1 Nony ren’ny foloalindahy rehetra fa hoe tapa-doha i Hôlôferina, dia veriny avokoa ny heviny amam-pahamalinany, fa ny tahotra amam-badi-po no nanindry azy mafy, ka ny hanavotra aina amin’ny lositra no nalehany.
2 Tsy nifampiteny indraimbava akory izy ireo, fa samy niondri-doha sy namela teo ny zavatra rehetra fa dodona hitsoaka tsy ho tratry ny Hebrio, izay reny tamy mitam-piadiana hamely azy, ka dia vaky nandositra namakivaky ny saha izy sy namonjy ny sakeli-dalana amin’ny tendrombohitra.
3 Nony hitan’ny zanak’i Israely fa nandositra izy ireo, dia notanahiny nenjehina, nirotsahany tamim-pitsofan-trômpetra, ary nohorakorahany mafy avy ato aoriany.
4 Noho ny Asirianina niparitaka sady nikoropaka mafy teo am-pandosirana, ary ny zanak’i Israely kosa nikambana ho antokony iray monja teo am-panenjahana azy, dia nataony jinja fary avokoa izay rehetra tratrany.
5 Tamin’izay koa nolefasan’i Oziasa iraka avokoa ny tanàna aman-tsahan’i Israely rehetra;
6 ka isam-bohitra sy isan-tanàna, samy nampandray fiadiana ny tovolahy voafantina teo aminy avy, sy nandefa ireo hanaraka ny Asirianina, ka nanenjika azy tamin’ny lelan-tsabatra ireo hatrany amin’ny faran’ny sisin-taniny.
7 Izay tafajanona tany Betolia kosa, niditra tao an-tobin’ny Asirianina nandraoka ny babo rehetra nilaozan’ny Asirianina nandositra, ka niverina mavesatr’izany.
8 Etsy an-daniny koa izay avy nandresy ka niverina ho any Betolia, nifaoka izay rehetra nananan’ny Asirianina, dia biby fiompy tsy hita isa, sy biby mpitondra entana mbamin’ny entany rehetra, ka samy nahazo harena tamin’ny babo azony avokoa, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra.
Fisaorana sy fankasitrahana
9 Avy ao Jerosalema i Jôakima mpisoron-dehibe dia tonga tao Betolia niaraka amin’ny loholona rehetra hamangy an’i Jodita.
10 Nony nivoaka hitsena azy izy, indray niredona nisaotra azy izy rehetra nanao hoe: «Ianao no tabihan’i Jerosalema; ianao no fifalian’i Israely; ianao no voninahitry ny firenentsika.
11 Satria nitomban-dahy ny fanahinao, ary feno herim-po ny fonao; satria tia fahadiovana ianao, fa nony maty ivadinao tsy nety nahalala hafa ianao, fa ny tanan’ny Tompo nanafy hery anao, ka hisaorana mandrakizay ianao.»
12 Dia indray namaly hoe, ny vahoaka: «Ho tanteraka anie izany! Ho tanteraka anie izany!»
13 Saika tsy ampy ny telopolo andro, hanangonan’i Israely ny babo tamin’ny Asirianina.
14 Nomen’ny vahoaka an’i Jodita avokoa ny volamena amana volafotsy, sy ny fitafiana amana vatosoa, mbamin’ny zavatra rehetra fantatra fa an’i Hôlôferina.
15 Ary niara-nifaly avokoa ny vahoaka mbamin’ny vehivavy, ny zatovovavy, ny zatovolahy tamin’ny feon’ny harpa aman-dokanga.