Categories
Jôba

Jôba 4

Fitokiana an’Andriamanitra

1 Dia niteny i Elifaza avy any Temàna ka nanao hoe:

2 «Raha manandrana hiteny indraimbava izahay, dia sao sosotra ianao amin’izany.

Nefa zovy moa no hahatana ny teniny?

3 Indro fa nampianatra olona maro ianao;

nankahery izay niraviravy tanana ianao;

4 nampijoro izay nivembena ny teninao,

sy nanampy ny lohalika malemy ianao.

5 Kanjo ankehitriny, nony mankaminao ny loza, dia kivy ianao,

nony mba trany ianao izao, dia manary toky kosa!

6 Tsy ny fahatahoranao an’Andriamanitra va no fanantenanao?

Tsy ny hadiovan’ny toetrao va no mba tokinao?

7 Mba tadidio ange: zovy moa no tsy manan-tsiny mba very?

Taiza ho aizan’izao tontolo izao, no mba naringana ny olo-marina?

8 Raha izaho, ny hitako, dia izay miasa heloka,

sy ireo efa mamafy tsy fahamarinana, no mijinja ny vokatr’izany.

9 Fa ny fofon’ain’Andriamanitra no aharinganan’ireny,

ny fifofofofon’ny hatezerany no mahalevona ireny.

10 Ny fieron’ny liona mbamin’ny feony mikotrokotroka, dia tankina,

ary ny nifin’ny liona tanora dia voatorotoro.

11 Noho ny tsy fisian-dremby dia maty ny lion-dahy,

ary ny zanaky ny liom-bavy miely patrana.

12 Nisy teny misokosoko tonga tamiko

ary ngonongonina malemy no hany ren’ny sofiko tamin’izany.

13 Tao amin’ny fahitana manjavozavo alina,

tao anatin’ny fotoana mahasondrian-tory mafy ny olombelona,

14 nisy tahotra aman-kovitra nahazo ahy,

ary nanozongozona ny taolako rehetra izany,

15 Dia indro nisy fanahy nandalo teo anatrehako,

ka nampitsangam-bolo ny tenako rehetra.

16 Nitraka izy, tsy fantatro endrika velively

dia toa matoatoa eo imasoko.

Dia nisy fahanginana aloha, vao nandre feo aho:

17 Ho marina va ny olombelona eo anatrehan’Andriamanitra?

Ho madio va ny olona, eo anoloan’ny Mpahary azy?

18 Indro fa ny mpanompony aza, tsy itokiany,

ary ny Anjeliny aza, ahitany tsiny:

19 ka mainka izay olona monina an-trano fotaka

ary vovoka ny fototra iorenany,

ka hatao manjary vovoka toy ny voan’ny kalalao!

20 Hatramin’ny maraina ka hatramin’ny hariva, dia voaringana izy;

ary levona mandrakizay izy, nefa tsy ahoan’ny olona akory.

21 Tapaka ny kofehy amin’ny lain’izy ireo;

Maty alohan’ny fahazoana ny fahendrena izy.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *