Categories
Jôba

Jôba 41

1 Indro diso fanantenana ny mpihaza,

fa ny fijery ity biby be, dia ampy haharera-po azy.

2 Tsy misy sahy mihantsy an’i Leviatàna,

koa zovy moa no sahy hanohitra Ahy eo anatrehako?

3 Zovy no nanisy soa Ahy ka tsy maintsy valiako kosa indray?

Ahy avokoa ny eny ambanin’ny lanitra rehetra.

4 Tsy tiako hafenina ny momba ny rantsam-batany,

ny heriny, ny firindran’ny rafitry ny vatany.

5 Iza no efa nanainga na oviana na oviana ny sisin’ny fiarovan-tratrany?

Iza no efa namaky ny laharan’ny nifiny roa sosona?

6 Iza no efa namoha ny varavaran’ny vavany?

Manodidina ny nifiny, dia itoeran’ny fahatahorana.

7 Kanto ny filahatry ny laniny;

mova tsy ny tombokase mifanety erỳ;

8 mifampikasika avokoa izy rehetra,

ka tsy azon’ny rivotra idirana ny elanelany;

9 mifandray lany avokoa izy

dia tafakambana ka tsy mety hisaraka.

10 Mampitselatra fahazavana ny fieviny;

tahaka ny hodimason’ny maraina, ny masony.

11 Mivoaka lelafo ny vavany

misy kilalaon’afo mitselatra avy ao.

12 Mivoaka setroka ny vavorony,

mova tsy ny avy amin’ny vilany mangotraka sy mandevilevy.

13 Maharehitra arina ny fofon’ainy,

midedadeda avy ao am-bavany ny lelafo.

14 Mitoetra ao am-bozony ny hery;

miantsambotra eo alohany ny fampahatahorana.

15 Mirary avokoa ny hozatry ny nofony,

sady miraikitra mafy aminy tsy azo hotsonina.

16 Ny fony mafy toy ny vato,

mafy toy ny vato ambany fikosoham-bary.

17 Raha mitsangana izy, raiki-tahotra ny mahery indrindra,

torana azon’ny fivadiham-po.

18 Raha asiana ny sabatra izy, dia tsy mahalaitra azy ny sabatra,

na ny lefona, na ny longy, na ny zana-tsipìka.

19 Ataony toy ny mololo ny vy,

ary toy ny hazo vovohina, ny varahina.

20 Ny zana-tsipìka tsy mampandositra azy,

ny vaton’antsamotady ataony ho tapak’ahitra.

21 Ny kanonta toy ny vodivary aminy;

ny fikatrakatraky ny lefona ihomehezany.

22 Misy toa vakim-bilany maranitra amin’ny takìbany,

ka toy ny vy famakiam-bainga velariny amin’ny fotaka.

23 Mampandevy ny hantsana toy ny vilany izy,

ataony toy ny kapoaka misy zava-manitra ny ranomasina.

24 Voasori-pahazavana ny lala-nodiaviny,

ka hoatra ny misy volofotsy ny hantsana.

25 Tsy misy toa azy eny ambonin’ny tany,

fa noarîna tsy mahalala tahotra izy.

26 Ka handrininy eo anoloany ny voasandratra rehetra;

izy no mpanjakan’ny biby mahery rehetra.»

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *