Categories
Jodita

Jodita 4

Fahatairana tany Jodea

1 Nony nandre izany zavatra izany ny zanak’i Israely nonina tamin’ny tanin’i Jodà, dia raiki-tahotra tamin’ny hiavian’i Hôlôferina.

2 Nahatsiaro tsiravina sy nivadi-poloatra izy, nihevitra fa i Jerosalema sy ny tempolin’ny Tompo koa dia ho azon’io atao toy ny nanaovany ny tanàna hafa sy ny tempolin’ireny.

3 Naniraka nankany Samaria manontolo sy amin’ny manodidina hatrany Jerikôizy, notanany rahateo ny tampon-tendrombohitra rehetra.

4 Nohodidininy manda ny vohiny, ary nanangom-bary izy hatao fitaovana ho fiomanana haharetany miady.

5 I Eliasima mpisoronakoa nanoratra ho any amin’izay rehetra monina tandrifin’i Esdrelôna, tandrifin’ny tany lemaka lehibe izay ao akaikin’i Dôtaîna, ary tamin’izay rehetra monina amin’ny tany misy lalana faleha,

6 namporisika azy ireo hitana ny kisolosolon-tendrombohitra rehetra azo aleha mankany Jerosalema, sy hiambina ny hadilanana azo aleha eo anelanelan’ny tendrombohitra.

7 Notanterahin’ny zanak’i Israely ny didin’i Eliasima mpisoron’ny Tompo.

Fitalahoana lehibe

8 Ary niantso ny Tompo tamim-pitalahoana mafy avokoa ny vahoaka rehetra sady samy nanetry ny fanahiny tamin’ny fifadian-kanina sy ny vavaka avokoa, na ny tenany, na ny vadiny.

9 Nanao akanjo malailay ny mpisorona, niankohoka teo anoloan’ny Tempolin’ny Tompo ny ankizy madinika, ary norakofana lamba malailay ny ôtelin’ny Tompo.

10 Dia niray fo nitaraina tamin’ny Tompo Andriamanitr’i Israely izy rehetra mba tsy havelany ho rembin’ny sasany ny zanany, na ho babo hozaraina ny vadiny, na horavana ny tanànany, na ho voaloto ny fitoerany masina, na ho tonga fandàtsan’ny firenena ny tenan’izy ireo.

11 Tamin’izay, i Eliasima mpisoron-dehiben’ny Tompo dia nitety ny tanin’i Israely rehetra, ka niteny tamin’ny vahoaka,

12 nanao hoe: «Aoka ho fantatrareo fa hohenoin’ny Tompo ny fitalahoanareo, raha maharitra amin’ny fifadian-kanina sy ny fivavahana eo anatrehany ianareo.

13 Tsarovinareo i Môizy mpanompon’ny Tompo. I Amaleka niantehitra tamin’ny heriny amam-pahefany, ny miaramilany aman’ampingany, ny kalesiny ama-mpitaingin-tsoavaliny; i Môizy kosa nandresy azy, tsy tamin’ny ady amim-by, fa tamin’ny vavaka masina nataony tamin’Andriamanitra.

14 Toy izany avokoa no hanjò ny fahavalon’i Israely rehetra raha maharitra amin’ny asa efa natombokareo ianareo.»

15 Nony efa izany famporisihana izany, dia nitaraina tamin’ny Tompo izy ireo, nitoetra teo anatrehany;

16 hany ka na dia ireo nanolotra ny sorona dorana aza, teny aminy ihany ny akanjo malailay, teo an-dohany ihany ny lavenona, no nanolotra izany tamin’ny Tompo izy.

17 Ary izy rehetra samy nivavaka tamin’Andriamanitra avokoa, mba hamangiany an’i Israely vahoakany.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *