Jôba.
1 Dia namaly an’i Jôba i Iaveh tao anatin’ny tafio-drivotra ka nanao hoe:
2 «Iza moa izato manamaizina ny fandaharan’Andriamanitra
amin’ny teny tsy misy fahalalana?
3 Misikìna àry toy ny lehilahy:
fa ndeha hanadina anao Aho nandatsaka ny fanorenan’ny tany?
4 Mba taiza moa ianao fony Aho nandatsaka ny fanorenan’ny tany?
Lazao raha manam-pahalalana ianao.
5 Iza no nametra izay ho refiny? Fantatrao va?
Iza no nanenjana ny famolaina teo aminy?
6 Amin’inona no ipetrahan’ny tongony
ary iza no nametraka ny vato fehizorony,
7 raha niara-nihira ny kintan’ny maraina,
sady nihobim-pifaliana avokoa ireo zanak’Andriamanitra.
8 Iza no nanidy ny ranomasina tamin’ny varavarana,
fony izy nivoaka nisavoamboana avy any am-bohoka;
9 raha nanao ny rahona ho fitafiany Aho,
ary ny zavona matevina ho lambam-pandriany;
10 raha nampanaiky azy ny didiko
sy nanisy hidy amam-baravarana taminy,
11 ka nilaza taminy hoe: ‹Hatreto alehanao, ka tsy hihoatra,
fa eto no hijanona ny fianjonanjonan’ny onjanao?›
12 Mba efa nandidy maraina va ianao hatrizay niainanao?
Moa nanondro ny fitoerany tamin’ny mazava atsinanana,
13 mba handraisany ny tany amin’ny sisiny,
sy hanintsanany ny ratsy fanahy hiala eo,
14 mba hananan’ny tany endrika toy ny tanimanga voatombokase,
ary hisehoany voaravaka toy ny manao fanamiana;
15 mba tsy hananan’ny mpanao ratsy ny fahazavany;
ary hotapahina ny sandry efa voaainga hanao ratsy?
16 Mba efa nidina tany amin’ny loharanon-dranomasina va ianao
sy efa nitsangantsangana tany amin’ny fanambanin’ny hantsana va ianao?
17 Efa nisokatra teo anatrehanao va ny vavahadin’ny fahafatesana,
sy efa hitanao va ny varavaran’ny fonenana manjombona?
18 Efa takatrao va ny halalahan’ny tany?
Lazao raha mahalala izany rehetra izany ianao?
19 Aiza ny lalana mankany amin’ny fonenan’ny mazava,
ary aiza no fitoeran’ny maizina?
20 Hainao samborina va izy eny amin’ny taniny?
Fantatrao va ny lalana eny amin’ny fonenany?
21 Fantatrao tokoa mantsy izany a, fa ianao efa teraka talohan’izany,
ary efa maro manao ahoana ny isan’ny andronao?
22 Efa nidiranao va ny firaketana ny oram-panala?
Efa hitanao va ny fitahirizana ny havandra?
23 izay tahiriziko ho vonon-ko amin’ny andro fampahoriana,
dia amin’ny andro misy ady aman-tafika?
24 Aiza ho aiza no lalana izarazaran’ny mazava?
25 Iza no nihady lakan-drano halehan’ny tandrifin-drahona,
sy nanoritra ny lalan-karahin’ny tsela-baratra?
26 mba hilatsahan’ny ranonorana amin’ny tany tsy onenana,
sy amin’ny efitra tsy misy olona,
27 ary handemany ny tany lemaka malalaka sy foana,
ka hitsimohan’ny ahi-maitso amin’ireny?
28 Manan-dray va ny ranonorana?
Zovy no niteraka ny ranonando mitete?
29 Kibon’iza no nivoahan’ny ranomandry?
Ary ny fanalan’ny lanitra iza no niteraka azy?
30 no hihamafisan’ny rano toy ny vato
ary anjarian’ny fanambonin’ny hantsana ho rano mandry?
31 Ianao va no mamòna ny kofehin’i Ikotokelimiadilaona,
sa hainao vahana ny gadran’ny telonohorefy?
32 Ianao va no mampiposaka ny antokon-kintana amin’ny fotoany,
sy mitarika ny Orsa omban’ny zanany?
33 Mahalala ny lalan’ny lanitra va ianao,
sy mandahatra ny asan’ny heriny amin’ny tany?
34 Mahasandratra ny feonao hatrany amin’ny rahona va ianao,
hilatsahan’ny orana mandriaka ho atỳ aminao?
35 Ianao va no mandefa ny tselatra handeha?
ka ianao va ilazany hoe: ‹Indreto izahay›.
36 Iza no nametraka fahendrena tao anatin’ny rahona,
sy nanome fahalalana ny zava-mitranga amin’ny habakabaka?
37 Iza no mahay manapitra isa ny rahona,
sy manatongilana ny fitoeran-dranon’ny lanitra,
38 mba hitambatra hivongana ny vovoka
ary hikambam-be kosa ny bainga?
39 Ianao va no mizaha remby ho an’ny liom-bavy,
sy manafa-kanoanana ny liona tanora,
40 raha mamitsaka ao amin’ny lavany ireny,
na manotrika ao amin’ny kirihitr’ala?
41 Iza no manoman-kanina ho an’ny goaika,
raha mitaraina amin’Andriamanitra ny zanany,
ka mirenireny atsỳ sy arỳ tsy mahita hanina ireny?