Categories
Jodita

Jodita 9

Vavak’i Jodita

1 Nony lasa izy ireo dia niditra tao an’efitrano fivavahana i Jodita, niakanjo malailay, nanisy lavenona ny lohany, nihohoka teo anatrehan’ny Tompo, ary niantso Azy nanao hoe:

2 «Ry Tompo Andriamanitr’i Simeôna raiko ô! izay nanome sabatra azy hamaliany ny olona hafa firenena, nanao an-keriny tamin’ny virjiny anankiraysy nandoto azy ho afa-baraka,

3 Ianao izay nanolotra ny vadin’ireny, ho an’ny mpisavika, sy ny zanany vavy ho amin’ny fahandevozana, ary ny fananany rehetra ho anjara babon’ireo mpanomponao, mihanta aminao aho, mba ampio ity mpitondratena, ry Tompo Andriamanitro ô.

4 Ianao no nanao ireo asa mahagaga tamin’ny andro teo aloha, sy namorona ny fikasan’ireo izay nanaraka tatỳ aoriana, ka tanteraka izany noho ny sitraponao.

5 Ny làlanao rehetra, voasoritra rahateo; ny fitsarànao koa voalaminao sahady, noho ny fahitanao mialoha.

6 Ankehitriny, jereo ity tobin’ny Asirianina, toraky ny nijerenao fahizay ny tobin’ny Ejiptianina izay nitoky tamin’ny kalesiny ama-mpitaingin-tsoavaliny, sy tamin’ny habetsahan’ny miaramilany mpiady, fony izy nitam-piadiana nanenjika ny mpanomponao.

7 Kanjo nijery ny tobiny Ianao ka nesorin’ny haizina ny heriny.

8 Ny hantsana nampitsoka ny tongony, ary ny rano nanafotra azy.

9 Ho toy izany koa anie ireto, ry Tompo, fa mitoky amin’ny hamaroany izy ireo, sy amin’ny kalesiny aman-donginy, amin’ny ampingany aman-jana-tsipìkany, ary mitohatoha amin’ny lefony izy.

10 Tsy fantany fa Ianao no Andriamanitray, dia Ianao izay manamongomongo ny tafika hatramin’ny voalohany, sy manana anarana hoe Tompo.

11 Aingao, toy ny fahizàny taona izany, ny sandrinao, ka montsàny amin’ny herinao ny heriny, azerao eo anoloan’ny hatezeranao ny tanjany, fa manampò hiditra an-keriny amin’ny fitoeranao masina ireo, sy handoto ny tabernaklan’ny Anaranao, ary hikapa ny tandroky ny ôtelinao amin’ny sabany.

12 Ka ny sabany ihany kosa no ataovy mamolona ny avonavon’izany lehilahy izany.

13 Aoka hahavoafandrika azy ny fijereny ahy, ary asio amin’ny teny malefaka aloaky ny vavako izy.

14 Ataovy ampy hery ny foko hanazimbàko azy ary ampy tanjaka hamonoako azy.

15 Fa voninahitra tsy very tadidy ho an’ny Anaranao, ny hanjeran’ny tanam-behivavy azy.

16 Fa ny herinao, ry Tompo, dia tsy mba amin’ny hamaroan’isa, ny sitraponao tsy mba miankina amin’izay tanjaky ny soavaly, ary hatramin’ny voalohany dia tsy mba nankasitraka ny mpiavonavona Ianao, fa nankamamy mandrakariva ny olona manetry tena sy malemy fanahy kosa.

17 Ry Andriamanitry ny lanitra ô, Mpahary ny rano sy Tompon’ny zava-boaary rehetra, henoy ity vehivavy mahantra mihanta aminao, sy manankina ny fitokiany amin’ny indrafonao.

18 Tsarovy ny fanekenao, ry Tompo, ka omeo teny ny vavako, omeo hery ny hevitra voakasako ato am-poko, mba hahatahiry ny fahamasinana natafinao azy ny tranonao, ary mba ho fantatry ny firenena rehetra fa Ianao no Andriamanitra ka tsy misy hafa afa-tsy Ianao ihany.»

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *