Categories
Jôba

Jôba 39

1 Mahalala ny fotoana fiterahan’ny osy dia va ianao?

Nodinihinao va ny serfa vavy raha miteraka izy?

2 Mba efa nanisa ny volana maha-bevohoka ireny va ianao,

ka mahafantatra ny fotoana fiterahany?

3 Mandohalika ireny, miteraka ny zanany,

dia tapitra eo no ho eo ny fanaintainany.

4 Mihamatanjaka sy mihalehibe any an’efitra ny zanany,

dia lasa izy ka tsy miverina intsony.

5 Iza no nandefa ny ampondra dia hikarenjy,

ary zovy no namaha fatorana ny boriky dia,

6 izay nomeko ny efitra ho tranony,

sy ny tany lemaka misy siraho fonenany?

7 Tsy ahoany akory izay fitabataban’ny any an-tanàna,

tsy reny akory izay hoe feon’ny tompo.

8 Mitetitety ny tendrombohitra hahitany hanina izy,

izay mety hahitana volon’ahi-maitso dia alehany avokoa.

9 Mba mety manompo anao va ny ombimanga,

na handry ao an-tranony amin’ny alina?

10 Hafatotrao amin’ny tady eny am-bava asanao,

na hanaraka anao hamaky bainga eny an-dohasaha?

11 Hitokianao va izy satria matanjaka tokoa,

ka havelanao hanao ny asanao va?

12 Hitokianao hampiditra ny vokatrao va izy?

sy hanangona ny varinao ho eo am-pamoloanao?

13 Mikopakopaka an-kafaliana ny elatry ny ostritsa,

fa tsy mba manana elatra be antra na ny volon’ny vanobe izy.

14 Fa ilaozany eo amin’ny tany ny atodiny,

dia avelany hohafanain’ny fasika.

15 Hadinony fa mety ho voahitsaky ny tongotra,

na ho montsan’ny biby any an-tsaha.

16 Mafy fo ho an’ny zanany, hoatra ny tsy azy akory izy,

tsy mampaninona azy na dia foana aza ny asany.

17 Fa nolavin’Andriamanitra tsy ho azy ny fahendrena,

ary tsy mba nomeny azy ny fahalalana.

18 Rehefa mikopaka elatra sy miezaka kosa anefa izy,

ihomehezany foana ny soavaly sy ny mpitaingina azy.

19 Ianao va no manome hery ny soavaly,

sy mandravaka vombo mihofahofa amin’ny vozony,

20 ary mampitsipika azy hoatry ny valala?

Mamelona fampatahorana ny fanenony miandranandrana.

21 Mihehy tany amin’ny tongony izy sady miedinedina noho ny heriny,

miantoraka hanetra ny ady izy.

22 Ihomehezany fotsiny ny fampitahorana, fa tsy misy mampimàlo azy akory,

ka tsy mianòtra izy eo anoloan’ny sabatra.

23 Mifioka eny ambony eny ny zana-tsipìka,

ny lefona manelatselatra sy ny longy.

24 Mihivingivina izy, mihoalahoala izy, mirimorimo mafy erỳ izy,

tsy mahajanona intsony nony vao velona ny bingona.

25 Vao mandre ny feon’ny bingona izy dia milaza hoe: ‹ndao!›

mbola lavitra izy, dia efa manimbolo ny ady,

ny feo mikotrokotroky ny lehibe, ny akora lavan’ny mpiady.

26 Fahendrenao va no iezahan’ny voromahery hanidina,

sy hamelarany ny elany hianatsimo?

27 Baikonao va no hisondrotan’ny voromahery

sy anaovany ny akaniny eny an-dringiringy?

28 Monina eny amin’ny haram-bato izy, miorim-ponenana

eny an-tsefatsefa-bato, an-tampon’ny havoana.

29 Avy eny izy, no mitsikilo ny rembiny,

ka mahiratra mahatazana lavitra ny masony.

30 Ra no fisotron’ny zanany;

ary izay misy faty, dia ahitana azy avokoa».

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *