Categories
Jodita

Jodita 14

Nanihin’ny Jody ny lasin’ny Asirianina

1 Tamin’izay dia hoy i Jodita tamin’ny vahoaka rehetra: «Mihainoa ahy, ry havako, ahantòny eny an-tampon’ny mandantsika ity loha ity.

2 Ary rehefa vaky masoandro, samia mandray ny fiadiany, dia mirimorimo mivoaka, tsy hoe hidina ho eo an-dohasaha fotsiny, fa toy ny manao rodobe hamely.

3 Tsy maintsy hitsoaka ho any amin’ny Jeneraliny amin’izay ny mandry tsy aman’afon’izy ireo, hamoha azy hiady.

4 Ary rehefa hidodododo ho any an-dain’i Hôlôferina ny lehiben’izy ireo ka hahita azy voatapa-doha, mihosinkosina amin’ny rany, dia ho raiki-tahotra mafy.

5 Nony injay hitanareo mandositra izy, dia mirosoa hanenjika azy an-kasahiana fa homontsanin’ny Tompo eo imasonareo ireo.»

6 Rehefa hitan’i Akiora tamin’izay, ny fahefana ampiasain’ny Andriamanitr’i Israely, dia nialany ny fombam-pivavahan’ny firenena, dia nino an’Andriamanitra izy, ary noforàna sy voakambana amin’ny vahoakan’i Israely, hatramin’ny taranany rehetra mandrak’izao.

7 Vao nipoaka ny andro, dia nahanton’ny mponina tao Betolia teny amin’ny manda ny lohan’i Hôlôferina, ka samy nandray ny fiadiany ny lehilahy, sy nivoaka nirodorodo mafy, tamin’antsoantso nikotrokotroka.

8 Nahatsinjo izany ireo mandry tsy aman’afo, dia nidodododo nankany an-dain’i Hôlôferina.

9 Izay efa tao an-day kosa indray nankeo am-baravaran’efitra fandriany, nanao tabataba be hamoha azy, ary niniany nampitomboina ny tabataba mba hahatsiarovan’i Hôlôferina amin’ny torimaso, azon’izany tabataba izany, tsy hilana ny hamohan’ny fehiny azy.

10 Fa tsy nisy sahy nandom-baravarana na niditra ka namoha ny varavaran’efitra fandrian’ity lehilahy ambony indrindra amin’ny Asirianina.

11 Tonga avokoa anefa ny jeneraliny sy ny lehibe mbamin’ny manamboninahitra amin’ny tafiky ny mpanjakan’ny Asirianina, ka nilaza tamin’ireo tonian-tranony hoe:

12 «Midira, fohazy izy, fa tafavoaka ny lavany ireo voalavoireo, ka sahy mihaika antsika hiady.»

13 Tamin’izay dia niditra ny efitrano i Vagao, nijanona teo anoloan’ny elom-pandriana, nitehaka tamin’ny tanany, fa nataony ho miara-mandry amin’i Jodita ihany ny tompony.

14 Kanjo raha nanongilan-tsofina izy ka tsy nandre izay fihetsik’olona mandry teo velively, dia nohatoniny ny elom-pandriana, dia noaingainy, ka indro ny fatin’i Hôlôferina, hitany nitsitra tamin’ny tany, tsy nisy loha, nihosin-dra. Niaraka tamin’izay, nidradraka nitomany izy, sy nandriatra ny fitafiany,

15 dia niditra tao an-dain’i Jodita, ka tsy nahita azy tao. Nivoaka faingana izy nankeo amin’ny vahoaka,

16 nanao hoe: «Vehivavy jody iray iny monja nampisafotofoto ny ankohonan’i Nabokodonozora mpanjaka; mitsitra amin’ny tany ao i Hôlôferina, ary tsy misy loha intsony ny vatany!»

17 Vao nandre ireo teny ireo ny lehibe rehetra amin’ny tafiky ny Asirianina, dia nandriatra ny fitafiany, sady azon-tahotra aman-korohoro lozan-tany, nikorontana mafy ny sainy.

18 Ka horakoraka tsy hita holazaina, no nihohahoha tao an-tobin’izy ireo.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *